Global Voices teny Malagasy » Nouvelle Zelande
Fiji: Fanehoan-kevitra manoloana ny fisamborana ireo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy
Notaterina teto amin'ny Global Voices vao tsy ela akory izay fa notazonin'ny polisy ireo solosaina findain'ireo olona telo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Raw Fiji News manohitra ny governemanta.
Ireo mpanao lalàna telo, ankoatry ny maro hafa, dia notononina anarana vao haingana tao amin'ny vohikala Real Fiji News manohana ny governemanta. Rehefa nohamafisin'ny polisy ny fisamborana sy ny fitazonana ireo solosaina finday dia tsy nilaza mikasika ny fitazonana ireo olona telo ireo ny mpitondra teny. Navotsotra avokoa moa izy telo ireto kanefa tsy nisy resaka kosa ny mikasika ireo solosaina finday.
Kanefa raha hiverenana ny anton'ny fisamborana - na ny marina ny fitakiana mikasika ireo olona izay mamahana bilaogy ao amin'ny Raw Fiji ankehitriny - aleo hatombontsika amin'ny hoe nahoana no nanonona anarana ny Rean Fiji News.
Ao amin'ny fitakiana ilay mpanao lalàna Richard Naidu izay noheverina ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny sita manohitra ny governemanta, dia mamely ny bilaogin'ny Raw Fiji News ny Real Fiji News.
Mamotika fiainan'olona maro izy ireo, olona izay nantsoiny hoe “Coup Apologists”, mandainga amin'ny lafiny ekonomika, mandainga amin'ny fitantanana, mandainga amin'ny vola azo avy amin'ny makarakara, mandainga amin'i Foji, mandainga amomba ny miaramila, mandainga momba ny governemanta. Toa mora loatra ny miafina ao andamosin'ny sita mitoraka bilaogy ary mamafy lainga rehefa avy eo. Ity sita ity ihany no ahazoana mamantatra ny marina, ary noporofoanay matetika fa ny Raw Fiji News dia tsy mihevitra afa-tsy ny mandrangitra korontana sy herisetra eto amin'ny firenena ary manao izay hahatonga ny rehetra ho sodokan'ny hoe ara-dalàna.
Ny mpamaky iray antsoina hoe Boo Boo no nanoratra ao amin'ny Real Fiji News taorian'ny fanambarana ny fisamborana.
Izay zavatra neritreretin'izy ireo sy noheveriny ho mety dia nifototra tsy tany aminy fotsiny fa tamin'ny firenena manontolo mihitsy amin'ny lafiny maro. Voavakin'ny olona rehetra ny fanehoan-kevitra navoakany ary maro tamin'ireny mpamaky ireny anefa no nihevitra ny hitsidika an'i Fiji; fitsudihana izay nofoanana indray vokatry ny endrika ratsy mikasika ny firenena. Tsy ho avy aty amintsika intsony ireny mpitsidika ireny! Misaotra an'ireo olona ireo aho. Ny lavaka lalina efa misy eo amin'ny lafiny ekonomika, izay tsy inona fa ny fizahan-tany, no avelanareo ho lova. Mahakasika ny mpiasa marobe sy ny fianakaviany miasa amina trano fandraisam-bahiny marobe izany. Avelantsika eo ny olana mahazo ny lafiny ekonomika, fa ireny olona ireny no nanapotika an'i Fiji. Tsara be!
Nilaza ny Fiji Girl fa diso lalana ny governemanta raha nisambotra ireny olona ireny
Mihevitra ve ny fitondrana sy ny Real Fiji News fa i Richard Naidu, Jon Apted ary Tevita Fa dia mpamahana bilaogy? Aleo lazaina hoe olona tsy mahita ny ambany masony akory! Tokony ho fantatry Real Fiji News fa ny TENA mpitoraka bilaogy - tahaka anareo - dia tsy mpanatrika fihetsiketsehana sy mpanakorontana. Tahaka ny mpampirisika ao andamosin'ny Real Fiji News dia mpaneho hevitra izahay, mpandinika - mpitazana, raha tianareo - ary hatramin'ny nanjavonan'ny fahalalahana amin'ny filazam-baovao , dia lasa mpanao gazety koa. Ny olona tahaka an-dry Richard Naidu, Jon Apted, Tevita Fa, Dorsami Naidu, Shamima Ali ary Virisila Buardromo dia olona sahirana mafy amin'ny filazana ireo asa tsara sy ireo zavatra nataony manokana ary manoratra mikasika izany fa tsy mandany fotoana amin'ny fanalikana ny fitondrana tsy ara-dalàna. Tahaka ny ataonay mpitoraka bilaogy rehetra ihany. Manana zavatra tsaratsara kokoa handaniany ny androny izy ireo.
Izahay mpitoraka bilaogy dia manana adidy - ary heveriko fa zava-dehibe izany - dia mamoaka ny vaovao mahakasika ity fitondrana tsy ara-dalàna ity, manohana izany hevitray izany ary mamelona ny ady hevitra.
Tokony ho nisy tehamaina moramora nitefaka taorian'ny nisamborana ireto mpahay lalàna, notondrina ho mpitoraka bilaogy, raha fantatra fa tampoka teo dia nahoraka tamin'ny sita rehetra iny fisamborana iny.
Milaza i TeeJay ao amin'ny Free Fiji fa manelingelina ny fitondrana ny fisian'ny mpitoraka bilaogy miresaka iny fisamborana iny.
Ny vaovao momba ny fitondrana tsy ara-dalàna nisambotra, avy eo namotsotra indray mpahay lalàna anakiroa nahiana ho tao andamosin'ny sita Raw Fiji News, no manambara fa misy fiantraikany ny fitorahana bilaogy.
Na nisy na tsy nisy fandraisana anjara nataon'i Richard Naidu sy Jon Apted dia tsy misy dikany izany satria TSY mahafoana ny mpitoraka bilaogy ny fitondrana tsy ara-dalàna.
Ho anareo rehetra nahatoky sy mahafinaritra ao Fiji ary mitoraka bilaogy any ivelany, hotahian'Andriamanitra anie ianareo noho ny ezaka ataonareo ho an'ny firenena. Tazony hatrany izany satria tena misy dikany!!! Na dia vitsy ihany aza ny olona mahita ireny bilaogy ireny dia ireo vitsy ireo no manaparitaka sy milaza ny vaovao hitany amin'ny olona marobe araka izay tratrany.
Na izany aza dia miaraka aminareo mandrakariva izahay aty ivelan'i Fiji, mahatsiaro anareo isan'andro; ao andamosinareo ary manatanteraka izay tokony hatao ary misy dikany na dia kely fotsiny aza izay.
Mampanontany tena ny polisy ny Raw Fiji News raha ny olona tena tokony hosamborina no notazoniny.
Inona no fantatry ny polisy aty Fiji mikasika ny teknolojia? Rehefa milaza ny manam-pahaizana momba ny solosaina ao aminy fa misy manaloka indray ka tokony hosamborina ny mpitoraka bilaogy tahaka anay, dia heveriny fa ny fampiasana ny hazony no hamahana ny olana .
Fa ny olan'izy ireo mantsy dia ny tsy fahazoany manakana ny hevitray tsy hivoaka any ivelany ary ny famerana ny “tsy fahazoana miditra ny taninay”.
Azafady e, tsy i Richrd Naidu sy Jon Apted no tokony hosamborinareo! Aza mandany andro misambotra olona fahatany na manakatona trano fahazoana mijery internet… -  mbola hotohizanay foana ny famahanana bilaogy ary holazainay foana izay hitanay!
Avy any New Zeland dia nilaza ny mpitoraka bilaogy iray ao amin'ny bilaogy “The Way it is, Was and can be” manohana an'i Fiji fa mahazo manohy miserasera ny mpitoraka bilaogy araka ny tenin'ny governemanta .
Tokony ho hita sy hampiharina ny rariny. Manome hafatra diso ihany koa ny tsy misy na inona na inona, ary tsy misy tamberina mankany amin'ny governemanta, (tsy misy) ny fanoloran-tsaina sy torohevitra hahatrarana ny tanjona lavitr'ezaka. Tsy mahatsara fahasalamana sady mampatahotra ny mpanohitra ny eto Fiji amin'izao fotoana izao.
Michael Hartsell
Fiji sy New Zealand miditra amina ‘famonoan-tena ara-diplaomatika'
Mihenjana ny tady eo amin'ny fifandraisan'i  Fiji sy New Zealand nanomboka ny Talata teo raha samy nandroaka ireo Lehiben'ny diploamaty niasa tany aminy avy ny roa tonta.
Tanaty vàlan-dresaka ho an'ny mpanao gazety io Talata hariva io, nanambara ny fitondrana foibe ao Fiji fa tsy noho ny fandàvana tsy hanome fahazoan-dàlana olona telo isan'ny fianakavian'olona ambony amin'ny governemantan'i Fiji izay tonga teo amin'ny fitondrana taorian'ny fanonganana niseho ny Desambra 2006 no androahana ny  ambasadaoro Caroline McDonald. Ankilan'izay, i Aiyaz Sayed-Khaiyum dia mametraka “ny zava-bitan'i McDonald nandritry iny taona lasa iny ho mifanohitra amin'izay fomba fitondran-tena ara-diplaomatika eken'ny fenitra eran'izao tontolo izao.”
Ambaran'i Sayed-Khaiyum ihany koa fa ny governemanta any New Zealand  sy Aostralia dia mitsikilo ireo fifandraisana an-telofaonina ao  Fiji.
Ny governemantan'i New Zealand dia namalifaty ny fandroahana an'i McDonald  amin'ny alalan'ny fanomezana fito andro mba handaozan'ny mpiasam-panjakana ambonin'i Fiji ny fireneny. Tanaty  filazana an-gazety iray, nanambara ny ministeran'ny raharaham-bahiny ao  New Zealand momba ny raharaha Fiji fa tsy misy akory kakay manokana amin'i McDonald, mahatonga fametraham-panontaniana raha ho fanohizana ny fandraràna ny fivezivezena napetrak'i New Zealand sy Aostralia taorian'ny fanonganam-panjakana tao Fiji tamin'ny Desambra 2006 ity.
I McDonald no solotenan'i New Zealand faharoa voaroaka avy tany Fiji tato anatin'ny 18 volana.
Fantatry ny governemantan’I Aostralia koa tamin’ny talata fa tsy hahazo “visa” ny “Mpanolotsaina momba ny fiarovana any Pasijika Atsmo”, ary nomena fito andro mba hialàna ao Fiji.
Ny mpitoraka Blaogy sy ny mpitsikera avy any  New Zealand sy Fiji dia samy nahita hadisoana tao amin’ny fihetsiky ny governemantany avy.
Antsoin'i Raw Fiji News hoe tsy fandraisan'andraikitra ny fihetsiky ny Praiminisitra Frank Bainimarama.
Ny fandroahana fanindroany ny Mpiasam-panjakana ambonin'ny NZ tany Fiji nataon'ny fitondràna miaramila tao anatin'ny 12 volana dia famonoan-tena ara-diplomatika. Nila ady tany amin'ny governemanta NZ vaovaon'i Key i Frank ary  hahita tokoa izy. Hisy ny hetsika famaliana faty haigana ary tsy avy amin'ny governemantan'i NZ ihany fa ny fiaraha-monina iraisam-pirenena iray manontolo. Hanainga ny terataniny i NZ mba hanatsahatra ny fizahantany any Fiji izay nankafiziny noho ny tsy fanomezan'ny  governemantany fahafaham-po feno sy malalaka ny antso vonjy nataon'olona iray teratany avy any New Zealand any Fiji. Ary rariny loatra raha mahatsiaro sarotiny amin'ny fiarovana ny terataniny ry zareo.
Ao amina lahatsoratra hafa, Raw Fiji News dia miteny fa mampiasa ny resaka ara-diplomatika ny governemanta mba hamiliviliana ny sain'ny mpifidy ho any amin'ny zavatra hafa.
Farany dia nataon'ilay Frank tsy ampy fieritreretana ihany ny filazana fandroahana ny solotenan'i New Zealand tany Fiji mba hampisehoana amin'i NZ sy ny fiaraha-monina iraisam-pirenena fa azy i Fiji. Toa an'i Mugabe tany Zimbabwe, i Frank dia nanokatra vava-ady azy manokana amin'i NZ izay lazain'ny maro ho fanarian-dia sy fialan-tsiny ho antony hanemorana ny fifidianana ho amin'ny manaraka.
Nanoratra talohan'ilay fandroahana, ny Whale Oil Blog avy ao New Zealand  dia nilaza fa tokony fomba tsaratsara kokoa no nitantanan'ny governemantan'i New Zealand ity raharaha diplaomatika iray ity.
Ny fanambonian-tena sy ny tondro-molotra dia tsy mankaiza matetika. Misy vahaolana tsotra ho an'ny zava-drehetra fa io dia mila an'i New Zealand hanadino ny toerany talohan'ny fanandezozana i Fiji hanaiky ny fanampiana an-tsitrapo ka hamerina azy ireo eo amin'ny làlam-ben'ny demokrasia.
Ao amin'ny tranokalam-baovaon'i Fiji, dinika sy sehatra fitsikerana, ny hetsiky ny governemanta dia sady nahazo fiderana no niteraka fanoherana koa.
Ao amin'ny FijiLive, nanamarika i Lis Body:
Farany dia ho fantatr'i Frank … fa i Fiji dia tsy inona akory fa teboka kely monja ao anatina ranomasim-be ihany ary isika tsy afaka mifaninana amin'ny firenena toa an'i NZ, OZ na firenena hafa nanao fifidianana demokratika. NZ sy Aostralia dia tokony hanakatona ny ambasady any Fiji. Ny mponina any Fiji tahaka an-dry Tonga dia mety handeha any amin'ny firenena akaikiny mba hitambezo visa ary ny saran'izay… oh leity!
Avy amin'i Peni, maka ny Praiminisitry ny New Zealand John Key ho maridrefy:
Eny amin'ny tavanao ry Key, izao no mitranga rehefa mandray anjara amin'ny raharahan'ny firenen-kafa ianao. Fa maninona koa no tsy najabaka tany amin'ny firenena hafa toa an'i Shina ny orona be-nao , Burma, Iran, Libia sy ny sisa? Eny, hainao tsara. Fantatro koa ny valiny … Kely loatra ny firenenao raha any amin'ireo firenen-dehibe ianao no mihevitra hampiasa ny tetika tianao indrindra.
Tanaty vaovao tselatra, ny ampahany miresaka momba ny New Zealand miresaka momba ny governemanta ao New Zealand dia nametraka ity farany amin'ny soratra anjorony fa vaky ny ady ara-diplaomatika amin'i Fiji, hoy i stuart munro manampy fanamarihanat:
Mba hiazonana ny toerana misy an'ny NZ manoloana an'i Fiji,  ny governemantantsika dia nandray fepetra tsy dia voahevitra loatra sy miendrika valifaty
Tsy dia narisika loatra i Bainimarama tamin'ity resaka fanonganam-panjakana ity - nitàna toeran-droa izy saingy mahay milomano, ary ny nampiavaka azy dia ny tsy fisian'ny rà nandriaka sy ny tsy fanarahana ny Lalampanorenana.
Ny famaizana mahazo antsika amin'izao fotoana dia maneho kely ihany fa tsy maintsy apetraka amin'ny toerany ny fahaizana miaraka amin'ny mpiara-belona.
Neo Zealand: Facebook sy ny politika
Nohazavain'i Kiwiblog ny iray amin'ny iditra Facebook iray antsoina hoe NZ Politics ho an'ny Neo Zealandey. “Fidianao izay antoko politika tohananao, dia jerena avokoa avy eo izay tohanan'ny namanao rehetra. Afaka misafidy ianao na aseho vahoaka na tsia ny safidinao.”
Preetam Rai
Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.
Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky
ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona mahery no nifampitadiavana sy niadian-kevitra vao neken’ny Firenena mikambana tamin’ity volana ity ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka Indizeny. Fifanarahana mazava, tsy manankery ho lalàna maneran-tany avy hatrany, miorina amin’ny Zo afa-mitandro ny kolontsaina manokana, ho afaka mizaka tena ary afa-miaro ny harena voajanahary eo aminy.
Namelona adi-hevitra teo amin’ny mpibilaogy manerantany ankehitriny ny toerana misy ny vahoaka Indizeny, ny lanja sy ny fetran’ny Fanambarana ary ny fanamelohana henjana ireo firenena efatra nitsipaka azy: Canada, Etazonia, Aostralia ary Neo Zealandy.
Nosoratan’I K ny hevi-dahibe navoitran’ny Fanambarana:
la Declaración consta de 46 artículos y establece parámetros mínimos de respeto a los derechos de los pueblos indígenas, que incluyen propiedad de la tierra, acceso a los recursos naturales de los territorios donde se asientan, respeto y preservación de sus tradiciones y autodeterminación…El texto también hace hincapié en la importancia de la educación bilingüe y alude a la implementación de medidas especiales para asegurar el mejoramiento continuo de las condiciones económicas y sociales de los ancianos, mujeres y menores, en particular. La Declaración no es jurídicamente vinculante, pero representa un instrumento dinámico en las normas internacionales, que ayudaría a proteger a los indígenas contra la discriminación y marginación.
Nametraka ny fenitra kely indrindra hanajana ny zon’ny vahoaka indizeny ny andininy miisa 46 ao amin’ny Fanambarana. Tafiditra ao anatin’izany ny Zon’ny vahoaka indizeny hizaka ny tany, ny fahafaha-maka ny harena voajanahary eo amin’ny toerana onenan’ireo vahoaka ireo, ny fanajana sy ny fitandroana ny fomba amam-panaony ary ny fahaleovantenan’izy ireo…Avoitran’ny lahatsoratra ao ihany koa ny mahazava-dehibe ny fianarana teny roa ary avela ihany koa ny tsirairay ho afa-manampy fepetra manokana hiarovana ny beantitra sy ny zaza amam-behivavy. Tsy mipetraka hanankery ny Fanambarana, fa ho fitaovam-piasana nanampy ny fiarovana ny vahoaka hafavolokoditra tsy hiharan’ny fanavakavahana sy ny fanositosehana an-tsisiny kosa.
Hoy Democracia Multicultural mikasika ny manjo ny vahoaka hafavolokoditra manerantany :
Democracia Multicultural:
Los pueblos indígenas afirman que sus tierras y territorios están siendo amenazados por la minería, tala, contaminación ambiental, proyectos de privatización y desarrollo, las designaciones de tierras como áreas protegidas o reservas y el uso de semillas genéticamente modificadas, entre otros.
Milaza ny vahoaka hafavolokoditra fa tandindomin’ny fitrandrahana, ny fikapana hazo, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, ny fanorenana goavana, ny fanakilasiana ny faritra ho voatokana na voaaro tsy ho azo onenan’olombelona ary ny fanandramana ambioka novana votoaty  (OGM) ny tany ipetrahan’izy ireo ankoatra izay mety ho tranga hafa tsy voatanisa.
Kenya Environmental & Political News Weblog dia nanoratra fa ao Kenya dia miatrika olam-pandroahana sy fandavana ny zony ho afa-mipetraka amin’ny ala ho fonenan-drazany mandrakariva ny Maasai sy ny Ogiekrg.
Ever since colonial times, most of what used to be Maasai land has been taken over, for private farms and ranches, for government projects or for wildlife parks. Mostly they retain only the most arid and least fertile areas. The stress this causes to their herds has often been aggravated by attempts made by government of Kenya and Tanzania to ‘develop’ the Maasai.
Similarly, since colonial times, there have been persistent attempts to evict the Ogiek from their ancestral forest, usually on the pretext that they are degrading it. But when the Ogiek are removed, their forest is not protected but rather exploited by logging and tea plantations - some owned by government officials. In some parts of the Mau forest, groups of Ogiek are now resisting eviction, while in others they face influxes of settlers onto their land. The most serious threat currently facing them all comes from the government’s plan to open up around one tenth of Kenya’s forests - most of it in the Mau forest - to outsiders.
Hatramin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nalaina hanorenana tobim-pambolena na fiompiana goavana ho ana olo-tsotra ary novolavolaina ho valan-java-boahary ny tany onenan’ny Maasai. Tahaka izany koa, roadrohina hiala amin’ny tanindrazany ihany koa ny Ogiek, satria lazaina fa mpanimbanimba fotsiny. Nefa raha vao nesorina ny Ogiek dia tsy misy fiarovana ny ala nonenany akory fa fitrandrahan-kazo goavana sy fambolena dite ho ana mpikambana ao amin’ny governemanta no misolo azy ireo. Ankehitriny, misy tsy manaiky hiala amin’ny misy azy intsony ny Mau sasany, anatin’ny fokonolona Ogiek, raha miatrika ny fidiran’ny Voanjo eo amin’ny taniny kosa ny Mau hafa. Ny mahatonga izany toe-javatra izany dia niainga avy amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanokatra ampahafolon’ny ala any Keny ka mamela ny vahiny honina any nefa ireo faritra nosokafana ireo dia alan’ny Mau ny ankamaroany.
Nitatitra ny filazan’ny fiaraha-monim-pirenena momba ny manjo ny vahoaka indizeny hafa manerana an’i Afrika koa ny Censored News :
au moment ou des milliers de Batwa dans la région des grands lacs sont affectés par des guerres dont ils ne connaissent pas les raisons, des familles de San sont expropries de leur terre par des fermiers et des parks nationaux. Les forets qui constituent les ressources de survie des autochtones (Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek …etc.) d’Afrique centrale et de l’Est sont détruites, le peuple touareg entre l’Afrique du Nord et de l’Ouest est pris dans le feu d’un conflit d’intérêt d’exploitation de ressources naturelles et géopolitiques des Etats
Amin’izao fotoana izao dia iharan’ny ady tsy mikasika azy akory ny Batwa anarivony monina any amin’ny faritry ny Farihimaro Lehibe, endahina amin’ny taniny noho ny mpiompy sy ny fananganana valan-javaboarim-pirenena ny fokonolona San. Rava ny ala hany loharanom-piveloman’ny Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek sy ny hafa. Voatemitry ny ady tombotsoa amin’ny fitrandrahana harena voajanahary sy ny teti-panoron’ny firenena samihafa kosa ny Touareg any Afrika andrefana sy avaratra.
Hitany tao amin’ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ka nosoratan’i Pepitoritas fa any Amerika Latina, miaina anatin’ny fahantrana lalina ny 75-90%n’ny vahoaka indizeny no sady mora mora andairan’ny aretina noho hafanana ary mora tratry ny voina amin’ny loza voajanahary.
Nanao « Tsia » ny firenena voanjo
Azo lazaina ho fotoan-dehibe hanamarika ny tantaran’ny vahoaka indizeny ny fahalanian’ny Fanambarana, fa betsaka ny mpibilaogy no nanakiana dia nanakiana ny fitsipahan’ny “firenena voanjo” azy dia I Canada, I Etazonia, I Aostralia ary I Neo Zealandy.
Na dia tsy manankery ho lalàna avy hatrany aza, dia voamarika fa misy fifanoheran-kevitra ihany ny votoaty sasany ao anatin’ny taratasy. Nahita manko Democracia Multicultural (es) fa tsy tokony alaina mihitsy ny tanin’ny vahoaka indizeny“sin el consentimiento libre, previo e informado de los pueblos indígenas interesados, ni sin un acuerdo previo sobre una indemnización justa y equitativa”[ raha tsy efa misy fifanekena tsy antery, filazana mialoha ny vahoaka indizeny tratran’ny fakana ny tany, raha tsy efa misy fifanarahana mazava ny fomba hanonerana araka ny tokony ho izy] ny tanin’ny vahoaka indizeny ary amin’ny lafiny ilany indray dia voasoratra fa onerana na soloina fotsiny ny tany nalaina [izany hoe mety tsy hifanaraka amin’ny tokombidiny ary mety tsy hisy filazana mialoha ihany koa?]
Mahatsikaritra I Wampum fa ireo firenena nitsipaka ny Fanambarana dia zanatany anglisy tany Amerika sy Pasifika atsimo taloha avokoa ary ny firenena tena nazoto nanohana kosa dia zanatany Espaniola sy Portiogey any Amerika taloha avokoa.
Nandika ny tao amin’ny the sacred sites (hitany tao amin’ny Angry Indian) kosa I The MySpace blog:
I have prayed many times that the world would recognize the rights of Indigenous Peoples. I knew that the US & Canada and of course Australia, who have done to the Aborigines what the US & Canada have done to Natives, would vote no. The big surprise to me was that Mexico, with their horrible treatment of Indigenous People there, wasn't the 5th country voting against the UN resolution for Indigenous rights. Another amazing thing to me is that even the countries who decimated the Native populations on the Caribbean Islands voted for it. The world is changing. And the US, Canada, Australia, and New Zealand had better catch up.
Efa imbetsaka aho no nivavaka mba hanekena ny zon’ny vahoaka indizeny. Efa fantatro fa hitsipaka I Etazonia, I Canada ary I Aostralia indrindra indrindra, fa toy ny nataony tamin’ny Aborizeny no nataon’I Canada sy Etazonia tamin’ny menahoditra teratany. Ny nahatalanjona ahy dia I Meksika izay tena nampahory fatratra ny vahoaka indizeny tao aminy tsy mba fahadimy tamin’ny firenena nitsipaka ny zon’ny vahoaka indizeny. Ny nahagaga ahy koa dia na ireo firenena nandripaka ny mponina teratany tao aminy toa ny nosy Karaiba dia nandrotsa-bato nanaiky ny Zon’ny vahoaka indizeny. Tena niova izao tontolo izao, tokony ho  kaopy an’izany I Etazonia, Canada, Aostralia ary I Neo Zealand.
Nampiseho ny sarim-pihetsiketsehana  nokarakarain’ny Femmes Autochtones du Quebec tao Montreal I La Tribu du Verbe ary nanoratra ny nitsipahan’I Canada ny Fanambarana:
Mais voilà que depuis l’entrée des conservateurs au pouvoir en janvier 2006, le Canada est devenu un farouche opposant à cette déclaration. Dernièrement, à quelques semaines du vote final pour l’adoption de la déclaration, le Canada, appuyé par l’Australie, la Nouvelle-Zélande, la Russie, la Colombie, la Guyane et le Surinam, a demandé de reprendre les négociations, manoeuvre qui a pour but de paralyser l’adoption de la déclaration.
Jereo fa hatramin’ny nahazoan’ny mpandala ny nentin-drazana ny fahefana tamin’ny janoary 2006 dia lasa mpanohitra mavitrika ny Fanambarana I Canada. Herinandro vitsivitsy lasa mialoha ny fifidianana farany izay dia mbola niady varotra hanao fanitsiana vitsivitsy ihany  I Canada izay namporisihan’i Neo Zealand,  Russie,  Colombie, Guyane ary i Surinam. Ny tanjona nokendrena dia ny hampihatonana ny fandaniana ny Fanambarana.
Fahadisoam-paika lalim-paka ny nitsipahan’ireo “fanjakana voanjo” efatra ny Fanambarana araka an’I The CAC Review no tsy hampihena ny lanjany na oviana na oviana:
To be seen to act against the contents of the Declaration will be equate with acting against international public opinion. What stands out is not that “the liberal democracies with the most intense engagements with indigenous issues” voted against the Declaration, as some have said, since many other countries, with larger indigenous populations, and arguably more intense engagements, voted for it. What stands out instead is how settler states are still in the process of trying to settle themselves, how much “engagement” has really been disengagement, distance, friction, and conflict, and how much wishful thinking plays a part in reigning fantasies that, one day, Europe Part 2, will be as embedded in its foreign soil as Original Europe can claim to be on its soil.
The vote against the Declaration was a serious tactical error: these four states now sorely stand out as colonial, white states, anachronistic entitites in a world where “decolonization” has become part of the international vocabulary. They have also handed the Chinas of the world a powerful argument–that they too flout the will of “the international community,” that they too do not recognize the rights of disadvantaged minorities, and that liberal democracy is really little more than kleptocracy. If accepting the Declaration could have been symbolically binding (even if not legally so), then surely rejecting the Declaration will also come at a political cost. Some of us will see to it that it does.
Midika ho fanoherana ny hevi-bahoaka maneran-tany ny fahitana izay nitsipaka ny votoatin’ny Fanambarana. Tsy amin’ny maha “demokrasia liberaly manana adidy betsaka amin’ny vahoaka indizeny” , araka ny filazan’ny sasany azy, no nanohitra ny Fanambarana satria nisy firenena misy vahoaka indizeny betsaka -ananany andraikitra ifanarahana- ao aminy  nanaiky sy nisafidy ny Fanambarana. Ireo nanohitra dia ireo firenena voanjo mbola te-hamariparitra ny tany izay tiany araka ny fitenenana hoe ny anarana tanim-boanjo ihany, Firifiry moa ny “fandraisana andraikitra” no mbola fialana andraikitra, fanalavirana, fifandirana ary fifandonana. Ary hatramin’ny oviana ny saim-pahendrena, indray andro any ka efa anatin’ny fizaram-potoana faharoa i Eoropa, no mbola hampanjaka ny revirevin’ny fifikirana an-tanin’olona tahaka ilay Eoropa taloha mbola afa-mitaky ho toy ny mbola eo amin’ny taniny hatrany?Fahadisoan-tetika mampanahy ny tsanga-tanana nanohitra ny fanambarana. Mbola mijoro ho mpanjana-tany, firenen’ny fotsy hodotra, singa diso fotoana ao anatin’izao tontolo izao efa manana ny teny hoe “decolonization” (fanomezam-pahaleovan-tena) efa lasa teny iraisam-pirenena. Lasa manome fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina ho an’ny Shinoa, fa hay ry zareo manitsakitsaka ihany koa ny safidin’ny “fiaraha-monina iraisam-pirenena”; hay ry zareo tsy manaiky ho ara-dalàna ny zon’ny vitsy an’iasa zary voahilikilika ihany koa; ary asehon’izy ireo fa ny demokrasia liberaly dia mifanahatahaka amin’ny fanjakan’ny mpangalatra ihany. Raha singam-pamantarana mamatotra (na dia mbola tsy ara-dalàna aza) ny fanekena ny fanambarana, dia tena hovidian-dafo amin’ny sehatra politika ny fitsipahana ny fanambarana. Hahita ny fiantraikany moa ny maro amintsika.
soup is good food, blaogina mpianatra Kanadiana momba ny Hay Politika dia manoratra fa na tsy mamatotra aza ny fanambarana dia mety hampisy andraikitra ho an’ny governemanta momba ireo teratany ihany izany:
Some might point out that the declaration is non-binding. The Canadian government could have easily signed it to look good and then ignored it like we do with other declarations. I wouldn't use this excuse.
I think the Harper government knows exactly how dangerous declarations can be.
The Universal Declaration of Human Rights is/was non-binding. Now many parts of it are customary international law. It's not perfect and violations still occur, but it's there. It's a global rallying point for change and justice. And that's something.
Politicians have learned from this “mistake” of allowing non-binding seemingly harmless feel-good declarations in. It eventually causes problems. Which is why we now have four powerful countries with ongoing histories of disgusting abuses against indigenous populations having temper tantrums over the UN Declaration on the Rights of Indigenous People. Because heaven forbid we should sign onto something that would oblige us to do the right thing.
Mety hanitrikitrika ny sasany fa tsy manankery ho azy ny fanambarana. Mety ho afa-nanasonia io ny governemanta Kanadiana mba tsy ho ratsy eo imason’ny hafa nefa hody fanina avy eo tahaka ny natao tamin’ny fanambarana hafa. Tsy hanao io (fikafika f) ialan-tsiny io aho.
Mieriterritra aho fa fantatry ny governemanta Harper tsara ny loza mety ateraky ny fanambarana.
Tsy nanan-kery avy hatrany ny Fanambarana Erantany ny Zon’olombelona. Ankehitriny zary efa lalàna iraisam-pirenena ny andininy maro ao anatiny. Mbola tsy lavorary io ary mbola misy koa ny fandikan-dalàna, saingy efa mijoro izy io. Efa zava-dehibe izany.
Efa hitan’ny mpanao politika ny “fahadisoana” mamela ny fanambarana tsymanankery mody malemilemy sy manentohento tsara. Fa mety hiteraka olana izy. Izay no mahatonga ireo firenena efatra lehibe izay efa nanao tsy rariny e dia be tamin’ny vahoaka indizeny ao amin’ny tantarany somary miala-tosidra manoloana ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka indizeny. Satria mandrara anay ny lanitra hanasonia zavatra mety haningotra anay hanao ny zavatra ara-drariny.
Hatraiza ny fiantraikan’ny fanambarana?
Nilaza mialoha i le blog de [moi] ao Martinique fa hampikoraraika ireo mpitaky fahaleovantena indray ny Fanambarana.
Departemanta Frantsay ampitan-dranomasina I Martinique, I Frantsa izay nanohitra hatramin’ny ela ny fanambarana noho ny fifotorana amin’ny fotokevitra “Repoblika tsy azo zarazaraina tsy azo vakivakiana (zarazaraina) sy ny fndavany ny zo iraisana. Niova hevitra I France indrindra teo ambany fitarihan’I Jacques Chirac, izay nitodika manokana tamin’ny “vahoaka ntaolo”.
indigenouspeoplecongobrazza (Fr) kosa nanoratra fa na dia voapetraka ao amin’ny fanambarana aza, indrindra eo amin’ny fizarana mikasika ny tany sy ny harena voajanahary ny fisian’ny fanekena avy amin’izay hiala rehefa nampilazana mialoha, ka tokony ho fandresen’ny Pygmee ao Congo izany, “ny fahabangan’ny lalàm-pirenena mikasika ny vahoaka indizeny sy ny fahambanian’ny fari-pahaizan’ny vahoaka indizeny” no ho sakana lehibe hahalalan’izy ireo ny zony hiarony tombotsoany avy amin’ny fanambarana.
Tsikera momba ny Fanambarana
Polysocial (es)indray nanamarika fa nisy fanovana tamin’ny minitra farany ny Fanambarana, ankoatra ny fanampi-bolavola avy amina vondrona  indizeny iray, rehefa avy nidongian’ny mpanohana (nifanao andaniny sy ankilany) ny iray amin’ny fifanekena, dia nisy vondrona Afrikana sy Amerikana Latina toa an’I Perou, Guatemala ary Meksika saika hametraka fa tsy mamela na manaitaitra fihetsiketsehana hanozongozona ny fiandrianam-pirenena na hamakivaky ny firaisam-pirenena velively ny eritreritra iaingan’ny fanambarana.
Nihetsiketsika nanohitra ireo fanovana nosoratan’i Pylysocial ireo ny fikambanana maro avy ao Amerika afovoany sy atsimo, satria nino izy ireo fa “nisy fanovana nampihena ny votoatin-kevitra avy amin’ny foto-kevitra hanadala sy mametra ny fahatakarana” ny Fanambarana.
Filazan-kevitra iray ao amin’ny le blog de [moi], WK, mpamaky, dia manoratra toy izao:
il y a quelque chose qui me heurte profondément dans cette déclaration c’est que j’y trouve une sorte d’abdication à créer des sociétés multiculturelles et un encouragement à des replis identitaires. Par ailleurs, une déclaration aussi globale me paraît mal venue dans le sens ou elle est tellement vague qu’elle pourra rester lettre morte alors qu’il y a bien urgence dans certaines cas, je pense par exemple à l’Alaska où des ressources et des modes de vie sont menacées par l’avidité des compagnies pétrolières.
