2008-12-17
Nepal: Tsaho momba ny zom-pirenen'ilay mpampihorohoro sisa velona tany Bombay (Mumbai)
Mandeha dia mandeha amin'ny aterineto ankehitriny ny tsaho manodidina ny fihavian'ilay mpampihorohoro sisa velona tamin'ny fanafihana an'i Bombay dia i Ajmal Amir Kasab izany. Tamin'ity indray mitoraka ity izany dia miara-dalana amin'ny anaran'i India sy Pakistan ity ny firenen'i Nepal.
Tamin'ny 15 Desambra dia nilaza ny mpahay lalàna Pakistaney C M ...
2008-12-04
Andro manerantany ho an'ny sembana tany Azia Atsimo
Marihana manerantany ho andro iadiana amin'ny SIDA ny 1 Desambra ary dia dradradradraina fatratra ho fantatry ny rehetra izany. Tsy mba tahaka ny fijerin'izao tontolo izao ny andro iadiana amin'ny SIDA, fa saiky tsy hita tabilao amin'ny fampahalalam-baovao manerana izao tontolo izao ny andro manerantany ho an'ny sembana. Marihina isaky ny 3 desambra isan-taona ny andro fanajana ny fandraisana anjara birikin'ny manana fahasembanan'ny vatana na ny saina ho an'ity tontolo iainantsika ity.
2008-11-28
Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai
Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.
India: Ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Mumbai
Hita taratra mazava any amin'ny tontolon'ny bolongana ny hatezerana mihatra amin'ny fantsom-baovao amin'ny fomba fitantarany ny fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Mumbai. Ho an'ny sasany, dia naka ny paikan'ny “shock and shake” na “mandona sy manontsana” ny mpitati-baovao be mpanaraka izay mifanohitra amin'ny manamarina ny fisian'ny vaovao vao manambara ny fisiany. ...
Mumbai: May ny Taj Hotel
Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra mandriaka, ny diantsaoka [fanaon'ny polisy amaritana ny paozin'ny olona niharandoza na tavela] ka hatramin'ny fahamaizan'ny Taj Hotel. Azonao jerena ato ...
2008-07-26
India: Ireo fipoahana baomba erak'i Bangalore
Bangalore, renivohitry ny fanjakana ao Karnataka, dia lasibatry ny fampihorohoroana tamin’ny alàlan’ny baomba ora vitsy lasa izay. Ny vaovao ampela-tànana dia manambara fipoahana baomba fito tamin’ny faritra samihafa tao an-toerana, tanatin’ny elanelam-potoana roambinifolo minitra. Tsy dia nahery vaika loatra ireo baomba ary irony karazana zelatina (gélatine en baton) irony no ...
2008-07-09
India : Taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy, iva indrindra hatrizay hatrizay
Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no manapariaka ao amin'ny Natifnatal ny tatitra nataon'ny ActionAid, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG, NGO] avy any Angletera, izay mampiharihary fa latsaka amin'izay iva indrindra hatrizay hatrizay ny taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy any India ankehitriny :
Dans ce pays où tout le monde veut ...
India : Mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy voaroaka nohon'ny lanjan'izy ireo diso tafahoatra
Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no mitatitra ao amin'ny Natifnatal ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo any India izay manome rariny ny fanapahan-kevitry ny orinasam-pitaterana an'habakabaka Air India ny handroaka mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy ["hôtesses de l’air" sy "stewards"] nohon'ny hataviny be loatra :
la haute cour de ...
2008-05-22
India : Ny boky masina Kôran sy ny tafika Amerikana
Indian Muslims Blog [Blaogin'ny Silamo any India] no mitatitra ny nanaovan' ireto miaramila Amerikana ny boky masina Kôran ho ivon-kendrin'ny tifitra bala any Iraka :
On May 9, 2008 American soldiers were practicing target shooting in the police station of Radhwaniya on the western outskirts of Baghdad. They had clearly marked the ...
2008-03-30
Mipariaka toy ny alondrano ireo lahatsary mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano
Rano tony [Zen Water] sary nindramina tany amin'i darkpatator
Nanomboka tamin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana mikasika ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana izay notanterahina tany Rio-de-Janeiro tamin'ny taona 1992, dia tapaka fa hankalazaina isan-taona, isaky ny faha-22 Martsa ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano [World Water Day | Journée Mondiale de l’eau]. Ho ...




