Global Voices teny Malagasy » Sri Lanka
Sri Lanka : Mbola mifikitra ny fahakiviana, ny fangidiam-panahy ary ny fanosihosena
Andro vitsivitsy lasa izay no nifarana niaraka tamin'ny famonoana ny mpitarika ny LTTE Velupillai Prabhakaran ny ady an-trano naharitra 25 taona nifanaovan'ny  governemanta Srilankey tamin'ny Tigra  Mpanafaka an'i Tamoul Eelam (LTTE). Mampanontany tena ihany na dia izany aza hoe “Ho faty miaraka aminy ihany koa ve ny nofinofin'ny tamouls hanana firenena manokana tsy misy fanavakavahana?” Na dia ambara ho mpamono vahoaka sy mpampihorohoro aza manko i Prabhakaran dia maro kosa ny manandratra azy mpiady ho amin'ny fahafahany ary ny sasany aza moa dia mandà ny fahafatesany hatrany. Maro ny petra-kevitra miposaka manao izay hampisalasalàna ny fahafatesan'i Prabhakaran ary ny sasany aza dia manambotra sary amin'ny Photoshop mihitsy hanaoporofoana fa mbola velona izy.
Heniky ny fanadihadiana sy ny mifanohitra amin'ny fanadihadian'ny hafa ny tontolom-bolongana Srilankey misara-kevitra.
Na dia nahomby aza ny governemanta Srilankey tamin'ny famaranana ny ady nifanaovana tamin'ny fiokoan'ny LTTE, dia mampiady hevitra sy nahazoana tsikera maro kosa ny fomba nanaovany azy. In Mutiny ohatra namoaka lahatsoratra avy amin'ny Time izay mandahatra ny paikan'i Rajapakse namaliana ny fiokoana.
Serendipity indray nitsikeera ny fampahalalam-baovao tandrefana tsy nampiseho ny fahafalian'ny Srilankey maro sy nankalaza fandrenesana ny vaovaon'ny fiafaran'ity ady mangidy ity. Ampangain'ny mpamaham-bolongana ny fampahalalam-baovao tandrefana nanasongadina izay manaitaitra fotsiny amin'izay soratany ka manentana ny tontolom-bolongana Srilankey izy hampifandanja kokoa amin'ny alalan'ny feony izao fitongilanana izao.
Hamaliana ny vaovao  andrenesana ny vondrona Eoropeana mitady ny hananganana tribonaly hanadihady ny fahafatesan'olo-tsotra nataon'ny miaramila Srilankey sy ny LTTE moa dia nihantsy izao tontolo izao ny The Whackster's Lair ho avy any Sri Lanka hahita imaso mivantana izany lazaina fa famonoan'olona izany. Na izany aza dia misy ihany tsitaitaikana mpitolona Tamouls nalaina an-keriny taterin'ny haino aman-jery.
Ho fitsikerana ny fandrarana ny mpanao gazety vahiny sy mpamonjy voina dia nosoratan'ilay mpanao gazety malaza John Pilger fa tsy voarain'izao tontolo izao intsony ny fitarainan'ny Tamouls ary re mihitsy ny feon'ireo Tamouls an-tany lavitra. Teo ho eo moa dia tsikaritray fa nihalefy ny feon'ny mpanohana ny Tamouls noho ny fampitahorana sy ny tahotra.
Sujai ao amin'ny Desicritics dia tsy mpanohana ny LTTE fa manohana ny hetahetan'ny Tamoul SriLankey hanangana firenena manokana ao amin'ny nosy ary manontany hoe:
“Can we ignore the history of how Tamils were targeted, discriminated, and marginalized in Sri Lanka? Does Sri Lanka have a prior record which suggests they are going welcome Tamils participation in that country? Can a Tamil become President of Sri Lanka the way a Sikh can become Prime Minister of India?”
Odiantsika tsy hita ve ny tantaran'ny nanondrotondroana, ny nanavakavahana,  ary nanilikilihana ny  Tamouls teto  Sri Lanka? Moa ve hataon'i Sri Lanka ho laharam-pahamehana ny fandraisana anjaran'ny Tamouls eo amin'ny sehatry ny firenena? Moa mety mba ho filohan'i Sri Lanka ve ny Tamoul iray tahaka ny fisiana Sikh azo atao praiminisitr'i India?
