· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Avrily, 2013

Fivoriana Manohitra Ny Fankahalàna Hanosehana ny Fanavakavaham-Bolonkoditra Mihamanjaka ao Sri Lanka

  29 Avrily 2013

Miomana ny hivory ao an-drenivohitra Colombo ny andron'ny 28 avrily ny mpikatroka manohitra ny fankahalana. Niaina fanafihana maherisetra misingatsingana sy kabary fankahalàna vondron'olona vitsy an'isa ny firenena tao ho ao. Tonga roa herinandro monja taorian'ny fiaretan-tory amin-dabozia nataon'ireo olona nijoro teo ivelan'ny biraon'ny Bodu Bala Sena (na Herin'ny Tanjaky ny...

Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis

  27 Avrily 2013

Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry ny fifidianana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 1985 raha natokana tao amin'ny lisitry ny fivavahana vitsy an'isa ny mpifidy Ahmadi. Tamin'ny...

Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’

  27 Avrily 2013

ONG iray iraisampirenena ny Video Volunteers, no sady mpiaro zon'olombelona, nanomboka ny fanentanana ARTIKLA 17 tamin'ny taona lasa izay idiran'ny fandraisana andraikitra amin'ny fijoroana vavolombelona mikasika ireo endrika samihafa isehoan'ny 'Tsy Fikitika' noraketin'ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers an-tsary. Hatreto dia lahatsary 30 no azo jerena mikasika ny fanaovana izany manerana an'i India.

An-jatony Ireo Namoy Ny Ainy & Mbola Karohina Noho Ny Fianjeranà Tranobe Tao Savar

  25 Avrily 2013

Tamin'ny 24 Aprily 2013 maraina, tranobe misy rihana sivy no nianjera tao Savar, tanàna manodidina ny renivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka. Olona maherin'ny 142 no namoy ny ainy, olona an'arivony teo kosa no naratra ary an'arivony ireo mbola karohina ao anaty korontan-trano-rava. Ahitana orinasan-damba manomboka ao amin'ny rihana faha-3 hatrao amin'ny rihana faha-8. Olona...

Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana

  22 Avrily 2013

Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana manerana ny firenena izay miady amin'ny fitomboan'ny tranga fanolanana izany. Niharan'ny fanolanana narahina herisetra ity ankizivavy 5 taona ity nandritra ny...

Làlana Mihoson-drà Mankany Amin'ny Fifidianana Ao Pakistan

  18 Avrily 2013

Fanaovana vy very ny aina amin'ny fanapoahana baomba, grenady iray sy fipoahana baikoana avy lavitra - izany rehetra izany anaty andro iray monja. Olona siviambinifolo no maty taminà tranga telo samihafa nikendrena ireo mpirotsaka hofidiana avy aminà antoko politika telo samihafa. Ny 16 Aprily 2013 no andro iray vonton-drà ho an'ireo mpanao fampielezankevitra tao Pakistana.

Topimaso Mivantana Tsy Fahita Firy Amin'ny Indostrian-damaody Pakistane Vao Mivoatra

  17 Avrily 2013

Raha tsy dia mahaliana ny firenen-kafa izany, manana anjara toerana lehibe kosa ny lamaody amin'ny fiainana Pakistane. Halefa mivantana amin'ny aterineto ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistàna ny 9-10 Aprily, avy any Karachi ka hitondra endrika vaovao amin'ny indostria vao misandratra sy efa matianina izay mampiseho fa tsy henjana na mpiaro ny nentin-drazana araka ny eritreretin'ny maro ireo fepetra ara-kolotsaina any Pakistana..

Bodista Manontany Ireo Bodista Henjam-pihetsika

  16 Avrily 2013

Maro amin'ireo Sinhla Buddhists no mijoro manohitra ilay herisetra vao haingana teo natao tamin'ireo Silamo sy ny fivavahana hafa, ary ireo lahateny feno fankahalana nataon'ny Bodu Bala Sena (hery Bouddhiste), fikambanana iray Sinhala-Buddhist mahery fihetsika miorina ao Colombo (Sri Lanka). Naparitaky ny mpitandro filaminana sy ireo bodista mahery fihetsika ny fiaretan-tory iray nitondràna labozia tao Colombo renivohitr'i Sri Lanka, nokarakarain'ny vondrona Faceboob 'Buddhists Questioning Bodu Bala Sena’.

Bhutan Mizotra Ho Any Amin'ny Voajanahary Manontolo

  14 Avrily 2013

Ny Fanjakan'i Bhutan Himalayan, diso fantatra loatra amin'ilay "Gross National Happiness" , na maridrefin'ny hasambarana, nasolony ny hoe Harin-karena Faobe, dia nametraka ho tanjony ny fanatratrarana ny toeran'ny firenena voalohany eto an-tany mitodika manontolo amin'ny voajanahary.

Bangladesh: Global Voices Manameloka Ny Fisamborana Bilaogera

GV Mpisolovava  11 Avrily 2013

Ny Fiarahamonina Global Voices, ahitana bilogera, mpanoratra ary mpikatroka avy amin'ny firenena mihoatra ny 100 no te-haneho ny ahiahiny amin'ny lalana diavin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera amin'izao fotoana izao ao Bangladesh. Miantso ny hamotsorana tsy misy hatak'andro ny bilaogera voafonja izahay ary mandrisika ny mpikambana ao amin'ny governemanta hitazona hatrany ny fiantsorohany ny lalana ao amin'ny firenena sy iraisampirenena eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona.