The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Azia Atsimo Tahiry Faritra

RSS ho an i Azia Atsimo

2009-10-28

India: Mpanao gazety mpitoraka bilaogy nanelanelana hanavotana polisy takalon'aina

Tao amin'ny fanjakan'i Bengal andrefana dia nisy ady nifanandrinan'ny mpioko maoista(Naxalites) sy ny miaramilam-pirenena. Noraran'ny fitondrana tamin'ny volana jona lasa teo ny Antoko Komonista Indiana (Maoista), antoko miafina sady tsy manana solontena ao amin'ny antenimiera, noho ny lalàna mandrara ny hetsika tsy manara-dalàna ka nanondroany io antoko io ho ...

2009-10-14

Nepal: Mankany amin'ny fankalazàna ny Dashain tsy misy fanaovana sorona ireo biby

Ny fety be ara-pinoana Dashain, manan-dànja indrindra any Nepal dia nankalazain'ny diaspora Nepaley eran-tany. Somary nisy olana kely ny Dashain tany Nepal tamin'ity taona ity, noho ireo mpiaro ny zon'ny biby mitaky ny fampitsahàrana ny fanaovana sorona biby mandritra ny fankalazàna.

2009-09-13

Pakistana: Fahafatesana nandritra ny Seho mivantana

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pakistane ny fahafatesan'ilay Pakistane iray mpandray anjara tamina seho mivantana. Mpitoraka blaogy maro no manontany momba ny fisian'ireny karazana seho fialamboly ireny, izay tsy ampy fepetra fiarovana, ary ny andraikitr'ireo vondrona vaventy izay manohana azy ireny.

2009-09-07

Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany

Conversations for a Better World
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.

2009-09-05

Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy

Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais ...

2009-08-11

Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project' sy ny dioranoVideo post

Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà ...

2009-08-07

Pakistan: ny “Mouvement Go Green” na ny hetsika alefa ry maitso

Manana namana pakistanais ao amin'ny facebook na ao amin'ny twitter ve ianao? Raha eny, mazava ho azy fa misy ny sariny eo amin'ny fidirana ary ny sarin'ny sainam-pirenena pakistanais no rindrina ao aoriany. Izany dia vokatry ny "Mouvement Go Green" notarihan''i Farhan Masood sy ireo namany mpilatsaka an-tsitrapo manerana ...

2009-08-04

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.

2009-08-03

Pakistan: Niverina ny rariny?

Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana.