Global Voices teny Malagasy » Bangladesh
Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy
Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais nandritra ny adin'ny fanafahana, ireo olona mosarena any Etiopia, ary nandray anjara betsaka tamin'ny fandriam-pahalemana tany Irlande Avaratra. Ny praiministra any Bangladesh, Sheik Hasina, no manao an'i Ted Kennedy ho “namana mahatoky an'i Bangladesh” ary mampahatsiahy ny andraikitra notanany nampahafantatra an'i Bangladesh teo an'ivon'izao tontolo izao nandritra ny adin'ny fanafahana. nanoratra i Habib Siddiqui, mpitoraka bilaogy avy any Bangladesh monina any Etazonia:
Amin'alahelo lehibe no hiondrehako manoloana ity olona malaza ity izay tsy hadino mandrakizay ny zavatra nataony ho an'i Bangladesh.
Inona no nataon'ny loholona Kennedy ho an'i Bangladesh? Manazava ilay mpitoraka bilaogy.
Nanokatra ady hevitra ho an'ny bilaogy ao amin'ny Open Salon i Smith Barney:
Taorian'ny nanafihan'i Pakistan andrefana (atao hoe koa Bengale, Bengladesh ankehitriny) an'i Pakistan antsinanana tamin'ny taona 1971 dia mpitsoam-ponenana 9 tapitrisa no namakivaky ny sisintanin'i Inde. Tsy nanaitra an'izao tontolo izao sy Etazonia (Nixon/Kissinger, mbola variana tamin'i Vietnam, ary nirona bebe kokoa tamin'i Pakistan andrefana). Niavaka tamin'izany anefa ny loholon'i Massachussets, 39 taona, Edward Kennedy.
Tao anatin'ny hafanana be sy ny rivotry ny volana aogositra no tonga tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana nanerana an'i Bangale andrefana (manakaiky ny sisintanin'i Inde) ny loholona Kennedy ary nanao tatitra tamin'ny loholon'i Etazonia manontolo, fanadihadihana mahatalanjona momba ny fijalian'ireo mpitsoam-ponenana any Inde sy ilay nantsoiny hoe “ny fanjakan'ny ramatahora mianjady amin'i Bangladesh antsinanana”.
Nofintininy hoe: “Ny fanohanana mafy ataon'i Amerika amin'i Islamabad (Pakistan andrefana) dia tsy misy dikany raha ampitahaina amin'ny zava-doza iainan'ny olona sy ny politika any Bengale antsinanana.”
Tsy vitan'ny hoe vavolombelona fotsiny i Kennedy fa nanaitra an'izao tontolo izao izy hahatsiaro tena hanampy ireo mpitsoam-ponenana ireo, tsy voatery hoe ireo mpiady mahaleo tena an'i Bengale antsinanana akory.
Unheard Voices, bilaogy any Bangladesh miompana amin'ny zon'olombelona no namoaka ny tatitra nataon'ny loholona Kennedy tamin'ireo loholona amerikana, izay namelabelatra ny fangirifiriana nahazo ireo mpitsoam-ponenana.
Mehrab Shahriar posts no namoaka ny santionany amin'ireo sarin'ny mpitsoam-ponenana sy ny fitsidihana nataon'ny loholona Kennedy tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana tamin'ny taona 1971.
H. A. Mahmud no nilaza[bn]:
বাংলাদেশ স্বাধীন হওয়ার পর ১৯৭২ সালে এডওয়ার্ড সদ্য স্বাধীন রাষ্ট্র বাংলাদেশে আসেন। এখানে তিনি একটি শোভাযাত্রায় অংশ নেন এবং ঢাকা বিশ্বদ্যিালয়ে ভাষণ দেন। এডওয়ার্ড কেনেডি’র স্মৃতিবিজড়িত ঐতিহাসিক বটগাছটি এখনও কালের সাক্ষী হয়ে দাঁড়িয়ে আছে ঢাকা বিশ্ববিদ্যালয় এলাকায়।
Tonga tany an-toerana i Edward Kennedy tamin'ny fiandohan'ny taona 1972 taorian'ny fanafahana an'i Bangladesh. Nandray anjara tamin'ny matso izy ary nikabary nanoloana ireo mpianatra ao amin'ny anjerimanontolon'i Dhaka. Mbola ao amin'ny anjerimanontolo ny hazo banyan nambolen'i Kennedy hatramin'izao hahatsiarovana ireo soa vitany.
Shada Kalo no mahatsiaro an'i Kennedy noho ny soa nataony:
Ted, naman'i Bangladesh ianao. Tsy nitondra vato ho anao izany, tsy nisy olona nanome tsiny anao raha nandeha tany anaty fotaka tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana tanatin'ny hafanana mangotraky ny volana aogositra ianao. Kanefa nataonao izany, satria tokony ho natao. Nanampy anay ianao satria zavatra mety sy tokony ho natao koa izany.
Rezwan
Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project' sy ny diorano
Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà rehefa avy nanao iny fanampiana iny tamin'ny herintaona, ary volana vitsivitsy taorian'izany dia niverina nitety an'i Bengladesh indray hanohy ny ezaka nataony, niara-dalana tamin'ny Save the Children (vonjeo ny ankizy) hitondra fanampiana avy amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao.
Hoy ny tatitra nataon'i Shawn tao amin'ny bolongany:
Hatramin'ny nahatongavako no nandraisako anjara amin'ny tetikasa mifandraika amin'ny Ady amin'ny fahantrana. Araka ny fantatrareo dia eo am-pananganana ity foto-drafitr'asa manatantavana fasika sy eo ampanamboarana ity sekoly ity aho. Efa ho enimbolana izay nefa mila mahavita ny zava-drehetra ao anatin'ny 72 ora aho. Eny…. sarotra izany ary maro no miandry.
Manaiky fanampiana amin'ity dingana farany na tetisaka ity i Shawn sady miangavy amin'ireo vondrona malala-tanana (maro amin'izy ireo no mamela hafatra an-dahatsary ao amin'ny lahatsorany) hahalala ny fomba andaniana ny volany, araka ny miseho amin'ity lahatsary manaraka ity:
<object width="430" height="264" data="http://www.youtube.com/v/XTP6CtSGzik&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/XTP6CtSGzik&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ao amin'io lahatsoratra io ihany, no hamahavahany ny ho avin'ny tetikasa, sy ahafahan'ny tetikasa tahaka itony mahazaka tena, mba ahafahany manampy hatrany:
Ny tsy fantatra manko dia izao – hody velielty ve aho sa tsy hiverina intsony? Nanoratra aho tamin'ny Janoary fa raha tsy zaka ny fampandehanana ny tetikasa dia tsy maintsy manangom-bola mandritra ny 12 volana aho. Ny tiako lazaina amin'ny heo “zaka” manko dia hoe izay tsy mampahantra ny ray aman-dreniko. Efa ela no lany ny tahiriko - ary nindram-bola tamin'ny ray aman-dreniko aho nanomboka hatreo. Indrisy anefa fa tsy ry Rockefellers akory izahay – fa Kanadiana saranga antonony avy any amin'ny manodidina ny tanan-dehibe (tahaka ny Amerikana… saingy mahazo fitsaboana maimai-poana izahay).
Tao amin'ny bolongany farany no anamarihan'i Shawn anatina lahatsary ahitana mpanentana avy ao amin'ny TED conference, mpamoron-javatra iray mampiseho ny zava-bitany:  rafitra iray manatantavana rano maloto ho lasa rano madio fisotro. Tondroin'i Michael Pritchard ho Life-Saver bottle (tavoahangy mamonjy aina), satria afa-mamonjy aina maro manerantany io tavoahangy io sady vahaolana iray entina mamonjy voina:  mba tsy hitondrana na hivangàna rano dia ireny fanatantavanana rano finday no entina mba hahafahan'ny fianakaviana mikarakara rano fisotro any an-tranony fa tsy voatery hamonjy toby ho an'ny mpitsoa-ponenana.
Efa zatra ilay fanatantavanana rano finday i Shawn satria misy fanadiovandrano mitovitovy amin'ny LifeStraw ampiasainy any am-piasana. Namoaka lahatsary nalainy tany ambanivohitr'i Kenya izy, ka teo no nanatantavanany rano efa misy tain'omby, fomba entina mampiseho mivantana ny fampiasana ilay fanatantavanana amin'ny rano fangalan'ny olona (fa fatsakan'ny olona) avy eny rehetra eny, rano izay misy ny karazan-doto rehetra, potipoti-javatra ary fako. Nalainy teny an-kanja hanaovany fampisehoana ity lahatsary manaraka ity:
<object width="430" height="264" data="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Betsaka ny olona no miteny azy ho mahasahisahy rehefa avy nisotro rano nisy tain'omby voadio izy, nohazavainy ao amin'ny lahatsary faharoa ny hafatra tiany ampitaina ao ambadik'io, izay anazavan'ny manampahaizana iray fa maharo amin'ny bakteria sy otrik'aretina maro ao anatin'ny rano avy amin'ny vovo ny fanatantavanin'ny LifeStraw ka anisan'izany izay avy amin'ny omby na olona:
<object width="430" height="264" data="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Nohazavain'i Shawn fa sady tsy ekenyho misolo tena no tsy karamain'ny Life-Straw ny tenany  raha miresaka momba io izy fa io aloha no vahaolana mahomby indrindra amin'izao fotoana izao. Lafo kokoa manko ny Life-Saver noho ny  Life-Straw, nefa sady tsy mahatantavana rano betsaka akory no kely aina ihany koa (mora lany daty kokoa), no tsy manana ho ana fiankaviana ry zareo. Tsy mahazaka rano na fangaro shimika anaty rano ny fanatantavanina ka tokony ampidirina amin'ny fanatsarana ny vokatra amin'ny manaraka no mba mifanaraka amin'nyvidiny ankehitriny.
Mitentina $35 ny vidin'ny LifeStraw Family  ary mahatantavana rano 18 000 litatra. Ny LifeSaver kosa mihoatra ny $100 ny vidiny nefa 6 000 litatra ihany ny rano vitany tantavanina. Raha azony atao dia tokony hampidiny ny vidin'ny vokany ny LifeSaver satria efa mety ny vidin'ny LifStraw Family no mahavonjy aina koa…
Afaka manaraka ny asa ataon'ny UnculturedProject ao amin'ny Twitter ianao, noho ny fanoratany tsy tapaka ny ezaka fanampiana ataony sy ny famoahany sary amin'ireo tetikasa vaovao sy ny ezaka fampandrosoana vitany mba hanorenana tontolo hafa eto an-tany. Azonao tsidihana ihany koa ny ezaka ataon'i Shawn sy ny Save the Children (vonjeo ny ankizy)  ao amin'ny YouTube-n'ny tetikasa ho an'ny “Uncultured”, na mijery ny video mandehandehan'i Shawn eny an-kianja ao amin'ny vohikalany hafa The Student.  Mirary fahombiazana amin'izay andraikiny hafa ihany koa izahay!
Juliana Rincón Parra
Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy
Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh. Ireny fomba fijery ireny dia tena ilaina tokoa ho an’ireo tonga hitsidika an’i Bangladesh ary koa ho an’ireo Bangladeshis (ilazàna ny olona avy any Bangladesh). Anatin’ny hafatra voalohany amin’ity andiany ity dia asiako fanamarihana manokana ny amin’ireo teratany nody an-tanindrazana ka mitoraka blaogy, sy izay resaka ambaran’izy ireny
Nikkibomb ao amin’ny  Amar Bangla Na dia nandeha tany amin’ny  Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong ary  manoratra fa:
Ireo Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong  dia maitso màvana mandrakariva. Na aiza na aiza jerenao, marevaka ery ny lokony toy izay tian-dry zareo Bangladeshis entina rahateo.
Estelle Visagie koa dia tany amin’ny Havoana tao Rangamati izay nifanenany  tamina vehivavy bodista telo (nonnes) ka nanomezan’izy ireo azy ny Anarana Chakma.
Sara, izay mianatra sy manao fikarohana, tohanan’ny Fulbright, dia namoaka sary maro sy ny zava-niainany tamin’ny fifangaroana tamin’ireo Bangladeshis.
Natiora any Bangladesa; Durgapur, Netrokona, avy amin’i Ariful Haque Bhuiyan (http://www.flickr.com/photos/arifbd111/3401682813/),mampiasa ny Creative Commons license
Amy Moyer izay nandositra ny fiainana feno tebitebin’ny renivohitra no manoratra:
Nofarananay tamin'ny fitsidihana tanàna iray mpanamboatra fitafiana Jamdani norariana tamin'ny tànana ny dianay. Tena manify ny Jamdani, lamba tena maivana izay fahaizana manokana mampiavaka an'i Bangladesh. Raha ny tantara momba ny akanjo  Jamdani sari, izay mirefy tokony ho 13 metatra eo ho eo, dia tokony ho afaka aforitra hitovy habe amin'ny tranon’afokasoka izy. Tsara fanahy sy falifaly ery ireo mponina namela anay nandray anjara tamin’ny rary. Tena tsy azo veroka mihitsy,  ary ny tsininy dia ry zareo tsy nandray karatra Visa.
Meandering Memos izay nitsidika toeram-pamokarana asa tànana iray  tany Narayanganj, akaikin'i Dhaka izay ahitàna vehivavy 26000 miasa dia manoratra hoe:
Sary manaingo ny akanjo Sari – Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ireo haingon’akanjo rehetra ireo dia natao tànana daholo! Tena asa mila fotoana be tokoa. Ireo loko ampiasain-dry zareo dia avy amin’ny akora voajanahary avokoa.
Jacob and Sanna's blog dia midera ny ‘Bangla', tarika  Bengali mpiangaly ny gadona ankehitriny:
Hafa ity vondrona ity — hain-dry zareo tsara ery ny manome kalitao lafatra ny fanafangaroana ny gitara tandrefana & gitara beso sy ny amponga ary ireo gadona malàza, vokatry ny tany,  izay laroin’ny feo mahagagan’ny mpihira fototra ao aminy, Anusheh.
Valerie ao amin’ny from Spa-Ha to Bangla dia roa volana izao no eto an-tanindrazana mba hamangy ny vadiny. Nandany andro iray manontolo mihitsy izy mba hitàna ny toeran'ny vady ao an-tokantrano any Bangladesh  renivohitra  Dhaka ary manamarika hoe:
Ity no iray amin'ireo andro mora indrindra hatramin’izay namoahako vola. Ny fitambaran’ny fikarakaram-bàtana tany amin’ny spa dia 600 taka, latsaky ny $10. Nomenay karama betsabetsaka ihany ny mpamily sy ny mpikarakara ny ao an-trano ary dia nolazaina fa adala mihitsy izahay tamin'izany, ary dia mahazo $4.30  sy $7 isan’andro tsirairay avy izy ireo.  $1/ora no hofan'ny kianja filalaovana Tennis. Tena varo-boba raha ny vidin-tsakafo hany ka mahamenatra na dia ny hitaky famerim-bola aza.
Sonargaon, renivohitr’i Bengal taloha. Sary avy amin’ny Flickr an’i Shubho Salateen (http://www.flickr.com/photos/shubho/242268273/) ampiasana ny  creative commons license
Bernie Allen ao amin’ny  Life and Work in Dhaka city dia nitsidika an’i Sonargaon, iray amin’ireo renivohitra ntaolon’i Bengal. Manoratra izy:
Ny Fitehirizam-bakoka momba ny fomban-dràzana, izay isan'ny anton-diako, dia ahitàna ireo zavatra rehetra maneho ny endrika ara-kolontsain'ny firenena, ary ny zaridaina ao dia tena mahafinaritra tokoa.
Niampita ny reniranon’i Buriganga, izay mikoriana ao akaikin'i  Dhaka koa izy. Mieritreritra izy fa tandindonin'ny loto io renirano io ary “tsy dia isan'andro no ahitana tsy fitohanana na fihontsonkontsonana eo, toy ireny làlana any an-tànan-dehibe ireny ihany!”
Heather ao amin’ny A Bangladesh Adventure dia namoaka sary vitsivitsy maneho ireo fiara samihafa ao an-tanànan'i Dhaka.
Ary farany nefa tsy ny kely indrindra,  Caroline ao amin’ny Burkhas, Bibles and Bangladesh dia manome lisitra ahitàna ireo zavatra 20 mety ho efa fantatrao na tsia momba an’i Bangladesh.
Bangladesh: Fahanam-bolongana tsikelikely ny fifidianana
Ao anatin'ny ora vitsivitsy (29 desambra) dia hifidy ny antenimiera fahasiviny ny Bengalis miisa 81 arivoarivo (51% n'ireo ny vehivavy). Kihondalana lehibe eto amin'ny firenena ity fifidianana ity fa haverina indray ny demaokrasia rehefa nitondra azy tao anatin'ny hamehana nandritra ny tetezamita roa taona ny hery mitam-piadiana [miaramila].
Efa niresadresaka momba ny fampiasana ny aterineto mandritra ny fampielezankevitra sy ny asa fampahafantarana ny fifidianana isika tany alohaloha tany. Ankehitriny indray isika manana fivoarana mahaliana.
Nampiditra ny twitter ho fototry ny vondrona famahanam-bolongana azo andefasan-kafatra amin'ny alalan'ny web na finday (sms) hanapariahana ny vaovaon'ny fifidianana aelin'ny mpiserasera ny Somewhere in, orinasan-drindrambaiko sa dy mpamakilay tamin'ny vondrom-bolongana bangla manerantany. Azo alefa mivantana amina sarintany ifandrimbonana ahafahana mijery ny vaovao any am-potony ihany koa ny  hafatra.
Arild Klokkerhaug, filohan'ny Opportunities of Somewherein dia manankambara toy izao amin'ny mpilatsaka hofidiana:
Ry Mpilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana ho antenimieran'i Bengladesh 2008:
Ity misy fanamarihana kely lazaiko anao sao mbola tsy fantatrao, fa tsy resaka fitadiavam-bola toy ny nahazatra intsony ny fifidianana sy ny fifikirana mafy amin'ny sezam-pahefana ao amin'ny Antenimiera. Rahampitso, dia afaka mahahenika an'izao tontolo izao izay vaovao farany avoakan'ny mpamaham-bolongana.
Sambany amin'ity indray mitoraka ity, eo amin'ny tantaram-politikanareo, no manaramaso anareo ny mpitoraka blaogy. Tsy ireo manam-pahaizana vitsy kely ihany, fa 30 000 izahay mpamaham-bolongana Bangla no mitazana anareo. Vondrona blaogy maro samihafa no anaoratanay ary saiky vakiana isam-pirenena manerantany ny soratray.
Hanampy anareo izahay amin'ny ezaka ataonareo hananganana firenena matanjaka sy tsy mena-mitaha ary hampiely ny vaovao tsara amin'izao tontolo izao. Nefa, dia hotazoninay ho tompon'andraikitra ianareo ary hotaterinay izay jabaka rehetra [vitanareo]. Tsy hanadino na oviana na oviana ny blaogy, tsy hangina mandrakizay ny mpitoraka blaogy, tsy mahalala sisintany ny aterineto. Ka ataovy ara-drariny izy ity.
Ny fitaovana hampiasain'ny mpamaham-bolongana:
hifampizara vaovao tselatra eo amin'ny microblog-mpifidianana
- misoratra anarana dia manindry ny 5455 amin'ny aterineto na sms : ! hafatrao
afaka mandefa mivantana ny sms eo amin'ny sarintany ifandrimbonana ny mpamaham-bolongana
- mandefa sms amin'ny 5455: ! hafatrao @toerana ka jerena ny disthrikany
afaka manadihady sy mitantara eo amin'ny bolongam-pifidianana ny mpamahambolongana
Afaka mizara ny vaovaon'ny microblogs (bolongana madinika) farany amin'ny bolongana rehetra ny mpamaham-bolongana
Ny fitantarana mivantana, ny lahatsary isan-karazany ary ny fandraisam-peo (sy sary) amin'ny aterineto ny valim-pifidianana dia azo jerena amin'ireto vohikala ireto:
The New Age
E-Bangladesh
Amar Blog (Bangla)
BDNews24.com
Manolotra ny widget manome ny vaovao faran'ny fifidianana (amin'ny teny bangla) ary azo apetraka mahazo ny ankilan'ny lahatsoratry ny bolongana rehetra ny sehatra hafa momba ny famahanam-bolongana sachalayatan.
Rezwan
SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovana
Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny  tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.
Panos London moa dia fikambanana manao izay hahenoana ny feon'ny olona voahilikilika sy ny mahantra  amin'ny adihevitra iraisam-pirenena. Manana Andian-dahatsoratra manao hoe Growing Pains izay mampiseho ny kamboty vokatry ny SIDA. Ity lahatsary manaraka ity dia novokarina tamin'ny fampiasana ny sarin'ny ankizin'ny fiarahamonina Afrikana Tatsimo, ny fianakavian'izy ireo ary ny fijoroana vavolombelona  ataony:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="350" height="304" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="flashvars" value="playerVars=showStats=yes|autoPlay=no|videoTitle=Growing%20Pains%20-%20Poverty%2C%20AIDS%20and%20Challenges%20to%20Childhood" /><param name="src" value="http://www.metacafe.com/fplayer/1681500/growing_pains_poverty_aids_and_challenges_to_childhood.swf" /><param name="wmode" value="transparent" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="350" height="304" src="http://www.metacafe.com/fplayer/1681500/growing_pains_poverty_aids_and_challenges_to_childhood.swf" wmode="transparent" flashvars="playerVars=showStats=yes|autoPlay=no|videoTitle=Growing%20Pains%20-%20Poverty%2C%20AIDS%20and%20Challenges%20to%20Childhood"></embed></object>
Tany Bangladesh, dia nisy filaharambe sy fampisehoana an-dalambe nanaraka ny andro iadiana amin'ny  SIDA 2008. Ity lahatsary manarka ity dia nalain'ibdaids ary azo jerena ao amin'ny vohikalany: <object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="426" height="379" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="bgcolor" value="111111" /><param name="src" value="http://video.oneworld.net/tv/flash/FlowPlayer.swf?config=%7Bloop%3A%27false%27%2CvideoFile%3A%27bdaidsday2008%2D1%2Eflv%27%7D?config=%7BvideoFile%3A%27bdaidsday2008%2D1%2Eflv%27%2Cloop%3A%27false%27%7D" /><param name="wmode" value="opaque" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="426" height="379" src="http://video.oneworld.net/tv/flash/FlowPlayer.swf?config=%7Bloop%3A%27false%27%2CvideoFile%3A%27bdaidsday2008%2D1%2Eflv%27%7D?config=%7BvideoFile%3A%27bdaidsday2008%2D1%2Eflv%27%2Cloop%3A%27false%27%7D" wmode="opaque" bgcolor="111111"></embed></object>
Lahatsary fahatelo izay navoakan'i Sexualidad Integral any Meksika.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="100" height="100" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><embed type="application/x-shockwave-flash" width="100" height="100"></embed></object>
Ny tatitry ny SIDA 2008 izay manadihady sy mamakafaka eo amin'ny sehatry fianarana valan'aretina, fikarohana fototra sy lalin'ny fahasalamana, fikarohana ny fisorohana ny aretina (biomedical), fifantohana  eo amin'ny faritra sy fanazavana amin'ny fomba hanatsarana ny ady amin'ny valan'aretina SIDA avy amin'ny SIDA 2008 sy ny fihaonambe hafa mikasika ny SIDA. Efa narahintsika ny fizotry ny fihaonambe ao amin'ny takelaka manokana mikasika izany, ary afaka misintona ny tatitra ao amin'ny IAS Website ianao na eto.
