Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Septambra, 2011
Pakistan: An-tapitrisany Tratry Ny Tondra-drano Ao Sindh, Tsy Misy Mpijery
Taorian'ny tondra-drano niteraka faharavàna be tamin'ny taona 2010 tao Pakistan dia tsy nisy dingana mivaingana noraisin'ny governemanta hatreto mba hiatrehana ny mety ho fisian'ny tondra-drano amin'ny hoavy. Ny fiantraikan'io tsy firaharahiana io dia nandravaràva indray ny tondra-drano. Ny ivon'ilay zava-doza tamin'ity taona ity dia i Sindh izay namafàn'ny tondra-dranobe tanàna maro ary namindràna toerana olona an-tapitrisany.
Bangladesh : Ny Adihevitra Momba Ny Sata Ao Amin'ny Facebook
Facebook dia manomboka ho filazam-baovao ara-tsosialy fanta-daza ao Bangladesh toy ny any amin'izao tontolo izao, kanefa ny satanao ao amin'ny Facebook dia mety hitera-doza ihany indraindray. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana nampiharina tamin'ilay mpampianatra mipetraka any ivelany, izany no vokatry ny sata napetrany tao amin'ny Facebook.
Pakistan: Famporisihana Ny Tanora Ho Amin'ny Ampitso Tonga Lafatra
Ny Ivon-toeram-pianarana Fandriampahalemana sy Laika (Institute of Peace and Secular Studies - IPSS) dia fikambanana kely naorina ho an'ny tanora any Lahore, Pakistan, izay mikendry ny handrisihana ireo tanora Pakistane sady manofana azy ireo hiatrika ny fanambin'ny anio.Koa satria tsy afaka mahazo fanabeazana feno sy ampy ny ankabeazan'ireo tanora any Pakistan dia maniry ny hanolo-tànana izay tratra ho an'ireo tanora ny IPSS ary manome fahavononana azy ireo hiatrika ny ho aviny.
India : Fipoahana Baomba Teo Ivelan'ny Fitsarana Avon'i Delhi, Nahafaty Olona Sivy
Farafahakeliny olona sivy no voalaza fa namoy ny ainy ary dimy amby efapolo no naratra tamin'ny fipoahan'ilay baomba teo ivelan'ny Fitsarana Avon'i Delhi aloha be io maraina io. Naneho hevitra tamim-pahatohinana sy tamin-katezerana tao amin'ny Twitter ireo mponin'ny aterineto. Fanadihadiana Aparna Ray