· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Marsa, 2011

Ejipta: Baolina kitra (fandaka) nialoha sy taorian'ny Revolisiona

Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny baolina fandaka na football (soccer) no loharanon-kafalian'ny Ejipsiana voalohany. Ny ekipam-pirenena Ejipsiana no efa nahazo ny amboaran'i Afrika intelo misesy notontosaina tany Ejipta, Ghana ary Angola. Mandritra ny fifaninanam-pirenena moa dia mahazatra ny mahita ny olona mifantoka lalina eo anoloan'ny vata fahitalavitra, vonona miaraka amin'ny...

Madagasikara: resaka taorian'ny nijoroan'ny governemanta vaovao

  28 Marsa 2011

Ny mpamaham-bolongana Thierry Andriamirado no nanome ny lisitr'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta fao najoro indray eto Madagasikara [fr] araka izay nanononana azy tao amin'ny radiom-pirenena.  Ny mpamaham-bolongana politika Ndimby kosa nanome ny famelabelarana momba ny firafitr'ity lazaina ho governemantan'ny fampiraisam-pirenena ity sy ny mety hisian'ny faneken'ny fiarahamonina iraisampirenena ny fitondram-panjakana...

Sodàna: Satria afaka aho, Hitsangana aho ary Hiteny hoe TSIA

  27 Marsa 2011

Tamin'ny 21 Martsa 2011, teraka ny “Andron'ny Tanora Sodàney ankehitriny”. Tanora avy amin'ny oniversite manerana an'i Sodàna no mifandray sy mifampizara vaovao amin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mba ho ainga sy tetika hametrahana ny andiam-pihetsiketsehana vaovao enti-manohitra ny governemanta Omar al-Bashir. Ny fanentanana tao amin'ny Facebook izay nitarika ireo tanora mpianatra...

Côte d’Ivoire : Horohoro ao Abidjan.

  21 Marsa 2011

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana nataon'ny Global Voices tamin'ireo zava-nitranga tao Côte d'Ivoire taona 2011 (amin'ny teny malagasy; misy amin'ny teny frantsay koa ny ankamaroan'ny lahatsoratra) Niaina ireo herisetra nisesisesy  alohan'ny nisian'ny ady anaty akata izay niainany nandritra ny andro vitsivitsy i Abidjan, fanafihana ireo fonenan'olo-tsotra izay fahavalo politikan'i Laurent...

Senegal: 19 Martsa, Andron'ny Hetsika

  19 Marsa 2011

Mitsoka manerana an'i Maghreb sy Atsinanana Afovoany ny rivotry ny fikomiana. Maneho ny tsy fifaliana amin'ireo firiorion'ny governemantany ny mpanohitra. Voafidy ho daty hanaovana ireo fihetsiketsehina ao amin'ny firenena ny 19 Martsa 2011.

Nizeria: Tetikasa “Mitsangàna Naija 2011″ [StandUp Naija]

  17 Marsa 2011

Amin'ny 9 aprily 2011 ny fifidianana Filoha Nizeriana. Inona no antenain'ny mpifidy Nizeriana? Karazana horonan-tsarimihetsika manana ny lanjany tokoa ny Mitsangàna Naija izay manasongadina ny hetahetan’ ny ankamaroan'ny Nizeriana salantsalany sy ny tokony asongadin'ny tontolo politika hatolony amin'ny fifidianana  2011. Tetikasa nataon'ny The Nigeria Leadership Initiative (NLI)  ny StandUp Naija. Asa: Fampianarana: Herinaratra:...

Côte d'Ivoire: Nankaiza ny Jeneraly Philippe Mangou ?

  17 Marsa 2011

Nafana ny andro Alatsinainy 14 martsa tao Côte d'Ivoire ary koa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter. Any Abidjan, taorian'ny herisetra tao amin'ny faritra Abobo tamin'ity herinandro ity, taitra tamin'ny torimasony ny Ivoarinina noho ny tifitra kalachnikov sy  fitaovampiadina lehibe tao amin'ny faritra  Yopougon, mandatehezan'i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha...

Côte d'Ivoire: Facebook sy Twitter, Mpitondra ny hafatr’ Ifahafatesana

  16 Marsa 2011

Niharatsy haingana dia haingana [fr]ny toe-draharaha politika any Cote d'Ivoire ifanandrinan'ny mpitarika roa tonta, Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara – samy milaza ho nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny Desambra. Raha hita mbola sahirana mifantoka amina krizy mihoatra ny iray ny haino aman-jery iraisampirenena amin'ity tadio politika any amin'ny faritra Afovoany...

Fizaran-doka no manamarika ny andron'ny vehivavy erantany ao Ganà

  16 Marsa 2011

Isan-taona manerana izao tontolo izao no  ankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 8 martsa. Hetsika an-jatony no hita tsy tamin'io andro io ihany fa nandritra ny volana martsa mba hanamarihana ny zavabitan'ny vehivavy teo amin'ny sehatra ara-toe-karena, politika ary sosialy. Tsy namela io andro io handalo fotsiny i Ganà sy...