Tantara mikasika ny India tamin'ny Oktobra, 2010
Azia Atsimo: Mifanakalo resaka ny olan'ny rano ireo mpitoraka blaogy
Maro ireo mpitoraka blaogy avy any Azia Atsimo no nandray anjara tamin'ny Blog Action Day 2010, izay nifantoka tamin'ny foto-kevitra "rano". Ndeha hojerena akaiky ny nosoratan'ny sasany amin'izy ireo.
Shina sy Tibet: Demaokrasia an-tsesintany
Misy fahabangana amin'ny endrika maro izany hoe Tibetana an-tsesitany izany: very tanindrazana sy very zo koa ao anatin'izany. Amin'ny lafiny sasany ihany koa anefa dia toy ny fitahiana miova tava ihany izany fahabangana izany. Nihamafy ny fiavaham-pirenena, ny fahalalaham-pitenenana sy ny fampielezana ny fivavahany tsy misy tahotra fanenjehana ary ny fahafaha-mifidy ho an'ny Tibetana mialokaloka any Dharamshala. Tsy mba mizaka ireo rehetra ireo kosa anefa ny Tibetana mbola mitoetra any Tibet entin'ny Shinoa (foko) Han.