· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Oktobra, 2012

Bangladesh: Mampanahy Amin'ny Fahampiana Ara-tSakafo Ny Fihenan'ny Fiankinan-doha Amin'ny Fambolena

  23 Oktobra 2012

Firenena mivelona amin'ny fambolena i Bangladesh. Marobe ireo mponina no miankina amin'ny fambolena ny fivelomany. Ankehitriny, 19.1%-n'ny PIB (Vokatra Ankapobe Anatiny) dia avy amin'ity sehatra ity . Navoakan'ny fanadihadiana farany teo [bn] fa miha-mijotso ny fiankinan-doha amin'ny fambolena sy ny voka-pambolena ao amin'ny firenena. Nihena ihany koa ny fampiasana olona eo amin'ny...

India: Mitohy ny Fifandirana Manodidina ilay Toby Nokleary Kudankulam

  23 Oktobra 2012

Tao anatin'ny hetsi-panoherana (jereo ny lahatsoratra Global Voices) no nanombohan'ny tetikasa Angovo Atomika ao Koodankulam, ao Tirunelveli, distrikan'ny firenena Indiana Atsimo,Tamil Nadu tamin'ny volana lasa teo. Nanomboka namokatra herinaratra ny orinasa saingy miharatsy hatrany ny toe-draharaha satria mbola mitohy ny fisamborana olona ary mbola maro ireo mpanao fihetsiketsehana any am-ponja. Nanamarika ny antso ho amin'ny...

Pakistan: Malala Yousufzai sy ny fanafihana amin'ny fiaramanidina baikoana

  18 Oktobra 2012

Hatramin'ny nanafihan'ny olona mitam-basy an'ilay mpitolona tanora Malala Yousufzai tany Swat, dia nampametra-panontaniana maro ny fahombiazan'ny fanafihana ataon'ny fiaramanidina baikoana any Pakistan. Taorian'ny fanafihana tamin'ny 9 oktobra 2012 (jereo ny fanadihadihana Global Voices) dia hatezerana no nivoaka eran'izao tontolo izao, ary anisan'ny tezitra koa aza ireo antoko politika sy antokom-pivavahana any...

India: Tahirin-dahatsary Amin'ny Aterineto Ho An'ny Zava-kanto An-Tsehatra

  17 Oktobra 2012

Shabda no hany tahirin-dahatsary amin'ny aterineto izay mampiseho ireo karazana endrika zava-kanto Indiana. Liana tamin'ny endrika TED, dia nanasa ny mpahay zava-maneno, ny dihy na ny seho an-tsehatra ny mpamorona ny Shabda mba hampianatra ny loha-hevitra nofidian'izy ireo mandritra ny roapolo minitra.

Pakistana: Nanafika An'i Malala Yousufzai Ireo Mpivavaka mahery fihetsika

  15 Oktobra 2012

Naratra mafy ilay tovovavy 14 taona mpiaro ny zon'ny vehivavy handeha hianatra, Malala Yousufzai. Nifanehatra tamin'ny Talibana i Malala, ka nifatratra tany aminy ny bala tamin’ izy handeha hody avy nianatra. Nitsofoka tany anatin'ny tendany ny bala ka atahorana mafy ny ainy noho izany. Nanambara ny fampahalalam-baovao fa efa tafala soa aman-tsara tao anatin'ny...

Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly

Akon  09 Oktobra 2012

Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...