· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Sri Lanka tamin'ny Marsa, 2012

Sri Lanka: Fihetseham-Po Tamin'ny Fanapahan-Kevitr'i Etazonia Tao Amin'ny UNHRC

  26 Marsa 2012

Tamin'ny 22 Marsa 2012, firenena 24 no nifidy ny tolo-kevitr'i Etazonia tao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona nandritra ny fivoriana miresaka momba an'i Sri Lanka ary mandrisika ny fitondrana hametraka ny hafatra avy amin'ny Lessons Learned and Reconciliation Commission (LLRC) [Vaomieran'ny Lesona Nianarana sy ny Fampihavanana] sy hanao famotorana amin'ny fomba azo itokisana ihany koa ny fisian'ny lazaina fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ,nitranga nandritra ny ady an-trano naharitra dia naharitra nifanaovana tamin'ny LTTE misy ny Tigra Tamola mpitaky ny fizakan-tena.

Sri Lanka : Famoretana Ny Hetsi-panoherana Noho Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Amin'ny Anaran'ny Filaminam-Bahoaka

  08 Marsa 2012

Mikorosofahana ny toekaren'i Sri Lanka ankehitriny, miakatra ny vidim-piainana sy ny hetra ka miteraka hetsi-panoherana marobe izany. Nandray fepetra feno herisetra ny polisy sy ny tafika hamoretana ireo mpanao fihetsiketsehana, ka marobe ireo namoy ny ainy tao anatin'izay volana maromaro lasa izay. Ratmale tao amin'ny bilaogy Serendipity nanazava hoe : Ao anatin'ny fotoan-tsarotra...