Fihetsiketseham-panoherana Tamoul any Londres, sary Flickr avy amin'i danie, fahazoan-dalana CC license
Musings from Toronto no manontany ny fahohanan'ny Diaspora ny LTTE:
I don't understand why they support the LTTE. [..] I don't understand how they claim the LTTE is any better than the government of Sri Lanka.
Tsy azoko mihitsy ny antony hahohanany ny LTTE.[..] Tsy azoko ny itabatabany fa aleony ny LTTE toy izay ny governemantan'i Sri Lanka.
Saingy diso kosa ny eritreritra fa manohana ny LTTE avokoa ny Tamouls rehetra. Amardeep ao amin'ny Sepia Mutiny ohatra namoaka lahatsarin'ny mpanao gazety Tamoul Kanadiana Ignatius Sellah miresaka ny fomba fijeriny hafa ao amin'ny CBC, ilazany fa nahetsiketsiky ny sampan'ny LTTE any Kanadà ity hetsikesika fanoherana ataon'ny Tamoul any Kanadà ity.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/BFRtPZ1K9Ps&rel=0&color1=0x5d1719&color2=0xcd311b&hl=en&feature=player_embedded&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/BFRtPZ1K9Ps&rel=0&color1=0x5d1719&color2=0xcd311b&hl=en&feature=player_embedded&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ampiasain'ny LTTE tafahoatra ny teny tahaka ny “Genocide” (fandripaham-bahoaka) izay lasa manakona ny tena olana. Nilanjana ao amin'ny Sepia Mutiny no mitsonga ny fanosihosena ny zon'olombelona ataon'ny roa tonta dia ny Governemanta SriLankey sy ny LTTE ka nanoratra hoe:
Terms like “genocide” (and “terrorism,” for that matter) raise our blood pressure and focus our attention on those who have committed violence, but they don’t even begin to address how minorities can be more effectively represented and fairly treated in the future.
Mampiakatra ny tosi-dràntsika sy mampifantoka antsika hitodika any amin'izay manao herisetra ny fandrenesana ny teny hoe “genocide” (fandripaham-bahoaka) (sy ny teny hoe “fampihorohoroana” ihany koa
dieny eto isika), nefa dia tsy mbola nilaza na inona na inona akory ry zareo ny amin'ny fitantanana tsy miangatra sy fampakaran-toerana ny vitsy an'isa amin'ny ho avy.
Indrajit Samarajiva ao amin'ny Indi.ca indray miteny amin'ny Sri Lankey ampielezana:
It is not enough to lobby the UN or the ‘international community’ or the consciences of the fashionable thinkers of the global elite. [..]
To change Sri Lanka you need to reach the kid in the IDP camp, you need to work with the police office in Hambantota. You need to chat with the Muslims in Galle and the tea pluckers in Nuwara Eliya. [..]
Sri Lanka still needs its bright children to come home.
Tsy ampy ny fanerena ny Firenena Mikambana na ny ‘fiaraha-monina iraisam-pirenena' na ny manampahaizana manerantany manandaza amin'izao fotoana izao.[..]Mila mamonjy ireo ankizy any amin'ny tobin'ny mpialokaloka, mila miara-miasa amin'ny polisy any Hambantota raha te-hanova an'i Sri Lanka. Mila miresadresaka amin'ireo Silamo any Galle sy ireo mpitsongo ravin-dite any Nuwara Eliya.
Mila ny zanany mamirapiratra hankany an-taindrazana i Sri Lanka.
Gaga amin'ny “fihetsiketsehan'ny tanora avy amin'ny diaspora Tamoul manerantany hanoherana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Srilankey” i Gunaratne ao amin'ny Groundviews nefa moa ve ny laharam-pahamehana tsy ny hamaranana hatreo ny ranomodin'ny fankahalana?
Maybe once the conflict is over, they will come back to Sri Lanka to rebuild the country together. However, there is long way to go for reconciliation between the two communities as so much hatred has manifested, especially amongst the Diaspora overseas.
Angamba hody hiara-hanangana an'i Sri Lanka indray ry zareo amin'izao fahataperan'ny ady izao. Na izany aza dia mbola lavitra ny lalana mankamin'ny fampihavanana ny foko roa tonta fa efa mibaribary ny fahnkahalana, indrindra moa fa eo amin'ireo izay any am-pielezana.
Ny toro-hevitr'i Appu's amin'ny Tamoul dia dia ny mba manandrana manao zavatra hafa indray:
Invest in your people, your lands, your future. You work wonders for your employers in other parts of the World, now do it for yourselves.
To do that however, you need to walk away from the bitterness that you are entitled to feel.
Mampiasà vola any amin'ny vahoakanao, any amin'ny taninao, amin'ny ho avinao. Mahafaly ny mpampiasa any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao ny asanay, ankehitriny miasà ho an'ny tenanao.Raha hanao izany kosa anefa dia mila miala amin'ny fangidiam-panahy izay asandratrao ho tsapanao ianao.
Saingy ahoana moa ny hanifihana ny fangidiam-panahy sy ny fahakiviana raha mbola mitohy ihany ny tatitra isian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona? Araka ny tatitra farany dia atao an-keriny ny vehivavy ary “nanjavona”ny lehilahy any amin'ny tobin'ny mpifindra monina Srilankey ary voarara tsy mahazo miditra any ny vokovoko mena. Efa manombokamipoitra ihany koa ny valifatin'ny Tamouls. Noho izany mbola mitoetra amin'ireo Tamouls ampielezana ihany ny fahakiviana sy ny tahotra. mampanahy dia mampanahy tokoa ny ho avin'ireo mpialokaloka any amin'ny toby. Aoka ho fantatr'izao tontolo izao ny toe-draharaha handraisany fanapahan-kevitra hampitsaharana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary izorana kosa amin'ny karazana fampihavanana.
Rezwan
Sri Lanka: Samy simba izany e!
Portrait no mitatitra ny fanimbana ny ala amina kilaometatra maromaro any Sri Lanka izay notapatapahina, nodorana, nohosihosena sy nentin'ny bulldozer fa nolamahina anjatony metatra ny andaniny sy ny ankilan'ny lalana ho fepetra noraisin'ny tafika hisorohana ny fanafihan'ny Tigra Tamolona miafina ao anaty ala ao.
Sri Lanka: Atsaharo ny fanenjehana mpanao gazety
International Federation of Journalists (IFJ) Federasiona Iraisam-pirenen’ny Mpanao gazety, fikambanana iray milofo amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny zo sy fahalalahan’ny mpanao gazety dia miantso mba hanaovana ny 10 Aprily ho Andro Iraisam-be, ampitondraina ny teny faneva hoe “Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Sri Lanka“.
IFJ dia miantso ireo sakaizany sy mpiara-miasa aminy rehetra hiara-hientana amin’izany Andro iraisam-be izany amin’ny alalan’ny :
• fandefasanareo taratasy fanoherana any amin’ny Filoha Rajapaksa rehefa avy nampandalovina tamin’ny Ambasady Sri-Lanke ao an-toerana
• fandefasanareo ny taratasy fangataham-panohanana any amin’ny governemantanareo
• fametrahana ny hoe ‘Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Srilanka’ amin’ny tranonkalanareo, amin’ny famoriam-bahoaka, na fampisehoana mivelatra ho an’ny daholobe ary anaty gazety samihafa amin’izay fotoana rehetra azo anaovana izany
“Iray ihany amin’ireo ezaka rehetra atao momba ny fanentanana ‘Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety’ ho an’i Sri-Lanka ity, izay mizotra sahady mankany amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fahalalahan’ny Fanaovan-gazety ny 3 May ary koa ny famoahana ny Tatitra isan-taonan’ny IFJ momba ny fahalalahan’ny gazety amin’ny faritra atsimon’i Azia ho an’ny taona 2007-2008” hoy ny IFJ.
Ny fanarahana ny tati-baovao sy ireo rohy samihafa dia maneho an-tsary antsipirihany ny zava-misy ao Sri-Lanka. Mety ho ity no tatitra mpampahalala vaovao lohalaharana, manolotra fijery midadasika be hoe nahoana i Sri-Lanka no toerana mitera-doza (tany fady) ho an’ny asan’ny mpanao gazety.
Human Rights Watch milaza hoe :
Ny governemanta Sri-Lanke no tompon’antoka amin’ireo fakana an-keriny sy fanjavonana mihanaka lasa olan’ny firenena manontolo, hoy ny Human Rights Watch tanatin’ny tatitra vaovao navoakany androany. Human Rights Watch dia niangavy mafy ny governemanta mba hamoaka (hilaza) momba ireo ‘nanjavona’, hampitsahatra avy hatrany ity fomba ity, sy hihazona ireo tompon’andraikitra voakasik’izany ….
… Ilay tatitra 241 pejy, “Recurring Nightmare: State Responsibility for ‘Disappearances’ and Abductions in Sri Lanka,” (Nofiratsy miverina : Fanjakana tompon’andraikitra amin’ny fanjavonana sy fakana an-keriny ao Sri Lanka), mitondra fanadihadiana 99 amin’ireo tranga an-jatony maro notaterina, ary mandalina ireo valintenin’ny governemanta Srilankey izay hatramin’izao dia azo lazaina ho boraingina tsy mahafa-po. Tany amin’ny 2006 sy 2007, ireo Vondron’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanjavonana an-terisetra sy tsy an-tsitra-po dia nahamarika tranga-na fanjavonana maro be tao Sri Lanka raha oharina amin’ny firenena hafa maneran-tany.
Morning Star: dia manana tatitra momba ireo mpanao gazety voafonja. Transcurrents mitatitra fa ny Vondrona mpiaro ny zon’ny mpampahalala vaovao eto Sri Lanka dia manahy ny amin’ity fisamborana mpanao gazety manao tohivakana ity.
Ny isan’ny mpanao gazety voasambotra; mpanao gazety iray no votsotra rehefa avy niatrika fanontaniana hoy Free Media Movement, Sri Lanka, izay sampana iray amin’ny IJF. Reporters Without Borders (mpitatitra vaovao tsy voafetran’ny toerana) dia nihetsika tamin’ny alalan’ny fanehoany ny ahiahiny momba ireo mpanao gazety Tamoul dimy nosamborin’ny polisy mpiady amin’ny mpampihorohoro tao Colombo. Uthawi.net, fikambanana Alemana tsy mikendry tombon-tsoa iray, ka isan’ny mpandray anjara aminy i Jasikaran, mpanao gazety iray mpampita an-tsitrapo dia namoaka communiqué de presse iray koa. Thiru, mpitoraka blaogy avy any Belzika dia manainga antsika handefa antso any amin’ny OHCHR-UNOG, Amnistie Internationale, ny Filoha Sri-Lanke koa, amin’ny anaran’ireo kamboty marobe mijaly. ICT4Peace dia manao fampitahana amin’ny sivana misy any Iran sy Sri Lanka, izay mitondra fanontaniana ao an-tsaina – raha tandindomin-doza ny mpanao gazety, ho tratr’izany koa ve ny mpitoraka blaogy?
TamilNet nitatitra fa ny asan’ny governemanta dia sady tsy mangarahara velively no tsy mizotra amin’ny foto-pisainana mba hisian’ny fampahalalam-baovao malalaka, ary angamba koa aza maneho taratra ny asan’ny governemanta manohitohina ireo vondron’olona vitsy an’isa.
Omaly maraina, I. Shivalingam, mpanao gazetin’ny TamilNet avy ao Wattala, dia nandray ny fiaran-dalamby vao maraina mba hamonjy ny toeram-piasan’ny TamilNet ao Colombo. Kanefa, sady tsy tonga nanao ny asany izy, tsy nisy nahita na nandre hatramin’ny nialany ny tranony. Ny fanadihadian’ny TamilNet no nahalalana fa nisy fiara (fourgon) fotsy niandry teny amin’ny manodidina ny Fort Railway Station tamin’io ora tokony ho naha teo an’i I. Shivalingam io . Mbola ny fanadihadian’ny TamilNet ihany koa no nahitana fa Ranjini, mpifanolo-bodirindrina iray amin’i Shivalingam, dia nanjavona koa tamin’io andro io ary tamin’ny fomba mampiahiahy.
ramblinglankan mitoraka blaogy amin'ny teny Sinhala any Sri Lanka ary manontany tena raha misy antony izany.