Juliana Rincón Parra
Bengladesh: Nananga-jaza tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ve McCain?
Shada Kalo bolongana no manontany sao dia tsy ara-dalàna ny fananganan-jaza nataon'ilay mirotsaka hofidiana ho filohan'i Etazonia i John McCain sy i Cindy McCain tamin'ny zanany vavy bangla antsoiny hoe Bridget satriamanko araka ny lalàna bangla dia ‘tsy misy vahiny mahazo manangana zaza bangla ho zanany'.
Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika
Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky ny “fanandevozana” mitranga ao Arabia Saodita sy manerana ny helodrano Persika amin’izao fotoana izao no hotanterintsika amin’ity lahatsoratra ity.
Ny tantara’ny fanandevozana nisy tany Etazonia no hanombohan’i Ahmed Baaboud azy :
أعلن الكونجرس الأمريكي منذ بضعة أيام عن اعتذار رسمي للأمريكيين الأفارقة عن سنوات العبودية الطويلة التي عانوا منها في أمريكا على أمل أن تكون هذه خطوة من أجل محاربة العنصرية و تخفيف جروح الماضي المرة، في نفس الوقت تابعنا الأنباء عن إضرابات العمال الأجانب في الكويت بسبب عدم دفع رواتبهم الضعيفة أصلاً
Andro maromaro lasa izay dia niala tsiny tamin’ireo Afrikana-Amerikana ny antenimieram-pirenena Amerikana noho ny taona maro nampijaliana azy ireo tamin’ny fanandevozana tao Amerika. Dingana iray izany amin’ny fanafoanana ny fanavakavaham-bolo-koditra, sy ny fanalefahana ny hirifiry noho ny ratra nentin’ny lasa. Nandritra izany koa no nanarahana ny vaovao mikasika fitokonana nataon’ireo vahiny miasa ao Koety noho ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo, izay efa kely rahateo.
Avy eo izy dia niresaka ny zava-misy ao Arabia Saodita :
في مملكة الإنسانية أجد أن صنوف كثيرة من العاملين هنا يعانون من أشكال مختلفة من سوء التعامل و ساعات العمل الطويلة بالإضافة إلى عدم وجود نظام مقنن للإجازات الأسبوعية بصورة مفجعة، و نظراً لعدم وجود الكثير من السعوديين العاملين كبائعين في المحلات لا نجد أن هناك إحساس بحجم المعاملة القاسية التي يعيشها مئات الألوف من العاملين هنا.
أتكلم من خلال معرفة شخصية لأن لي أقارب يعملون كبائعين في محلات أقمشة و بيع ساعات يعملون من الساعة التاسعة صباحاً حتى صلاة الظهر (أي إلى حدود الساعة الثانية عشر ظهراً)، و بعد ذلك يعودون للعمل من الساعة الرابعة و النصف حتى الساعة العاشرة و ربما الحادية عشر مساءً، أي ما مجموعة ثمان ساعات يومياً تقريباً و بشكل يومي من غير أيام إجازة أسبوعية، بل حتى إجازات الأعياد تكون مقصورة في العادة على يوم أو يومان. كما إن الأمور تصل إلى حد غير معقول خلال العشر الأواخر من شهر رمضان حيث تستمر ساعات العمل إلى الساعة الثانية صباحاً.
Ato amin’ity “fanjakan’ny maha-olombelona” misy antsika ity dia mahita aho fa maro ny mpiasa no tsy mizaka ny zony tanteraka, na miasa be loatra ary misy aza miasa amin’ny faran’ny herinandro. Ny fisian’ny Saodiana miasa amin’ireny magazay isan-karazany ireny dia midika fa mbola odian-tsy hita ny olana sedrain’ny olona an’arivony maro eto. Mahafanattra izany aho satria misy havako miasa amin’ireny magazay mivaro-damba na famantaran’andro ireny. Manomboka amin’ny 9 maraina izy ireo no miasa ary tsy mitsahatra raha tsy amin’ny vavaka atoandro (izany hoe mandra-pisasaky ny andro), dia miverina miasa indray manomboka amin’ny 4 sy sasany ary tsy mirava raha tsy amin'ny 10 na 11 alina. Izany hoe miasa adiny valo isan’andro izy ireo, tsy misy fiatoana amin’ny faran’ny herinandro – ary na ny fialan-tsasatra amin’ny Eid [Fety Silamo] aza dia voafetra ho iray na roa andro ihany. Tsy vitan'izay fa mandritra ny folo andro tsy hahataperan’ny Ramadan aza moa dia mitohy hatramin’ny 2 maraina ny ora fiasan’izy ireo, izay zavatra tsy azo ekena mihtisy.
Noho izy ireo miasa mandritra ny andro sy ny tsy fisian’ny fialan-tsasatra kely isakin-kerinandro dia tsy afaka mivelatra ara-tsosialy ireo mpiasa ireo. Manginy fotsiny ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo. Misy elanelana lehibe araka izany eo amin’ireo mpiasa ireo sy ny Saodiana ary miteraka lonilony noho ny fomba hampiasana azy ireo isan’andro. Taloha dia tsy nampiharina tamin'ireny sehatra ireny ny tetik'asam-pirenena hampirisihana ny fanomezana ny asa ho an'ny tera-tany Saodiana noho ny fahabetsahan’ny ora isana sy ny fahakelezan’ny karama. Amin’izao nefa dia efa maro ihany ny Saodiana miandraikitra ny varotra amin’ireny orinasa lehibe ireny. Antenaina fa ho hitan’ny Saodiana itony lahatsoratra itony.
Tsy mahagaga an’i Ahmad kosa ny zavatra misy ao Koety :
يسجل التاريخ أن التغير الكبير لا يظهر إلا بثورة ، وأبطال هذه الثورات إما أن يتحولون إلى أبطال يذكرهم التاريخ طوال سنوات ويمجدهم في الكتب والمراجع ، أو هم يصبحون ضحايا للثورة فيخسرون كثيراً .. قد يصل الأمر إلى أن يخسرون حياتهم .
