· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Angola tamin'ny Novambra, 2012

Miha-mananosarotra Ny Sivana Ao Angola

  28 Novambra 2012

Tsy nahitàna taratra ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mihitsy ny fankalazàna ny faha-37 taona nahazoan'i Angola fahaleovantena tato ho ato. Ny mifanohitra amin'izay aza, ny lasitra sivana Angole dia mananosarotra isak'izay mandeha. Ny fanohintohinana akaiky indrindra izao dia ny nanjo ny “Semanário Angolense”, voasazy noho ny namoahany ny kabary feno fanakianan'ny filohan'ny UNITA, Isaías Samakuva .

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa: