Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Bangladesh

17 Novambra 2014

Google Bus Mitondra Fahaizana Aterineto Hoan'ireo Mpianatra Antsasa-Tapitrisa Ao Bangladesh

"Mahafinaritra fotsiny izy :) zava-baovao amiko ilay izy saingy tena faly tanteraka aho. Mino aho fa hiparitaka atsy ho atsy sy halaza ao Bangladesh izany…hoy ny mpisera Twitter iray miresaka ny tetikasa google bus.

16 Novambra 2014

Sambany Nankalaza Ny Diabem-pireharehana ny Hijras, Mpanova Taovam-pananahana ao Bangladesh

Nahazo fankatoavana avy amin'ny governemanta ho olona manana taovam-panahanana miavaka ny fiarahamonina Hijra Bangladesh tamin'ny taon-dasa, nankalaza ny tsingerintaona voalohan'izany izy ireo tamin'ny alalan'ny diabem-pireharehana maroloko araka ny hita amin'ireto sombin-tsary ireto.

16 Oktobra 2014

Hetsik'ireo Mpianatra Manohitra Ny Fanadihadiana Ratsy Tantana Ny Fihetraketrahana Ara-nofo Tafahoatra Any Andrefan'i Bengal

Nanao hetsika tampoka sy nahomby ireo mpianatra avy amin'ireo toeram-pianarana hafa sy ireo solontenan'ny vahoaka mba hanehoan'izy ireo ny tsy fankasitrahany tanteraka ny fomba nitantànan'ireo manampahefana ilay tranga-nà fanaovana habibiana farany teo.

10 Septambra 2014

Ice Bucket Challenge An'i ALS : Inona Avy Ireo Lesona Azo Tsoahana ?

GV Mpisolovava

Tsy azo lavina fa lasa maro ny olona mahalala bebe kokoa momba ny ALS noho ny teo aloha, anefa nanome tsiny ilay hetsika ireo tsikera hoe manome vahana bebe kokoa ny fanbandratan-tena fotsiny ilay izy.

04 Septambra 2014

Hôpitaly Tsy Miankina Any Bangaldesh: Razana Tazonina Ho Antoka Satria Tsy Afaka Nandoa Vola Teo Noho Eo Ny Fianakaviana

Ny tsy fahampiana any amin'ireo hôpitalim-panjakana ao Bangladesh, ary ireo tsy fahatokisana ny fikarakarana no manosika ny olona hisafidy ny handeha ho any amin'ny hôpitaly tsy miankina, izay amin'ny sarany lafo dia lafo.

24 Aogositra 2014

Fisorohana Ny Toetrandro Ratsy Ao Bangladesh

Ny tanjon'ny rodobe ho an'ny famantarana ny toetrandro ao Bangladesh dia ny fandalinana ny toetrandro ratsy any, anisan'izany ny tondradrano, ny rivomahery ary ny haintany.

08 Aogositra 2014

Sambo Mpitondra Mpandeha Be Olona Loatra Rendrika tao Bangladesh; 2 No Maty, Mihoatra ny 100 Nanjavona

Nisy olon-tsy fantatra naka sary tamin'ny finday ilay sambo rendrika avy amin'ny sambo iray hafa teo akaikiny. Nifampizarana imbetsaka tao Facebook sy YouTube izany lahatsary izany.

31 Jolay 2014

Nakaton'ny Manampahefana Ao Bangladesh Ny Trano Iasan'ny Mpivaro-tena Nijoro Efa Ho 200 Taona Izao, Mpivaro-tena An-jatony No Voaraoka Tamin'izany

Fanerena avy amin'ireo mpitarika fivavahana sy mpanao politika kaonservativa no antony ilazana fa mahatonga ny fanakatonana ny tranon'ny mpivaro-tena ao Bangladesh. Saingy niampanga ireo manampahefana ao an-toerana ho maka tany an-keriny kosa ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh.

19 Jolay 2014

Potehin'ny Polisy ao Bangladesh Ny Voankazo Manga Vokatra Fa Misy Formaldehyde

Raofin'ny polisy sy potehiny ny garaba feno manga satria ambony loatra ny tahan'ny formol, taharon'ny formaldehyde atsifitra amin'ny voankazo mba hahaela kokoa ilay voankazo tsy ho lò.

07 Jolay 2014

Bangladesh : Làlana Voaravaky Ny Loko Marevaky Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Mba Hifaninana Amin'i Brezila

Tsy tafita amin'ny lalao fifanintsanana i Bangladesh, nefa na dia izany aza dia voan'ny tazon'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany ireo mpitia baolina kitra ao amin'ny firenena