Tantara mikasika ny Bhutan tamin'ny Avrily, 2011
Bhutan: Ny Pretra no nanjary nidiran'andro voalohany noho ny Didy mandrara ny fihinana paraky
Miankina amin'ny hoe ahoana ny fahitanao azy, pretra Bodista no mpandika lalàna voalohany na ny nidiran'andro voalohany amin'ny Didy mandràra ny fihinana paraky any Bhutan izay nanan-kery nanomboka tamin'ny Janoary 2011,ary nogadraina tamin'ny faran'ny volana Janoary raha izy niezaka niditra ny firenena niaraka tamina fonosana paraky fitsako miisa 72 avy any Inde.
Azia Atsimo: Fanehoan-Kevitra Momba Ny Fandraràna Ny Burqa Ao Frantsa
Ny fandraràna napetraka tsy ela akory izay tao Frantsa momba ny burqa (niqab), voaly mandrakotra ny tava fitondran'ny Silamo, dia niteraka resabe teny anivon'ny tontolon'ny fitorahana bilaogy manerana izao tontolo izao. Tsy manondro mivantana na inona na inona mikasika ny burqa ilay lalàna ary antsoina hoe “lalàna mandràra ny fandrakofana ny tava eny amin'ny toerana iraisam-bahoaka”. Saingy ny fampiharana azy dia miantraika amin'ireo Silamo. Niresaka momba izay olana izay ny maro tamin'ireo mpitoraka bilaogy Aziatika Tatsimo.