The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Angola Tahiry Firenena

RSS ho an i Angola

2009-11-17

Angola: Lafo ny fiainana any Luanda

Lafo avokoa ny zavatra rehetra ao Luanda, renivohitry Angola; na ho an'ny angoley izany na ho an'ny vahiny, ireo mponina any dia mahafantatra izany tsara. Ny fototra toy ny sakafo sy ny fianarana ary ny trano fonenana dia mitovy vidy amin'ny any amin'ny firenena eoropeana. Ny mahasamy hafa azy dia ...

2009-01-23

Angola: Ny herisetra ao an-tokantrano no mitombo sa ny fahatsiarovantena?

Nitombo haingana ny tahan’ny herisetra ao an-tokantrano ao Angola fa kosa Sorik’endrika tsara izany: hoe mitatitra misimisy kokoa, efa manakaiky ny levilevy (herisetra) ny manjo ireo vehivavy Angolana – na ry zareo araraotin’ireo vadiny na araraotin’ireo sipany. Kanefa, ny isa ihany ve no nitomba sa ny toe-javatra izay mampiseho ny ahiahy goavana momba izany heloka izany?

2009-01-12

Ebola: Fifehezana ny areti-mandringana Ebola

Voaporofo tokoa ny fisian'ilay valan'aretina mora mifindra, antsoina hoe tazo Ebola any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Heverina fa efa mihoatra ny 36 ny isan'ny olona tratran'ity aretina ity ary 12 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Miezaka ny hifehy ny fielezan'ity aretina ity i RD Congo, ary manao ...

2008-10-23

Zavakanto & Kolontsaina ,
Sakafo

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

2008-09-06

Angola: Fifidianana an-tsary maro

Sambany tao anatin'ny 16 taona no nifidy indray ny Angoley - mbola mitohy moa izany fifidianana izany androany Sabotsy amin'ny biraom-pifidianana 320 eto an-drenivohitra Luanda. Hatramin'izao dia tsy heno loatra hoe nisy korontana ny fifidianana, manjaka any anivon'ny vahoaka ny filaminana araka ny hitan'ilay mpaka sary José Manuel Lima da Silva. Tena misy sary kosa aloha ato e!

2008-07-31

Zavakanto & Kolontsaina ,
Fandraharahana

”. Foibem-barotra maoderina vao vao indray manko no hatsangana eo amin'io toerana io ihany.

2008-07-14

Diaspora ,
Gender

Mpifindra monina Breziliana, Menina de Angola [Sipa avy eto Angola, pt] no nilazalaza ny fanolanana roa samihafa mahazo ny sipa Breziliana any Luanda ary mitsikera ny fahanginana manjaka amin'ity raharaha ity, izay raha inoana ny lazainy tsy nampihetsi-bolomaso akory na ny polisy na ny fampahalalam-baovao eny ny fiaraha-monina mihitsy aza: “Efa ela ny niheverako fa tsy mametraka ny hasin'ny vehivavy ny fiaraha-monina angoley, saingy tsy mampino ahy kosa ny fanekena ny herisetra atao aminay ho toy ny zavatra iainana andavanandro tsy mampaninona”.

2008-06-27

Angôla : Tatitra an-tsarySary post

JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue any Angôla : A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira ...