· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Aogositra, 2011

Pakistana: Fanabeazana, Fanantenana Farany

  29 Aogositra 2011

Satria eo am-pivoahana amin'ny krizy sosialy sy politika ny ao Pakistana, navoitran'ny fiaramonim-pirenena ny maha-zavadehibe ny fanabeazana. Izany hevitra izany dia noho ny zava-misy sy fanantenana  angamba, angamba fotsiny satria ny fanabeazana no fanalahidy  hitondra filaminana eo anivon'ny ady an-trano anatiny mampitebiteby izay iainan'ireo Pakistaney isan'andro . Mpisionkatserasera PakistaneyAly Nasser nanoratra...

Pakistan: Mankalaza ny Fetin'ny Fahaleovantena

  17 Aogositra 2011

14 Aogositra ny Andron'ny Fahaleovantenan'i Pakistan, izay manamarika ny daty nialàna tamin'ny fanjanahana Britanika ary nahatonga azy ho firenena afaka. Amin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny firavoravoana be ny 14 Aogositra, tsy teny an-dalana ihany fa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa. Bilaogera mahafatrapo nandefa lahatsoratra momba an'i Pakistan, mivavaka ho amin'ny fandrosoany sy ny fahombiazany.

Bangladesh: Fahafatesana Mahatsiravina Niteraka Fanarahamaso akaiky ny an-dalambe

  16 Aogositra 2011

Nahatohina ny Bangladeshi mafy tokoa ny fahafatesana tampoka nahazo ilaytale nahazo loka taminà famokarana sarimihetsika Tareque Masud sy ilay mpaka sary (cameraman) fanta-daza maneran-tany sady mpanao gazety amin'ny fahitalavitra Ashfaque Munier Mishuk tanaty lozam-pifamoivoizana. Misaona ny fahafatesan'izy ireo ny mponin'ny aterineto sady manontany mikasika ny fiarovana eny amin'ireo làlambe Bangladeshi.

Bangladesh : Teratany Sa Tsy Teratany, Izany No Fanontaniana

  15 Aogositra 2011

Volana vitsivitsy izay, olona teratany Bangladeshi maro no nidina an-dalambe hanao fihaonana, rojon'olonmbelona sy fifamoriana, mitaky ny fankatoavan'ny lalàmpanorenana ny mponina any amin'izy ireo. Manambara ny heviny koa ireo Bilaogera momba ity raharaha ity.

Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10

  14 Aogositra 2011

Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.

Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh

  11 Aogositra 2011

Ilay 'Fampisehoana ho an'i Bangladesh', Fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'i George Harrison sy Ravi Shankar 1 Aogositra 1971, dia zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i Bangladesh