Ny tena nanohina ahy indrindra tamin’ity fanambarana ity dia ny fanekena hanjakan’ny fiaraha-monina marokolontsaina sy famporisihana ny olona hanavatena amin’ny mahaizy avy ny tsirairay. Ankoatra izany, tsy ao amin’ny ilako azy ny fanambarana ambangovangony  tahaka ity, manjavozavo loatra ka mety tsy hanana fiantraikany akory nefa misy ny ilana vonjy haingana amin’ny lafiny sasany toy ny Alaska fa fongorin’ny robaroban’ny orinasa mpitrandraka solitany ny fomba fiainana sy ny loharanon-karena ao.
Mamariparitra ny antsoina hoe vahoaka indizena kosa ny blaogy Japoney iray. Lava tokoa ny Fanambaran’ny Firenena mikambana mba samy hanana ny famariparitana ny isam-pirenena ary niniana hanjavozavo rahateo maodely arahina.
気になるのは、用語に関することです。宣言の英語表記ては「indigenous peoples」の諸権利に関する宣言となっていて、nationでもethnic groupでもありません。朝日も産経も記事の見出しは「先住民」ですが、本文では「先住民族」と「先住民」を併用しています。不統一で、あいまいです。
Ny mahaliana ahy dia ny fampiasana ilay teny manokana mihitsy. Amin’ny fanambarana azy amin’ny teny anglisy dia voasoratra fa mikasika ny zon’ny “indigenous people”[vahoaka indizena] ny resaka. Tsy misy fanamarihana ny teny hoe “nation”[firenena] na “ethnic group”[foko] ao. Amin’ny gazety Asahi sy Sankei ny lohateny dia ahitana soratra hoe “先住民” [senjuumin, dika tsotra “mponina taloha”], nefa ao anatin’ny lahatsoratra ataony afaka mifanolosolo tsara ny teny hoe “先住民族” [senjuuminzoku, “vahoaka indizena”] sy ny teny hoe “先住民” [senjuumin]. Tsy matotra sady manafangaro zavatra izany mampifanolosolo teny izany.
Nanoratra ilay mpibilaogy avy eo fa tsy fiaraha-monina miray volo araka izay dradraina tsy akory I Japana:
日本ではしばしば単一言語、単一民族などといわれがちですが、子細に見れば、多元的、多様な文化が伝わっていることが分かります。文化的な多元性、多様性をもっとも端的に示しているのは、民族宗教といわれる神社の祭りの多様さです。縄文の火祭りをいまに伝えるものもあれば、伊勢神宮のお膝元で東南アジアの畑作農耕文化と共通するお田植えが行われてさえいます。
Lazaina matetika eto Japana fa iray ihany ny fiteny, iray ny vahoaka, sy ny sisa, fa rehefa tena zohinao dia hita ihany ny fahamaroana sy fahasamihafana kolontsaina ekena. Manaporofo mazava izany fahasamihafana sy fahamaroan’ny kolontsaina izany indrindra ireo fihetsiketsehana lazaina fa karakaraina fivavaham-poko amin’ireny toerana manan-tantara ireny. Nandritra ny fotoam-pankalazana ny afo tao amin’ny vanim-potoana Jomon, dia mahita isika manodidina an’I Ise Shrine ny fomba fambolem-bary iraisan’ny mpamboly amin’ny faritra atsimo andrefan’I Azia.
Ary dia nanazava ny hevitry ny teny amin’ny vahoaka Ainu izay mitolona ny hanana zo ara-kolontsaina sy ny fiantraikan’ny fanambarana ho azy ireo ny mpibilaogy:
「民族」だといってしまえば、やれ「民族自決」だ、「独立」だ、ということになりかねません。日本でも、政府は、たとえばアイヌに対して、「先住民族」とは認めていません。萱野茂さんが尽力して10年前に成立した「アイヌ文化振興法」も「アイヌの人々」と表現しています。しかし、今回の採択を受けて、「アイヌ民族の尊厳確立」を目的に活動する北海道ウタリ協会はさっそく、「先住民族として認めることを要求していく」と表明しています。
Rah ampiasaina ny teny“民族” [Minzoku], Dia lasa [miaraka amin’ny] “民族自決” [minzoku jiketsu, “fahafahan’ny vahoaka manapa-kevitra ho azy”], na “独立”[dokuritsu, fahaleovan-tena (politika)]. Eto Japana, ohatra, dia lavin’ny governemanta ny teny hoe “senjuu minzoku” [ilay teny tena tokony ho dikan’ny vahoaka indizena]. Hita fa nahavita ezaka be tokoa raha izany I Kayano Shigeru, folo taona lasa izay ka niorina ny “ Lalàna hanondrotana avo ny kolontsaina Ainu”, afaka nampiasaina manko ny teny hoe “アイヌの人々” [vahoaka Ainu] .
Nefa, raha vao azon’ny Hokkaido Utari Asssociation, vondrona mitolona ho amin’ny “ Fanorenana ny fahamendrehan’ny vahoaka Ainu” [アイヌ民族の尊厳確立, “Ainu minzoku no songen kakuritsu”] jp, ity Fanambaran’ny firenena mikambana vaovao ity, dia nanambara avy hatrany ry zareo hoe: “Miangavy izahay mba ho ekena ho anisan’ny vahoaka indizeny”.
Japanese translations by Chris Salzberg.
Jennifer Brea