Tantara mikasika ny India tamin'ny Jolay, 2010
Inde: Avy amin'ny tora-bato teny an-dalamben'i Kashmir ka hatramin'ny fanoherana ny Facebook
Mangotraky ny fihenjanana sy ny haromontana amin'ireo herim-piarovana Indiana izay nahafaty tanora mpanohitra maromaro , ny Indiana mitantana an'i Kashmir . Natao ny fanakanana ny simaiso (SMS) hanakanana ireo tsaho ary miha-miankina hatrany amin'ireo fitaovan'ny haino aman-jery ara-tsosialy hizaràna ny vaovao sy hitondra ireo fanoherana atao azy ireo ny tanora Kashmiri .
Ankapobe: Mitady lalao hafa ilay orita alemana Paul
Eto ilay orita Paul dia naminany ny fandresen'i Alemaina tamin'ny lalao teo aloha nanoloana an'i Arzantina. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ka ao anatin'izao mondial mampirediredy izao, dia misy orita alemana tanora antsoina hoe Paul izay mitoetra ao anaty dobo fitaratra ao amin'ny SeaLife any Oberhausen, Alemaina nahamarina hatrany ny faminaniany...