· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Bangladesh tamin'ny Avrily, 2013

An-jatony Ireo Namoy Ny Ainy & Mbola Karohina Noho Ny Fianjeranà Tranobe Tao Savar

  25 Avrily 2013

Tamin'ny 24 Aprily 2013 maraina, tranobe misy rihana sivy no nianjera tao Savar, tanàna manodidina ny renivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka. Olona maherin'ny 142 no namoy ny ainy, olona an'arivony teo kosa no naratra ary an'arivony ireo mbola karohina ao anaty korontan-trano-rava. Ahitana orinasan-damba manomboka ao amin'ny rihana faha-3 hatrao amin'ny rihana faha-8. Olona...

Bangladesh: Global Voices Manameloka Ny Fisamborana Bilaogera

Ny Fiarahamonina Global Voices, ahitana bilogera, mpanoratra ary mpikatroka avy amin'ny firenena mihoatra ny 100 no te-haneho ny ahiahiny amin'ny lalana diavin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera amin'izao fotoana izao ao Bangladesh. Miantso ny hamotsorana tsy misy hatak'andro ny bilaogera voafonja izahay ary mandrisika ny mpikambana ao amin'ny governemanta hitazona hatrany ny fiantsorohany ny lalana ao amin'ny firenena sy iraisampirenena eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona.

Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

GV Mpisolovava  02 Avrily 2013

Nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh - Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Mbola mila fantarina ihany koa raha toa ka ny manampahefana no nibahana azy io ary noho ny antony inona.