· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Desambra, 2012

Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao

  30 Desambra 2012

Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.

Miteraka Fitakian-dRariny any Nepal ny Trangam-Panolanana tany Delhi

  30 Desambra 2012

Tsy nanerana an'i India ihany no niteraka fahatezerana ny tranga-na fanolanana iarahan'ny maro natao fa niteraka fanafintohinana ihany koa tamin'ny firenena manodidina azy tahaka an'i Nepal. Tsy dia misy fahasamihafany amin'ny fiaraha-monina ao Nepal loatra ny fanjakazakan'ny lehilahy any India sy any amin'ny firenena atsimon'i Azia maro raha eo amin'ny resaka...

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava  29 Desambra 2012

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza

  29 Desambra 2012

Tamin'ny 9 Desambra 2012, novonoin-ko faty tamin'ny fomba feno habibiana i Biswajit Das 24 taona, nandritra ny fotoana fanakanan-dalana adiny 8 nataon'ny mpanohitra, teo anatrehan'ny besinimaro ary koa mpanao gazety maro avy amin'ny haino aman-jery maro izay sahirana naka sary sy nandrakitra lahatsary ity loza niseho ary tsy nanao na inona na inona mba hiezaka hamonjy ity tanora amin'ity fiafarana mahatsiravina. Tohina sy alahelo no mipololotra avy amin'ny haino aman-jerim-bahoaka.

Tranganà Fanolanana Vehivavy Tao Delhi Nahatezitra Olona Nanerana An'i India

  28 Desambra 2012

Fanolanana vehivavy 23 taona tao anaty fiara fitateram-bahoaka tany Delhi no niteraka henatra sy fahafaham-baraka ho an'i India. Nahatonga fanontaniana maro teo anatrehan'ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ity zava-niseho ity tao amin'ny renivohitra Indiana ary nitsikeràn'ny fiaraha-monina ny resaka mamoa-fady toy ny "fitaovam-pananahana" sy ny fanolanana.

India : Adi-hevitra Manodidina ny Famonoana ho Faty Noho ny Fanolanana

  28 Desambra 2012

Delhi, sy ny fiantsoana azy mampiahiahy ho ‘renivohitry ny fanolanana’ no nanatri-maso indray ny fanaovana an-keriny  vehivavy 23 taona (jereo ny tatitry ny Global Voices), izay niteraka fihetsiketseham-panoherana goavana tao an-drenivohitra sy nanerana ny firenena. Noho ny fahasosorana tamin'ny herisetra farany teo, nitaky ny hahahentitra kokoa ny lalàna sy hanenjanana ny fanasaziana...

Pakistana: Nakatona ny Twitter

GV Mpisolovava  16 Desambra 2012

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo ny Twitter. Nampiroborobo fifaninanana tamin'ny Facebook ireo sioka mba handefa ny sarin'ilay Mpaminany Islamo Muhammad, hoy i Mohammad Yaseen, filohan'ny Fitantanana ny Fifandraisan-davitra...

Pakistana: Mehzar – Shiita Kely Taona Indrindra Niharan'ny Herisetra

  12 Desambra 2012

Syeda Mehzar Zahra, anisan'ireo kely taona indrindra niharan'ny fanafihana nataon'ireo mpampihorohoro sy fikambanana mahery fihetsika ao Pakistan tamin'ireo Miozolomana Shiita. Voatifitra ity tovovavy 12 taona – izay nantsoina hoe Anna Frank Pakistana taloha -raha naka azy tany an-tsekoly ny rainy, Syed Nazar Abbas. Ny marainan'ny 30 Novambra 2012 no nisehon'izany raha voalaza fa...