· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Bangladesh tamin'ny Novambra, 2012

Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

  28 Novambra 2012

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay...

Hetsi-panoherana Tao Phulbari Hanoherana Ny Tetikasa Fitrandrahana Arintany Manao Tafo Lanitra

  26 Novambra 2012

Tao Phulbari, 350 km avaratra-atsinanan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh, tonga niaraka daholo ireo vondrom-piarahamonina samihafa mba hanandratra ny feon-dry zareo manohitra ilay tetikasa fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ilay tetikasa, raha tafapetraka manontolo, dia haka tanàna maherin'ny 100000 ao anatin'ny faritra mirefy 59 Km² manodidina ary hamindràna toerana mponina an-jatony maro sy hisy fiantraikany maharitra eo amin'ny tontolo iainana

Iharan'ny Fanararaotana Ireo Ankizy Eny An-dalambe Ao Bangladesh

  14 Novambra 2012

Raha mihitsoka mandritra ny minitra vitsy anatin'ny fitohanana ao andrenivohitr'i Bangladesh, Dhaka ianao, dia mety hahita ankizy mihazakazaka mamonjy ny varavarakelin'ny fiaranao. Mitondra voninkazo ny sasany amin'ireo ankizy; ny sasany kosa mihazona boky ao anatin'ny sandriny, ny hafa milanja fehezana gazety ary ny hafa mitondra vatomamy ary ho amidy avokoa izany rehetra...

Tonga Indray Ny Hetsika Hay Festival Dhaka!

Ao Bangladesh, nanjary malaza ny fampiasana teny Anglisy amin'ny literatiora. Tsy hihanoka fotsiny amin'ny fanoratana amin'ny teny Bangla, mpanoratra maro no nanapa-kevitra hanoratra amin'ny teny Anglisy. Zava-baovao malaza ao Bangladesh izany. Hihaona indray ireo mpanoratra amin'ny teny Anglisy ao Dhaka amin'ilay hetsika andiany faharoa Hay Festival. Amin'ny 15-17 Novambra 2012 no...

Nivadika ho Blagy Ny Raharaha Famonoana Ireo Mpivady Mpanao Gazety Tao Bangladesh

  08 Novambra 2012

Tamin'ny 11 Febroary 2012, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao amin'ny trano nofainy tao andrenivohitra ilay tonian-dahatsoratra tao amin'ny fahitalavitra Maasranga, Sagar Sarwar sy ny vadiny izay mpanao gazety ao amin'ny ATN Bangla, Meherun Runi (Jereo ny lahatsoratra ato amin'ny Global Voices [mg] )। Tamin'izany andro izany, nanambara ny Minisitry ny Atitany...