Tantara mikasika ny Afrika Mainty
Ny asan'ny mpiaro ny tontolo iainana hihazonana ny anjara asan'ny natiora amin'ny fananganam-pandriampahalemana ao Ogandà avaratra
"... maika ny fanavaozana ny fomba ampidirana ny hasarobidin'ny zavaboary amin'ny politikam-pananganam-pandriampahalemana sy ny fampandrosoana misy amin'izao fotoana ao Ogandà."
Ny anjara asan'ny fiteny amin'ny fampaharetana ny herisetra ara-nofo ao Ogandà
Marobe ireo fombandrazana sy voambonana miorim-pàka lalina any anaty kolontsaina ary ampiasaina ao amin'ny firenana no mandray anjara ankolaka amin'ireo fitantaràna mampaharitra ny herisetra ara-nofo sy manavakava-behivavy
An'ny voambolana ny fitenena:Fizaràna #12
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: ny 'Jom' amin'ny fiteny wolof, bitos amin'ny fiteny frantsay tôgôley ary ny fampiasàn'ny Japôney ny グルメ (hanim-py).
Adihevitra an-tserasera ataon'ireo Ghaneàna momba ny zon'ny zazavavy iray 16 taona nampanambadiana lahiantitra 63 taona, pretra nentim-paharazana
Navoitran'ny angondrakitra fa manerana izao tontolo izao, isa-minitra dia ankizivavy miisa 23 no ampanambadiana, ankizivavy iray isaky ny roa segondra. Ao Ghana, manodidina ny ampahadimin'iero ankizivavy no alefa manambady alohan'ny faha-18 taonany
Ny momba an'i Bassirou Diomaye Faye, filoham-panjakana tanora indrindra tao Sénégal
Voafidy ho filohampirenena taorian'ny fifidianana tamin'ny 24 Martsa 2024, Bassirou Diomaye Faye, 44 taona, no lasa ho ny tanora indrindra nandray ny toerana maha-filohampirenena teo amin'ny tantaran'i Sénégal
Maneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny mpanohitra Agbéyomé Kodjo tany an-tsesitany ny Togoley
Lasa toerana mahazatra hiafaran'ny fiainan'ny mpanohitra ny fitondrana Togoley ny sesitany. Agbéyomé Kodjo no farany teo, izay maty tamin'ny 3 martsa 2024 tany Ghana.
Manao ahoana ny toeran'ny fiteny Frantsay eo anivon'ny fiarahamonina Togoley?
Nandray ny teny frantsay ho fiteny ofisialy i Togo tamin'ny taona 1960, zava-misy voarakitra ao amin'ny lalàmpanorenana. Fa manao ahoana ny toeran'io fiteny io ao anatin'ny tontolon'ny fiteny maro?
Tchad zaratany literera: antsafa nifanaovana tamin'i Nétonon Noël Ndjékéry, mpanoratra tantara amin'ny teny frantsay
Firenena Saheliana ary mampitohy an'i Afrika Avaratra sy Afrika Afovoany, mahalana no resahina amin'ny fampitam-baovao ho toy ny zaratany literera i Tchad. Mba hamenoana izany, nitafatafa tamin'ny mpanoratra Nétonon Noël Ndjékéry, iray amin'ireo solontenan'ny literatiora Tshadianina miteny frantsay fanta-daza ny Global Voices.
Tsy miaro ny mpanao gazety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any Tchad
Roa volana latsaka mialoha fifidianana filoham-pirenena amin'ny 6 Mey 2024 any Tchad, tsy mitsahatra manenika ny mpanao gazety ao an-toerana ny fandrahonana ho faty.
‘Game changer’: Onjampeo Kenyana mamelona indray ny fiteny teratany ambavahaonan'ny fahafatesana
Ny onjam-peo, Sogoot, izay amin'ny teny indizeny hoe Ogiek dia midika hoe 'ravina', mandeha amin'ny Ogiek manomboka amin'ny 6:00 maraina ka hatramin'ny 11:00 alina. isan'andro, manabe sy manome tari-dalana ho an'olona an'arivony eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.