تذكرت الكلمات السابقة وأنا أشاهد ردة فعل العمالة في دولة الكويت خلال الاسبوع الماضي ، حيث أضرب عدد كبير من العمال وبعضهم شارك في مظاهرة علنية في الشوارع والميادين مطالبين بتحسين الأنظمة ، بغض النظر عن إشكاليات العمال والجرائم التي انتشرت مؤخراً ، أنا على يقين بأننا في دول الخليج - ليس في الكويت فحسب - لازلنا ننظر إلى العمالة الآسيوية نظرة متدنية وخالية من أي تقدير واحترام أشببها بالنظرة الحيوانية ، فالمواطن ينظر للعامل ويتعامل معه وكأنه ليس انساناً مثله ، ناهيك عن تعامل الشركات التي تقدم رواتب شهرية متدنية جداً ، أعلم بأن 120 دولار (450 ريال) تعتبر مرتباً عالياً جداً للموظف في بنغلادش مثلاً ، لكنها لن تستطع أن تجعل عاملاً في الرياض أو دبي أو الكويت يعيش بأقل التكاليف مع توفير مبلغ نهاية كل شهر ، فلو فرضنا أن جميع وجبات الأكل الثلاث تكلف العامل في اليوم الواحد فقط 12 ريال فهذا يعني بأنه يحتاج إلى 360 ريال شهرياً فقط لوجباته الثلاث ، ناهيك عن الملبس والتنقل والتوفير .
Araka ny tantara dia amin’ny alalan’ny tolo-piavotana ihany no hisian’ny fiovana goavana. Rehefa vita ny tolona, dia na lasa olo-malaza ireo nitarika izany noho ny firesahana azy amin’ny tantara sy ny boky isan-karazany mandritra ny taona maromaro ; na mizaka ny takaitran’ny tolona noho ny fahavoazany, mety hatramin’ny famohizany ny ainy aza. Izay no tonga tao an-tsaiko raha nahita ny fihetsikereo mpiasa ao Koety ireo aho tamin’ny herinandro. Maro ny nandeha nitokona, ny sasany naneho hery teny amin’ny ara-be mba hanatsarana ny lalana mifehy ny asan’izy ireo. Na tsy nisy iny hetsika nataon’ny mpiasa iny aza, dia izaho mahita fa mbola heverintsika eto amin’ny helodrano Persika iray manontolo, fa tsy Koety ihany, fa ambany noho isika ny olona avy ao Azia, ary tsy mendrika ny fanajana fa sanatria tahaka ny biby. Tahaka ny tsy olona no hitondrantsika ireny mpiasa ireny, ny fomba fitondran’ny orinasa isan-karazany azy moa tsy resahiny intsony, tahaka ny fahakelezan’ny karama omena azy ireny. Fantatro fa betsaka izany US$120 (450 Riyals) isam-bolana izany raha ho an’ny mpiasa any Bangladesh ohatra, fa tsy ampy hivelomana izany raha ao Riyadh, Dobay na Koety, ary tsy afaka manana tahiry kely akory izy ireo amin’ny faran’ny volana. Raha atao ny kajy, ny olona iray misakafo in-3 isan’andro dia mandany 12 riyals eo ho eo, izany hoe lany amin’ny sakafo fotsiny ny 360 riyals mandritra ny iray volana – ary tsy mbola voaisa ao ny fitafiana, ny fitanterana na izay tahiriny.
لشركات تستغل ضعف وزارات العمل الخليجية وانشغالها بالموظفين المواطنين إلى الضغط على الآسيويين واستغلالهم شر استغلال بما فيها المرتبات المدنية وساعات العمل الطويلة وسوء مكان السكن وانعدام أي مميزات ، من المفترض أن لا يزيد عدد ساعات العامل عن 9 ساعات يومياً لكننا نشاهد العمالة في مواقع البناء والمصانع وحتى المطاعم تعمل على مدار اليوم ثم نغضب عندما تصدر مؤسسات حقوق الانسان الغربية اتهامات بعبودية (البشر) في دول الخليج .
الشركات الكبرى الآن تضغط على الحكومات التي تتأخر في دفع مستحقات المشاريع الكبيرة بعدم دفع رواتب العمال ، فحين يحتج العامل ويوصل صوته للمسؤولين في بلاده يكون رد الشركة بأننا ننتظر (التعميد من الحكومة ) أي استلام جزء من مستحقات المناقصة وهو الذي يتأخر بالأشهر ويصل إلى 7 أو 8 شهور ، الضحية هنا العامل الذي لاعلاقة له بكل ذلك .. يحرم من مرتبه الضئيل فترات تصل إلى 8 شهور .. ثم نغضب حينما يلجأون للجريمة والسرقة .
Araraotin’ny orinasa ny fahalemen’ny Minisiteran’ny Asa eto amin’ity helodrano ity sy ny fahasahiranan’izy ireo amin’ireo mpiasa tera-tany. Hita izany fanararaotana izany amin’ny fitondran’izy ireo ny mpiasa avy ao Azia, amin’ny tsindry hazo lena sy ny fitrandrahana azy ireo, amin’ny fahakelezan’ny karama, ny habetsahan’ny ora hiasana, ny faharatsian’ny trano sy ny tsy fisian’ny tombony ho an’ny mpiasa mihitsy. Raha ny tokony ho izy dia adiny 9 isan’andro ihany no hiasan’ny mpiasa iray. Betsaka nefa ny mpiasa amin’ireny asa fanorenana, na toeram-pisakafoanana aza, miasa mandritra ny andro. Dia tezitra isika rehefa miresaka ny fanandevozana misy eto amintsika ny fikambanana miaro ny zon’olombelona avy amin’ny firenena tandrefana. Rehefa tara ny fandoavan’ny fanjakana ny vola tokony alohan’izy ireo amin’ny asa ataony, dia ny mpiasa, amin’ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo, no ataon’ny orinasa fitaovana hanerana ny fanjakana. Rehefa mitaraina ny mpiasa ary tonga hatrany amin’ny manam-pahefana ny fitarainan’izy ireo, dia mety valian’ny orinasa fotsiny fa mbola miandry ny “batemy” avy amin’ny governemanta izy ireo, izany hoe mbola miandry ny volan’izy ireo any amin’ny governemanta ka izany no mahatara ny fandoavana ny karama hatramin’ny fito na valo volana … Ny mpiasa, izay tsy miditra amin’izany resaka miaraka amin’ny governemanta izany akory, no tena voa mafy. Tsy omena azy ireo ny karama keliny mandritra ny valo volana, dia tezitra isika rehefa mandeha mangalatra sy mampiasa herisetra izy ireo.
لنسبة لي عندما أستمع إلى شكاوي العمالة حقيقة يحز في خاطري أن يتم معاملتهم بطريقة فيها من (العبودية) الشيء الكثير .. يكفي أن بعض الشركات تطلب من العامل مرتب شهر نظير تجديد الإقامة ، وشركات أخرى تمنع العامل من التمتع بإجازته الاسبوع ، وأخرى تحرمه من أي استئذان أو إجازة حتى بحجة المرض ، أحد العمال قال لي بأنه يعمل في السعودية منذ 3 سنوات ولم يستطع أداء العمرة لأن الشركة ترفض منحه يومين إجازة.
كل هذه السلبيات تتكرر أيضاً في العمالة المنزلية ، ففي كل دول الخليج تعمل الخادمة أو السائق نحو 18 ساعة يومياً بلا توقف ، وهناك الكثير منهم لا ينعمون بمكان نوم ملائم ، بل هناك من يجبر الخادمة على النوم في المطبخ بين الفرن والثلاجة ! ، في أحد المرات ذكر لي صديق (متفاخراً ) بأنه لا يجعل الخادمة تغسل (حوش) المنزل خوفاً من تلقيها أرقاماً هاتفية من سائقين بالجوار .. لذلك فهي لا تتجاوز حدود المنزل الداخلي وربما لا تنعم بضوء الشمس سوى عند نشر الملابس في سطح المنزل ، وعلى كل حال يؤكد أيضاً بأنها لا تخرج مع العائلة للسوق أو المطاعم حتى يضمن عدم تعرفها لعمال آخرين ، قلته له بالعربي ( هي في سجن ؟) ، فأجاب .. (بس هي راضية!)
Rehefa maheno ny fitarainan’ireo mpiasa ireo aho dia tsapako fa tena tahaka ny andevo mihitsy no hitondrana azy ireo. Akoatra ny fakan'ny orinasa ny karama iray volana be izao amin’ny mpiasa rehefa hanavao ny taratasy fahazoany alalana mipetraka eto izy ireo, dia misy koa ireo orinasa tsy mamela ny mpiasany hiala sasatra na dia iray andro isan-kerinandro aza, na dia efa marary aza. Misy mpiasa niteny tamiko fa efa telo taona izy izay no niasa teto Arabia Saodita, ary nandritra izany dia tsy afaka nanao ny Umrah [Fiatahana Masina any Mecca] satria tsy omen’ny orinasa izy na dia roa andro fotsiny aza hanatanterahany izany. Misedra izany olana izany koa ny mpiasa an-trano. Amin’ny firenena rehetra eto amin’ity helodrano misy antsika ity dia miasa adiny 18 isan’andro ny mpiasa an-trano sy ny mpamily fiara-kodia, ary misy amin’izy ireny no tsy manana toerana mba hahafahany matory tsara akory – misy ny matory ao an-dakozia eo anelanelan’ny fatana sy ny vata fampangatsiahana ! Nisy namako izay nitantara tamiko (nirehareha ery !) fa tsy avelany mamafa tokotany ny mpanampiny fa sao mahazo ny laharana an-taroby an’ireo mpamilin’ny mpifanolo-bodi-rindrina aminy. Mbola tsy niala io trano io mihitsy izy izany hatramin’ny niasany tao, ary mety mbola tsy nahita masoandro ankoatra ny hoe mandeha manaha lamba any amin’ny tafo. Nanamafy moa izy fa tsy miaraka miantsena amin’ny fianankaviana io mpanampiny io, tsy mandeha amin’ny toeram-pisakafoanana sns mba hahazoany antoka fa tsy mahafantatra mpiasa tahaka azy izy. Nanontaniako moa izy hoe “Fa gadra angaha ilay mpiasanao ?” dia nolazainy aho fa “Fa faly tsara izy ka ! ”
المشكلة الكبرى فينا وليست في الاسلام بطبيعة الحال ، لكننا نتفاخر بعاداتنا وثقافتنا وروحنا الاسلامية ولا نطبقها على أرض الواقع ، جرب وقف يوماً في إشارة مرور مزدحمة قرب مواقع العمل والمناطق الصناعية ، شاهد كيف تحشر العمالة تحت درجة حرارة 45 في سيارة نقل أعدت لنقل المعدات .. والخراف في أحسن الأحوال .. لكن جشع صاحب المصنع أو الشركة يمنعه من شراء باص قد لا يزيد سعره عن 40 ألف ريال لنقل العمالة من المكانالإقامة للعمل ، ووالله لو كان الأمر بيدي لرفعت قضية ضد أي شركة ينقل عمالتها بسيارات (نقل) وحكمت على المالك بأن يخوض تجربة النقل في ( دينا) لمدة اسبوع (طبعا هذا في الاحلام ).
سل نفسك الآن ، متى آخر مرة أحضرت وجبة خارجية للخادمة أو السائق ، وكم مرة منحت السائق هاتفك الجوال لمحادثة أهله ، ماذا عن الخادمة .. هل مازالت تكتب رسائلها وتبعثها بالبريد ؟
هل لديكم شك بأنها ليست (عبودية) ؟
Tsy ny finoana Silamo mihitsy no tena olana ho antsika ; mirehareha ery isika amin’ny fombafomba sy kolotsaina ary toe-panahy Silamo – nefa tsy ampiharintsika akory ireny amin’ny fiainana. Mba mijanona anie manoloana ireny toeram-piasana na orinasa ireny, dia jereo ny fanerana ny mpiasa hifafatra ao anatin’ireny fiara be natao hitanterana entana na ondry ireny, amin’ny hafanana be 45 °C [113 Fahrenheit] … Noho ny fitiavan-tenan’ny tompon’ny orinasa dia tsy mividy fiara be fitanteran’olona izy (bus) mba hitanterany ny mpiasany, na dia tsy mihoatra ny 40,000 Riyals aza ny vidin’ireny. Raha nanana fahafahana aho dia ampiakariko fitsarana ireny orinasa mitatitra ny mpiasany amin’ny fiara be fitanterana entana ireny,  ary ataoko ao amin’ny lalana fa tsy maitsy mandeha amin’ireny fitanterany ny mpiasa ireny in-dray mandeha isan-kerinandro ny mpampiasa. (Nofinofy izany !)
Manontania tena amin’izay, oviana ianao no nitondra sakafo avy any amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny ho an’ny mpiasa na mpamilinao ao an-trano ? Mba avelanao mampiasa ny findainao ve ny mpamily mba hiresahany amin’ny fianankaviany ? Ary ny mpiasa trano ? Mbola manoratra taratasy ve izy, ary mandefa izany amin’ny paositra ?
Mbola manana ahiahy ve ianao raha tena fanandevozana tokoa ity na tsia ?
Bahrain : “Fahirano” atao ireo teratany Bangladeshy
Taorian'ny nitrangan'ny loza andro vitsy izay, izay namonoan'olona ity teratany Bahrainy iray nohon'ny fandavany handoa ireo fanampin-karama 500 fils (1.3 USD) izay notakian'ity Mekanisiana teratany Bangladeshy iray tamin'ny asa notanterahiny, dia nahanton'ny fanjakan'i Bahrain ny fanomezana fahazahoan-dalàna miasa hoan'ny teratany Bangladeshy rehetra. Misy aza vondrona Solombavam-bahoaka izay miketrika ny hanolorana tolo-dalàna mba hodinihin'ny Antenimieram-pirenena, mba ahafahana mandroaka ireo mpila ravinahitra teratany Bangladeshy rehetra [miasa any Bahrain], izay heverina ho mahatratra 90′000 any ho any, noho ny fiampangana azy ireo ho nahavita ‘heloka bevava sady manafintohina‘ maro lavitra noho ireo andian-teratany vahiny hafa.
Tsy mba mihotso-volomaso ny mpiblaogy Mahmood manoloana izany jadon-tongotra izany, hoy indrindra izy:
There are a few things that suggest that our society is in a desperate state. The indicators are probably best exemplified by the exclusionary standards our parliamentarians and their electorate take. Both are quick to condemn whole peoples, nations and even civilizations due to isolated incidents without taking one second to reflect on our own shortcomings and our non-exclusive ownership of basic human values. […]
If you talk to Bahrainis fortunate enough to have lived in the 70s and before, they will categorically tell you that they have never experienced anything like this, they will confirm that they didn’t give their neighbour’s race or religion much importance. They will further tell you that they habitually interacted with each other in various ways; they visited, conducted business and even fought the British occupation together by forming and maintaining a cohesive multi-cultural front that crossed confessional divides. The common denominator was their Bahraininess which surpassed every other consideration. They celebrated their differences, rather than diligently work at finding the chinks to exploit in each others’ armor.
