Tantara mikasika ny India
Efatra mpitarika fanovàna miady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na vavy ao Afrika sy India
Ny "Intimate partner violence (IPV)" sy ny "non-partner sexual violence(NPSV)", ireo no endrika roa be mpahafantatra amin'ny herisetra iainan'ny vehivavy.
Fanapahankevitra manan-tantara: Nolavin'ny fitsarana Antampony ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao India
Ny 17 Oktôbra 2023, nisy mpitsara dimy avy amin'ny Fitsarana Antampony ao India nanapaka tsy nisy nitsipaka / nanohitra ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ireo mitovy fananahana. Niteraka ahiahy teny anivon'ireo mpikatroka LGBTQ+ io didim-pitsaràna io
Tsy nanatrika ny Vovonan'ny G20 i Xi Jinping, raisin'India ny toeran'i Shina ho Mpitarika ny Atsimo Ankapobeny
Nilaza i Shina fa mety ny tetikasa IMEC, raha toa ka tsy hivadika ho fitaovana ara-jeopolitika.
Ny fomba fitazonan'ireo mpamorona votoaty amin'ny teny Ho sy Santali ao India hanamafisana ny teny indizeny
Ny fanadihadiana tamin'ny taona 2022 natao tamin'ny teny Ho sy Santali, fiteny indizeny avy any India, no nahitana fa 70,4 isanjaton'ny mpamorona no mampiasa ny findainy mba hamoronana sy hampidirana votoaty, na dia mbola fanamby lehibe aza ny famadihana izany ho vola.
Andrandraina hampiroborobo fizahantany ny hanarenana indray ireo sambo-trano anjato taonany ao amin'ny Farihin'i Dal ao Kashmir
Nankasitrahan'ny rehetra ny fanapahan-kevitry ny governemanta vao haingana hanaisotra ny fandraràna hanavao tanteraka sy famerenana amin'ny laoniny ny ati-tranon'ireo sambo-trano rehetra efa mihoatra ny zato taona nisiana ao Kashmir.
Wikipedia Punjabi 21 taona: Fankalazana ny lahatsoratra 50.000 ary miatrika ny hoavy
Nifarimbona ny vondrom-piarahamonina manontolo hanatontosa Iraka 50.000, antso hihetsehana hanatratra lahatsoratra 50.000, ho fankalazana ny faha-21 taonan'ny Wikipedia Punjabi.
Nandrakitra zava-bita tsara indrindra maneran-tany roa tamin'ny fampisehoana goavana tany India ny dihy Bihu Assam
Tamin'ny 13 Aprily, mpandihy Bihu miisa 11.304 sy mpitendry amponga 2.548 no nivory ho amin'ny fampisehoana Bihu lehibe indrindra tao Guwahati, renivohitry ny Fanjakan'i Assam, Indiana, ary nahazo ny firaketana zava-bita manerantany roa.
Sarimihetsika enina momba ireo vondrom-piarahamonina ao Azia-Pasifika miatrika ny olan'ny toetrandro
Asongadin'ireto sarimihetsika ireto ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina miady amin'ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, sy ny fanaingàny fanahy hanana fanantenana hiatrehana ny olan'ny toetrandro amin'ny alàlan'ny ezaka ataony sy ny firaisankinan-dry zareo
Nahatonga olona an'arivony maro tao amin'ny tanàna indiàna iray ambony havoana ho lasa tsy manan-kialofana ny “filentehan'i Joshimath”
Miatrika fifindran-toerana ny mpinona any Joshimath, tanàna iray ao Himalaya any India, noho ny vesatry ny asan'ny olombelona any amin'ny faritra iray mora itrangan'ny horohoron-tany.
Tsy mahatoky intsony ny antoko BJP ao India ny mpanohana rehefa nampiatoana ny mpitondra teniny
Nesorin'ny antoko Bharatiya Janata Party (BJP) ao India ny mpitondrateniny roa noho ny fanerena avy amin’ny filazana fa fanamarihan’izy ireo momba ny Mpaminany Muhammad, izay nalaza tamin’ny lohatenim-baovao tany India sy tany ivelany.