Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2010
Soudan: Inona no azo tsoahina tamin'ny fifidianana?
Nifarana tamin'ny 15 aprily lasa teo ny fifidianana tany Soudan, kanefa, na dia mifarana aza izany dia mbola resabe ny fangaraharana sy maha azo antoka azy eo amin'ireo mpanao politika sy ireo mpanara-maso iraisam-pirenena ary ireo olom-pirenena tsotra ao anatiny sy ivelan'i Soudan. Andeha hojerena ny hevitry ny iraisam-pirenena mikasika...
Afrika Atsimo: Firohotana mividy tapakila nony manakaiky ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany 2010
Nanamarika ny andro voalohan'ny fivarotana ny tapakilan'ny Amboara erantanin'ny FIFA any Afrika Atsimo ny fikorontanana ary nisy mpankafy iray mihitsy aza maty. Mihoatran'ny tapakila 500,000 no efa lafo tany amin'ireo mpivarotra mpanijara tao an-toerana
Soudan: web ampiasaina hampadio fifidianana, fahamarinana ary ny demokrasia
Eo am-piandrasana ny vokatra farany tamin'ny fifidianana manan-tantara tany Soudan isika dia andeha hojerena ny fandaminana sy ireo hetsika hita any amin'ny web nampanjakana ny fahamarinana, ny fahafahana sy ny demokrasia any Soudan. Sudan Sham Elections 2010 no tambajotra anankiray manohana ny fandriam-pahalemana maharitra any Soudan. Hoy ity tambajotra ity,...
Madagasikara: Fanonganam-panjakana misesisesy rehefa mihamanakaiky ny fifampiraharahana
Taorian'ny fanesorana tamin'ny toerany ny minisitry ny foloalindahy tamin'ny 7 Avril noho ny fiampangana azy ho nikasa hanongam-panjakana, manontany i Achille52 hoe inona indray ny dikan'ity filazana ho nisiana fanonganam-panjakana hafa ny andron'ny 18 avrily ity sy ny fisamborana maro nanaraka azy (fr). Ny mampiahiahy azy indrindra dia ny fotoana fisian'ny...
Rwanda: nampiato gazety
Nametraka rohy amina tantara vitsivitsy mahaliana avy any RD Kôngô i Jason : “* Nampiato gazety roa mpitsikera tsy hivoaka mandritra ny enim-bolana i Rwanda, izany hoe tsy afa-mitatitra ny fizotran'ny fampielezan-kevitra ireo – Tsy faly i Texas in Africa. * Resadresaka tsara dia tsara nifanaovana tamin'ny mpikamabana ao amin'ny Akademia...
Afrika Atsimo: Ilay vehivavy nandany 7 volana tany amin'ny fonja natao ho an'ny lehilahy
Talohan'ny namotsorana azy noho ny fikasàna hangalatra sy hàka an-keriny tany Afrika Atsimo, notànana tamina fonjan-dehilahy nandritry ny fito volana i Denise Abbah mandra-piandry ny fitsarana azy. Noheverin'ireo mpandraharaha ny fonja ho irony sarimbavy irony izy. Ankehitriny dia mitaky ny rariny i Ramatoa Abbah ka nitory ny Departemantan'ny Sampana Famaizana...