Tantara misongadina momba ny India
Andro manerantany ho an'ny sembana tany Azia Atsimo
Marihana manerantany ho andro iadiana amin'ny SIDA ny 1 Desambra ary dia dradradradraina fatratra ho fantatry ny rehetra izany. Tsy mba tahaka ny fijerin'izao tontolo izao ny andro iadiana amin'ny SIDA, fa saiky tsy hita tabilao amin'ny fampahalalam-baovao manerana izao tontolo izao ny andro manerantany ho an'ny sembana. Marihina isaky ny 3 desambra isan-taona ny andro fanajana ny fandraisana anjara birikin'ny manana fahasembanan'ny vatana na ny saina ho an'ity tontolo iainantsika ity.
2009-10-28
India: Mpanao gazety mpitoraka bilaogy nanelanelana hanavotana polisy takalon'aina
Tao amin'ny fanjakan'i Bengal andrefana dia nisy ady nifanandrinan'ny mpioko maoista(Naxalites) sy ny miaramilam-pirenena. Noraran'ny fitondrana tamin'ny volana jona lasa teo ny Antoko Komonista Indiana (Maoista), antoko miafina sady tsy manana solontena ao amin'ny antenimiera, noho ny lalàna mandrara ny hetsika tsy manara-dalàna ka nanondroany io antoko io ho ...
2009-05-25
Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna ...
2009-05-24
Tontolo: Arahaba nahatratra ny Fetin'ny Reny!
Felam-boninkazo tany Xela, Guatemala nalain’i Erik++ ao amin’ny Flickr
Raha misy ny zavatra iombonan’ny olombelona rehetra, dia ny hoe samy manana reny daholo isika rehetra. Ary amin’ny faritra maro eran-tany dia fahazàrana ny mankalaza ny renintsika amin’ilay andro miavaka iray: ny Fetin'ny Reny. Na dia miovaova aza ny daty ankalazana azy ...
2009-05-16
Fifidianana Karana Indiana 09 : Niray safidy hanamafy ny fahamarinan-toerana
Ity lahatsoratra ity dia tafiditra ao amin'ny Fitantarana manokan'ny Global Voices ny fifidianan'ny Karana Indiana 2009
Tonga avokoa ny valim-pifidianana avy any amin'ny vazantany efatra any India ary dia mazava fa nisafidy mazava ny governemantan'ny hery afovoany marintoerana, eo ambany fitarihan'ny UPA ao amin'ny Kongresy ity firenena ity. Ho fanindroany ny ...
2009-05-05
Fifidianana Indiana 2009: Andriamanitra sy ny Firenena
Ny fifidianana ataon'ny indiana amin'izao fotoana izao dia nampivoitra fa misy triatra lalim-paka eo amin'ny valaben'ny resa-pinoana no amin'ity firenena ity. Ireo blaogy dia samy nameno ny azy amin'izao zava-mampiahiahy toa marina , toa tsy marina rehetra izao momba ireo fanenjehana ara-pivavahana ao anatina firenena iray izay ahitana mpino marobe ...
2009-05-02
Ny vaikan'ireo olo-malaza mandritry ny fifidiana Indiana
Salman Khan (eo afovoany), mpanakanto avy ao Bollywood, manohana ny kandidà Milind Deora nandritra ny fivondronana tany Mumbai
Sarin'i Al Jazeera English ary nampiasaina teo ambanin'ny creative commons license.
Any India, manana dindo goavana ny mpilalao sy ny mpamokatra sarimihetsika ary noporofoin'i Danny Boyle izany tao amin'ilay sarimihetsika Slumdog Millionaire ...
2009-02-19
India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely
Any amin'ny toerana sasan'i India, mety ho ratsy ho an'ny vehivavy sy ny fiandrianan'ny mpivady ny fankalazana ny fetin'ny mpifankatia (St Valentin), araka ny lalana amin'ny fifehezan-tena dia manapaka fa ho enjehina ireo mpivady sy vehivavy izay mifampitantana na eny amin'ny toeram-pisotroana zava-pisotro.
2009-01-07
Nepal Mihitsoka Anaty Olana Misesisesin'ny Tempoly
2009-01-01







