Tantara mikasika ny Azia Atsimo
Mahasoa ny Vazimba teratany ve ireo valan-javaboaharim-pirenena sy ireo lalàna mikasika ny fiarovana ny biby any Nepal ?
Nahita fahombiazana marobe teo amin'ny lafiny fiarovana ny bibidia i Nepal. Na izany aza, niaritra andiana fanitsakitsahana zon'olombelona ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany any Nepal noho ireo politikam-piarovana mampahory.
Tianao ho fantarina bebe kokoa ve ny momba an'i Nepal? Tsidiho ny pejy Ask me about Nepal
Niantsafa tamin'ilay mpanoratra Nepaley sady mpaka sary Nikki Thapa ny Global Voices momba ny hetsika ataony "Ask me about Nepal" izay vavahadin-tserasera tokana, mikendry ny hamaly ny fanontaniana rehetra momba an'i Nepal.
Mitrandraka ny fifindràmonina, ny maha-mpikambana sy ny dikan'ny hoe an-trano ao Sri Lanka
Tao amin'ny fampirantiana zavakanto tao an-drenivohitr'i Sri Lanka, nasehon'ilay mpanakanto marolafy, Firi Rahman, ny fijalian'ireo mponina ao amin'ny Nosin'ny Andevo miatrika ny loza mitatao ateraky ny fanilihana tsikelikely ny mahantra.
Hafanao ny tanako: Tantaran'ny Nepali iray vao vita raharaha
"Ankehitriny, eto Kathmandu, hitan'i Kalpana fa tsy mifanaraka amin'ny fitantarana henony miverimberina tany an-tanindrazany ny fiainana.."
Efatra mpitarika fanovàna miady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na vavy ao Afrika sy India
Ny "Intimate partner violence (IPV)" sy ny "non-partner sexual violence(NPSV)", ireo no endrika roa be mpahafantatra amin'ny herisetra iainan'ny vehivavy.
Dingana voalohany mankany amin'ny fifehezana ny tambajotra sosialy bebe kokoa ny fandraràna ny TikTok ao Nepal izay ataon'ny governemanta
Tamin'ny 13 Novambra 2023, nametraka fandrarana feno ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa TikTok ny governemanta Nepali noho ny filazan’izy ireo fa miteraka korontana ara-piarahamonina eo amin'ny Nepaley ity sehatra ity.
Miha-maoderina ny tanàna ambanivohitra nepaley, an-tampon'ny hanjavona ny zavakanto mokha
Efa nisy ny fotoana nanjakan'ny trano volotsangana sy rotsipeta nitafo bozaka sy taila ny endritanin'ambanivohitr'i Nepal ary voaravaka zavakanto mokha ny tranon'ny Tharu. Fa novonoin'ny fampanjakana ny maoderina izany endrikanto izany.
Famotsipotsirana ny olana: Ahiahim-by mavesatra amin'ny famatsian'atodiakohon'i Bangladesh
Ny atody no loharanon'ny proteinina mora vidy indrindra ao Bangladesh. Nahatsikaritra tahan'ny metaly mavesatra ambony anaty atody eny amin'ny toeram-piompiana ao an-tanànan'i Dahaka ny fikarohana vao hainganan, ka miteraka loza ara-pahasalamana.
20 taona nampiakarana an'i ‘Mandu’ tao anatin'ny Jazz
“Tany am-piandohana izahay dia nifanehatra tamin'ny fisalasalana sy fifanjevoana mikasika ny jazz, saingy ankehitriny kosa dia tsy mila hazavaina izany, napetraky ny ny Jazzmandu ho eo anaty sarintany ny jazz sy i Katmandou."
Fanapahankevitra manan-tantara: Nolavin'ny fitsarana Antampony ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao India
Ny 17 Oktôbra 2023, nisy mpitsara dimy avy amin'ny Fitsarana Antampony ao India nanapaka tsy nisy nitsipaka / nanohitra ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ireo mitovy fananahana. Niteraka ahiahy teny anivon'ireo mpikatroka LGBTQ+ io didim-pitsaràna io