· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Aogositra, 2009

Pakistan: ny “Mouvement Go Green” na ny hetsika alefa ry maitso

  07 Aogositra 2009

Manana namana pakistanais ao amin'ny facebook na ao amin'ny twitter ve ianao? Raha eny, mazava ho azy fa misy ny sariny eo amin'ny fidirana ary ny sarin'ny sainam-pirenena pakistanais no rindrina ao aoriany. Izany dia vokatry ny “Mouvement Go Green” notarihan”i Farhan Masood sy ireo namany mpilatsaka an-tsitrapo manerana an'i...

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

  04 Aogositra 2009

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.

Pakistan: Niverina ny rariny?

  03 Aogositra 2009

Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana.