GlobalVoices anaty

Pakistana

Tahiry Firenena · 96 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Pakistana

21/05/2013

Filatroana Pakistaney Iray ‘Avia ho Andevoko’ Voakilasy Ho ‘Mpanavakava-Bolonkoditra’

Tohin'ny lahatsoratra

Nitarika fahatezerana manerana ny firenena ireo andian-tsary amin'ny boky novokarin'ilay tanora mpamorona lamaody ao Pakistana noho ny fisian'ny sarin'ankizy manana hoditra matroka manompo mpilatro mazava hoditra. Novokarin'i Aamna Aqeel ireo karazan'akanjo...

18/05/2013

Fiambenan'ny Media Sosialy Ny Fifidianana Manan-tantara Ao Pakistana…

Tohin'ny lahatsoratra

Satria miha-manantona ny tetezamitany demokratika voalohany eo amin'ny fitondràna i Pakistana miaraka amin'ireo fifidianana manan-tantara ho an'ny firenena afaka andro maromaro, amporisihan'ireo media sosialy ny vahoaka Pakistane mba handray anjara mavitrika amin'ny fifidianana.

27/04/2013

Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis

Tohin'ny lahatsoratra

Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry...

17/04/2013

Video Lahatsoratra
Topimaso Mivantana Tsy Fahita Firy Amin'ny Indostrian-damaody Pakistane Vao Mivoatra

Tohin'ny lahatsoratra

Raha tsy dia mahaliana ny firenen-kafa izany, manana anjara toerana lehibe kosa ny lamaody amin'ny fiainana Pakistane. Halefa mivantana amin'ny aterineto ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistàna ny 9-10 Aprily, avy any Karachi ka hitondra endrika vaovao amin'ny indostria vao misandratra sy efa matianina izay mampiseho fa tsy henjana na mpiaro ny nentin-drazana araka ny eritreretin'ny maro ireo fepetra ara-kolotsaina any Pakistana..

02/04/2013

Pakistana: Ny Fanentanana “Access Is My Right” (Zoko Ny Miditra)

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny ONG Pakistane Bytesforall mpiaro ny zo amin'ny aterineto dia nanomboka fanentanana ety anaty aterinto mikasika ny fitantavànana sy ny sivana ety anaty aterineto. Ilay fanentanana, antsoina hoe "Access Is My Right," dia mikendry ny hanaitra ny sain'ireo mpampiasa aterineto mikasika ny politika sy ny fomba fampiasa izay mametraka teritery amin'ny zo haneho hevitra malalaka ety anaty aterineto

17/03/2013

Maty Nisy Namono i Parveen Rehman, Very Anjely Mpiambina Ny Ambanitanàna Lehibe Indrindra Ao Pakistana

Tohin'ny lahatsoratra

Parveen Rehman, mpiasa sosialy mitàna ny laharana voalohany ao Pakistana, dia maty notifirin'olona tsy fantatra tany Orangi ilay heverina ho Ambanitanàna lehibe indrindra ao Karachi toerana niasàny nandritra ny taompolo telo. Nanaraka fiofanana momba ny tao-trano, tsy nitandro hasasarana ihany koa i Parveen niasa nanangona rakitra mikasika ireo tany ao an-tanàna tsy mitsaha-mitombo ao Karachi, mba hiarovana azy amin'ny mafia mpangala-tany, izay efa an-taonany maro no naharaisany fandrahonana ho faty.

14/03/2013

Video Lahatsoratra
Andian'Olona Tezitra ao Pakistan Mandoro ny Tanàna Kristiana Manodidina Azy Ireo Ao

Tohin'ny lahatsoratra

Noho ny Fiampangana ho nanao fitenenan-dratsy ara-pivavahana, dia nisy andiana miozolomana 3000 nandoro trano 100 tany Joseph Colony, tanàna kristiana an-tsisitsisiny lehibe iray ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Pakistan dia i Lahore, tamin'ny Asabotsy 9 Marsa 2013.

20/02/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy

Tohin'ny lahatsoratra

Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona amanarivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-fihetsika mirindra, hetsika artistika sy maro hafa.

15/01/2013

Sary Lahatsoratra
“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana

Tohin'ny lahatsoratra

Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena

10/01/2013

Voasakana, Nalàna Sakana Ary Voasakana Indray ny YouTube Tany Pakistana

Tohin'ny lahatsoratra

Taorian'ny telo volana nanakanan'ny governemanta ny YouTube, afaka niditra tao amin'ilay vohikala fizarana lahatsary ihany ireo Pakistaney ny 29 Desambra 2012. Nefa fohy ihany anefa ny faharetan'izany fitoniana izany.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny