Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Septambra, 2012
Zambia: Nodimandry Ny Vadin'ny Filoham-pirenena Teo Aloha
Alahelo lehibe no tazana manerana ny tambajotra sosialy tamin’ny Alarobia 19 Septambra 2012, taorian’ny vaovao momba ny fahafatesan’ ilay ramatoa vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Betty Kaunda. Vadin’ny filoha voalohany tao Zambia, Dr Kenneth Kaunda izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny taona 1964 hatramin’ny taona 1991, tafala teo amin’ny fitondrana...
Maoritania: Diabe Ho Fahatsiarovana Ilay Mpanohitra Ny Fanavakavaham-Bolokoditra Nodimandry
Miantso ny hanaovana diabe amin'ny 27 Septambra 2012 ao an-drenivohitra Nouakchott ho fahatsiarovana ilay mpikatroka manohitra ny fanavakavaham-bolokoditra Lamine Mangane ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Touche pas à ma nationalité TPMN (malagasy: Aza kitikitihinao ny zom-pireneko).
Zambia: Mampidi-doza Ho An'ny Tontolo Iainana ao Lower Zambezi ny Tetikasa Fitrandrahana
Loza mitatao ho an'ny tontolo iainany sy ny Valan-javaboahary Mana Pools ao Zimbabwe mifanila aminy ny fitrandrahana ao amin'ny Valan-javaboahary Lower Zambezi ao Zambia. 200 km latsaka midina miala ao amin’ny tohodrano Kariba no misy ireo valanjavahoary roa, anisan’ny manankarena biby sy iray amin’ireo vakoka tavela ahitana elefanta goavana indrindra...
Nanao Ahoana Ny Valin'ny Fifaninanan-Kira Uganda@50 ?
Nahazo ny fahaleovantenany i Ogandà tamin'ny 9 Oktobra 1962, ka feno 50 taona izany amin'ity taona ity. Maro ny fandaharan'asa tanterahina amin'izany manerana ny firenena ka tafiditra ihany koa ny hira. Saingy misy ny fifanipaha-kevitra momba ny hira navoaka...
Sodàna: Noràrana ny YouTube Taorian'Ny Fandoroana Ny Ambasady Alemana
Nanafika ny Ambasady Alemana sy Amerikana tao Khartoum ireo mpanao fihetsiketsehana voton-katezerana Sodàney tamin’ny Zoma 14 Septambra 2012 lasa teo, hetsi-panoherana ilay horonantsary novokarina tao Etazonia, izay manevateva ny Mpaminany Mohammad. Mitondra ny lohateny hoe “The Innoncence of Muslims” na “Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana” ilay horonantsary Youtube maharitra 14 minitra, nitarika ny...
Madagasikara: Fifamonoana Eo amin'ny Tantsaha Sy Ny Dahalo Any Atsimo
Raha tsy mivaha velively izao fiokoana any Atsimo izao, mety hahita ny fiitatry ny afy isika aoriana ao ka mety hivandravandra amintsika ny toe-javatra tahaka ny fivakisana mitranga any Mali. Fijery mamoaka ny heviny amin'ny ady ankehitriny [fr] ao amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Mihoatra ny 100 ny olona maty tamin'ny herinandro raha...
Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana
Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny...
Sodàna: Noafahana Ilay Mpikatroka Twitter Taorian'ny Roa Volana Nidirany Am-ponja.
Nanao hetsika mihery vaika ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tamin'ny tapaky ny volana Jiona 2012. Nisambotra mpanao fihetsiketsehana, mpikatroka, mpikambana sy mpitarika antoko mpanao politika ary olom-pirenena mpahay lalàna tao amin’ny toerana fanaovana fihetsiketsehana, oniversite, toerana ankalamanjana sy tranon’olona maro izay manaraka ny hetsi-panoherana ny NISS. Na dia izany...
Madagasikara: tezitra nohon'ny fahatapahan-jiro matetika ny vahoaka ka nanafika ny #JIRAMA Farafangana
Ny namana avylavitra no nanaitra voalohany tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] fa : @avylavitra: #JIRAMA #FARAFANGANA notafihan'andian'olona omaly [ndlr. Alahady 2 septambra 2012] tamin'ny 7 ora alina #Madagascar Nohamarinin'ny « L'express de Madagascar » tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera izany taty aoriana : “@LExpressMada: Nopotehin'ny olona ny Jirama tao Farafangana...
Lalao ‘Paralympiques’ : Lasa izao !
Hatramin'ny 29 Aogositra ary hatramin'ny 12 Septambra, atleta 4.200 avy aminà firenena 166 no mandray anjara amin'ny andiany faha-14 amin'ny lalao 'paralympiques' ao Londona ary hifanandrina anaty taranja roapolo. Tantara miavaka amin'ny mahazatra no zarain'i Anna Guèye.