The stark contrast between that era and now could not be more evident. What we now have is an acutely insular society with impenetrable walls propped up by suspicion and hatred of the other. This “us and them” atmosphere is condoned by the government - regardless of how many denials we hear from their higher echelons - evidenced by the selective employment policies, the conditional awards of constitutionally guaranteed citizen benefits and the disparity in economic circumstance […]
Let us remind them that their role is to ameliorate differences and protect the national unity, and not diligently and wantonly work at exacerbating them. The demand to expel and ban Bangladeshis because of the unfortunate result of a single person’s moment of anger is tantamount to our agreement to the entrenchment and even encoding xenophobia as our main Bahraini trait.
Misy famantarana vitsivitsy izay toa maneho fa ambavahaona ny fiaraha-monintsika. Ireo fambara izay tena mazava angamba dia ny elanelana misy manelanelana ireo mpisolovavambahoakantsika amintsika vahoaka izay mifidy azy ireny. Samy mavitrika amin'ny fanamelohana ny mpiray tanindrazana manontolo izy roroa, eny manameloka ny firenena aza, ny fomban-drazana nolovain'izy ireny noho izay loza tokana nitranga, tsy misy fiheverantena akory na dia kely aza mikasika izay mety ho tsy-fahatanterahantsika manokana sy izay tsy maha-tokana antsika amin'ny famaritana izay atao hoe zo fototra hoan'ny olombelona […]
Raha mitafa amin'ny mpnona Bahrainy izay manam-bitana ka nanatri-maso ireo taona manodidina ny 1970 sy talohan'izany ianareo, dia ho hantitranteriny mafy aminareo fa tsy mbola niaina zavatra toy izao mihitsy ry zareo, hambarany fa tsy mba nanome lanja be toy izao izay mety ho fihaviana na fomba fivavahan'ireo mpiara-monina aminy izy ireo. [Izay mifanohitra amin'izany aza no] hambarany aminareo fa nahazatra azy ireo ny mifandray amin'ireo vahiny mpiara-monina ireo amin'ny fomba samihafa; mifamangy mifampiditra an-trano, miara-mientana ary niara-nanohitra ny fanjanahantanin'ny Anglisy tamin'ny alalan'ny famoronana fiaraha-monina mafy ahitana fihaviana maro samihafa sy foto-pivavahana samihafa. Izay nitoviziazan'izy ireo dia ny maha-Bahrany azy izay mihevitra ankoatry izay fizarazarana madinidinika mety nipetraka. Ny fankalazana ny fahasihafan-dry zareo no nataony fa tsy ny fikarohana izay mety ho fahalemen'ny fiarovana izay mandrakotra ny mpiara-monina aminy.
Tsy misy fifangarihana mazava kokoa noho izay fahasamihafana mipetraka amin'izay ianantsika izao sy izay nisy tamin'izany fotoana izany angamba. Izay fiaraha-monina iainantsika izao dia mitsitokotoko ery toa nosy elanelanin'ny ranomasin'ny fiheverana ny hafa ho mihevi-dratsy sy ny fankahalana. Ity fomba fijery “izahay sy ry zareo” ity dia ataon'ny fanjakana odian-tsy hita - na manao akory hamaron'ny fandavana izay mety ho rentsika avy amin'ny ambaratonga ambony -  porofon'izany ny pôlitika fanavakavahana izay mifehy ny asa, na koa ny fametrahana fepetra mialoha ny fanekena izay tokony ho fiarovana malalaka izay harinkaren'ny tsirairay ary ny fampiharana lalàna samihafa miankina amin'izay fivoatry ny toe-draharaha Ekônômika […]
Aoka isika hampahatsiahy azy ireo fa ny andraikitra [voalohan']ny fanjakana dia ny hampihena ny fahasamihafana misy sy ny fiarovana ny firaisam-pirenena, fa tsy [ny mifanohitra amin'izany dia] ny miezaka hampivandravandra azy ireo [fahasamihafana misy]. Izay fangatahana ny handroahana sy fanaovana fahirano ireo teratany Bangladeshy rehetra nohon'ny heloka mampalahelo izay nateraky  ny haromotan'ny iray ny amin'izy ireo, dia toa fanekentsika sahady ny fankahalana ireo vahiny mpiavy milaravinahitra ho isan'ny toe-tsaina fototry ny mponina Bahrainy
Manoina izany i Reeshiez raha nametraka hafatra:
This is the most ridiculous thing that I’ve heard and is blatant racial discrimination. I can’t believe our government did this and that many people support this law. You can’t punish an entire nation for isolated incidents by their citizens. How would bahrainis feel if all arabs were banned from coming to the US because a random Bahraini killed an American citizen? I am completely disgusted.
Tsy mbola nandre hadalana toy izany mihitsy aho sady tena fanavakavahana ampahibemaso mihitsy. Ohatry ny tsy mampino hoe nanao izanyny governemantantsika sy hoe tohanan'ny olona maro izany lalàna izany. Tsy tokony anasaziana mponin'ny firenena iray manontolo ny heloky ny olona tokana monja. Mba hanao akory izay fihevitry ny Bahrainy raha raràna tsy mahazo miditra any Zamerika daholo ry zareo noho izay Bahrainy iray namono Amerikana ? Tena maharikoriko ahy mihitsy izany.
Bangladesh: Mahatsiaro ny Voalohan'ny volana Mey ny Blaogy Bangla
Tamin'ity herinandro ity, ny blogy Bangla eran-tany dia niraondraona tamin'ny andrana sy fandalinana manodidina ny 1 Mey, ankalazaina eran-tany ho toy ny andron'ny mpiasa eran'izao tontolo izao sy andron'ny asa.
Be ny fahadisoam-panantenana teny anivon'ireo mpitoraka blaogy izay nanindry fa angamba efa very, navalon'ny fotoana, ny foto-kevitra marina nijoroan'ity andro ity, ka dia noraisina fotsiny ho toy ny andro iray fialan-tsasatra sisa. Araka ny hevitr'i Zukrufa, betsaka amin'ireo mpampiasa no manohana am-bava fotsiny ny fahatsiarovana ny Voalohan'ny volana Mey amin'ny fikarakarana fikaonan-doha (seminera), fihaonana ara-panatanjahantena na lahatsoratra anaty gazetiboky momba ny raharaha ary maneho nofinofy mandrenoka ireo mpiasa momba izay ho endriky ny fiainan-ko aviny. Kanefa, ireo mpampiasa ireo ihany no tsy nitondra fiovana mivaingana noho ny fanaovan'ny rafitra tsindry hazolena ireo mpiasa sy ny fandavana ny zo fototra mendrika tokony ho azony.
Syed Amiruzzaman mahita azy ity ho toy ny fandrebirebena hitazonana ny sarangan'ny mpiasa ho ao anatin'ny tsy fahalalana mba hahafahana manararaotra azy ireo, tsy avy amin'ny mpampiasa fotsiny, fa koa avy amin'ireo antoko politika sy ireo mpitarika sendika. Ao amin'ny Amader Kotha (Ny tantarantsika), blaogy Bangla iray ao amin'ny tetikasa Narijibon ao Bangladesh (mpanohana ny Rising Voices), Aysha Khatun no manoratra milaza fa na dia amin'izao fotoana aza ireo mpiasa amin'ireo orinasa anatin'ny sehatry ny fanenoman-damba ao Bangladesh dia iharan'ny tsindry hazolena mafy tokoa amin'ny tsy maintsy hiasana mandritry ny 12 ora raha kely indrindra nefa sandan-karama 8 ora monja no raisiny amin'izany. Ankoatr'izay, ireo mpiasa ireo, hoy hatrany izy amintsika, dia miasa andro fety ary inoana fa niasa koa ny Voalohan'ny volana Mey.
Kowshik Ahmed no manamarika ny olana sedrain'ny mpiasa amin'ny sehatra maro ary mametraka fanontaniana momba ny zon'izy ireo sy ny ‘ fiarovana ny asa'. Ny mpitoraka blaogy Suman Chowdhury anefa dia mahita fanantenana ary milaza fa misy ny fanararaotana amin'ny lafiny ilany, amin'ny lafiny iray kosa misy ilay foto-pisainana tsy mety folahana ananan'ny sarangan'ny mpiasa sy ny finiavana hanohitra foana ary hahazo rariny. Manainga ny tokony hisian'ny firaisankinan'ny mpiasa erantany izy.
Fikambanana Tononkalo Eran-Tany: ny andriambavilanitra no mitazona ny atsasaky ny lanitra
Amin'ny andro  fifakalazana ny Andriambavilanitra eran-tany, y Kathy Ward avy amin'ny Rising Voices sy Nari Jibon dia nanome hevitra hoe ahoana moa raha mba anao fikambanana tononkalo eran-tany ao anatiny  mpanao blaogy ny Rising Voices. Nomena erin-andro ny mpiblaogy anoratra  tononkalo  momba ny andriambavilanitra:
Tononkalo 10 no vaosoratra avy amin'ny Colombie, Bangladesh sy Madagasikara. Ireto telo reto no vaosafidin' Kathy Ward sy ny namany mpanoratra tononkalo.
Paceñita / Cristina Quisbert
Priority
by Sufia-734 of Nari Jibon
(Originally written in Bangla - Translated by Kazi Rafiqul Islam)
Time has come now
To stand for that we need
Not equality, but priority.
Upright
We want to open our heart
Express our mind
For that we need
Not equality, but priority.
Fathers can be cruel even
Mothers cannot.
Mothers can sacrifice
Fathers cannot.
That is what women are
We can do everything.
Combating with sorrow
Win happiness.
No more shall we endure injustice
No more shall we remain within the four walls.
Time has come to open ears and eyes
To protest against unfair deeds.
For that we need
Not equality, but priority.
“Laharam-pahamehana
Tonga ny fotoana,
hijoroana ho any izay ilaina,
Tsy ny hitovizana fa ny laharam-pahamehana,
Hisokatra ny fo
Hiteny ny ao an-tsaina
Satria ny ilaina dia,
Tsy ny hitovizana fa ny laharam-pahamehana,
Ny kiaky indraindray dia masika,
Ny reny tsy afaka,
Ny reny afaka mandefitra,
Ny kiaky tsy afaka,
Ny vehivavy afaka manao an' izany rehetra izany,
Miady na malahelo,
Mahazo hafaliana.
Tsy hiaritra ny tsy rariny intsony.
Tsy ho voatozana ao anaty ny rindrina hitsony.
Tonga ny fotoana anokafana ny maso sy ny sofina,
Hijoroana ho any izay ilaina,
Tsy ny hitovizana fa ny laharam-pahamehana.
Women road repair crew, Kathryn Ward, Dhaka, 2004
I Poupoune , FOKO  Toamasina, Madagasikara.
NY VEHIVAVY
Vatolampy fehozoro ny nehivavy, ka zava poana raha tsy misy azy
Eny fa ny fo fanfahy dia atolony avokoa,ary miaraka @ dia ho tody ny soa
Herin'ny tokan-trano anie izy hatramin'izay, koa dera sy laza no atolotray
Indro anefa ireo zava bitany, hojoro ho mandrakizay, ka tsy ho toy ny rozy malazo ho dinganinay
Vola sy harena tsy misy raha jerena, fa raha lavitra anao dia ssento sisa atao
Anaovana hery setra sy verin-jo tanteraka, anefa dia mitalaho any @
Voninkazo midoroboka mamirapiratra tahaka riva
 Koa masoandro mamiratra tokoa anie isika,
Izay mitondra fahasambarana sy fifaliana, 
Hoan'ireo rehetra maminitsika
THE WOMAN BEING
Poem by: Camila Urrea Morales (Colombia)
Translated by: Carolina Vélez López of HiperBarrio.
EL SER MUJER
En un principio, aún incierto, apareció la mujer, un ser creado fibra a fibra de azúcar, adornado con tanto hilos dorados como sentimientos, un ser que se derrite con cada palabra que infunde fuego en ella, y que se enfría, levantando la pared más fuerte, con aquellas que llegan como témpano ante ella. Luego, aparece aquella cubierta que es más que piel, una cubierta conductora de emociones, de latidos, de vibraciones. Y apareció la mujer, y con ella la dulzura de las cosas hechas con la delicadeza que nada más se encuentra en ese ser.
Ny mahavehivavy-
Indray andro lasa izay, tsy mbola fantatra hoa oviana, dia nipoitra ny vehivavy, voary vita tamin'ny voan-tsiramamy, niravaka kofehim-bolamena ohatry ny fihetsiky ny fo, voary nitsonika niaraka tamin'ny teny izay nandrehitra azy avy tao anaty, ary izay nihanangatsiaka nanamafy ny rindrina,  niaraka tamin'ny teny izay tonga taloha, teo anatrehiny.
Avy eo izy dia niseho sahala nirakotra tsara noho ny hoditra, fitafihiana mitondra fihetsem-po sy fitempon'ny fo. Nipohitra ary ny vehivavy, niaraka taminy ny hamamin'ny zava-bita amin'ny kaly izay tsy hita raha tsy ao aminy.
Ary amin'ny tononkalo farany dia i  Sipakv, izay  ray amin'ny mpitazona ny  FOKO-Madagascar.
“Lehilahy iza no ho tamana amin'izao”
-Tsia ange fa izy no te handeha
-Ka tsy handeha ve izy
Vehivavy nilaozambady ianao
Manala baraka anay
Manala baraka fianakaviana
Jereo ity volonao
Jereo ity tarehy
Jereo ity sakafo
Jereo ity trano mikorontana
Lehilahy iza no ho tamana amin'izao
-Koa mba efa niezaka ao re
Ny volo notapahina, natao plaquage
Ny tarehy nohosorana diloilo manitra
Ny sakafo niezahana hatsiro isan'andro
Ny trano ampirimina
Kanefa ange Ikoto sy Ikala
Mitaky fitiavana sy fikarakarana
Ny sakafo adino eo ambony fatana
Ny trano voakorontana
Angaha misy hitany akory
Izy anie ka mody alina
Mamom-behivavy hafa sy toaka
Domelin'ny hatezerana
Fa ratsy hono ny fiainanay
Ratsy taiza hono ny ankizy
Ratsy tarehy hono ny vadiny
Vehivavy hafa hono no tadiaviny
Koa dia ny fahareseny no vonoiny
Vonoiny amin'ny tavako sy ny vatako
Vonoiny isan-kariva fa tsy mety voafafany
Tamin'ny farany teo efa tonga ny fokonolona
Dia nohafatrafarana aho hoe
Vehivavy ka mihareta
Mihareta hatramin'ny farany
Fiharetana eto an-tany
Hatramin'ny nikororosian'ny lanitra eo ambony
Tonga teo ingahy mompera nilaza hoe
 Tsarovy Victoire Rasoamanarivo
Fa tsy fahasambarana any ankoatra anie no tadiaviko
Fa mba kosa filaminana ho an'Ikoto sy Ikala
Tonga ianao androany ry Neny ka hoe
Efa izy no anjara
Fa vono olona ve no fetra
Ary fanagejana no lahatra
 satria ho aiza moa
Fa izaho dia vehivavy tsy miasa?
Ka dia aleo re ry mama…
-
Jereo ity volonao
 Jereo ity tarehy
Jereo ity sakafo 
Jereo ity trano mikorontana
Lehilahy iza no ho tamana amin'izao…