Global Voices teny Malagasy » Aostralia
Air Bus AF 447: Alahelo, tsy fahampiam-baovao sy fanaitairana
Niteraka resabe sy fanontaniana maro indrindra koa fikarohana ho an'ny filazam-baovao ilay fiaramanidina frantsay Airbus izay nanjavona tsy hitan'ny radara ny alahady 31 may; avy any Rio de Janeiro ity fiaramanidina ity ary hankany Paris. Niainga tany Brésil ilay fiaramanidina ny alahady 31 may, nisy mpandeha 216 tao anatiny ary nisy mpanamory sy mpiasa 12. Tokony ho tonga tany Paris ny ampitson'iny. Kanjo tsy tonga mihitsy.
Sary avy amin'i Mysid (Wikiedia Commons author), nahazoana alalana
Nilaza ny manam-pahefana fa Breziliana 58 no maty tamin'iny fianjerana iny. Kanefa any amin'ny bilaogy breziliana sasany dia mafana ny resaka sy ny fanadihadihana momba iny loza iny. Ho an'i Leite de Covra dia tsy zaka ny fahafantarana fa mety ho niharam-boina ity fiaramanidina ity ary izany no antony tsy nahatongavany:
Acho perverso isso da imprensa ficar divulgando fatos e particulares da vida das vítimas do desastre aéreo. Não têm o mínimo respeito e nem disfarçam o desejo de que a dor renda, em escala nacional, o máximo possível, até que venha a próxima catástrofe, o próximo escândalo. Ô corja! Por isso que não acompanho mais nada desse triste episódio. Pra mim deu
Heveriko fa manao di-doha fotsiny ny filazam-baovao mamoaka ireo vaovao manokana mikasika ny fiainan'ireo niharam-boina. Tsy mba misy fanajana kely akory ho an'ireo niharam-boina ireo ary tsy afeniny fa tsy mahataitra azy ny hampitsahatra ny fanaintainany araka izay azo atao mandrapha-tongan'ny loza manaraka indray. O ry vorona mpihinana faty! Izay mihitsy no antony tsy anarahako na inona na inona zavatra ohatr'izao. Leo aho!
Araka ireo mpitoraka bilaogy ihany, ny olana dia ny mpanao gazety mba te hamoaka vaovao ihany kanefa tsy maintsy hamarinina aloha ireny - izay no mampiakatra ny lanjan'ny vaovao hanairana ny mpamaky. Hoy Camerini ao amin'ny bilaogy Transbrasil:
Os experts de plantão já estão desfilando as baboseiras nas Tvs.
Falam e falam sobre o que ainda não passa de especulações, até Raios são culpados pela queda do AirBus da Air France !
É prematuro qualquer indicação sobre o acidente até que as equipes consigam, primeiro localizar os destroços do avião, depois a Caixa Preta, com o Data Recorder e o Voice Recorder, mas, como dá audiência levar para a Tv um bando de especialistas natos em acidentes aéreos, o que se pode fazer!
Ouvir um Chamar o avião da Air France de Boeing A 330, outro dizer que o Atlântico é o lugar mais seguro do sistema solar , depois outro que afirma categoricamente que um raio derrubou o avião!
A Verdade é que ninguém sabe ainda o que aconteceu, aonde aconteceu e como aconteceu, mas muitos especialistas deveriam saber que um acidente aéreo não ocorre apenas por uma só causa, e sim por mais fatores que desencadeam um acidente
Efa nilaza fahadalana tao amin'ny fahitalavitra ireo manam-pahaizana.
Nilaza resabe teorika fotsiny izy ireo. Na dia ny tselatr'afo tamin'ny fianjeran'ilay fiaramanidina aza dia nataony ho zava-doza!
Aloha loatra raha izao dia milaza loza fa aleo aloha miandry ny potik'ity fiaramanidina ity tadiavin'ireo mpamonjy voina, aleo ho hita aloha ny boaty mainty mitahiry ny zava-niseho sy ny horonam-peo rehetra. Kanefa inona moa no azo hatao manoloana ireto mpiasan'ny fahitalavitra manam-pahaizana voajanahary hatrany an-kibon-dreniny ireto!
Reko ny sasany amin'izy ireo nanao hoe Boeing Air France A330 ilay nidoboka, ny hafa indray milaza fa toerana azo antoka indrindra eto ambany masoandro ny Ranomasimbe Atlantika, ny sasany moa dia tena sahy nilaza fa nisy potik'afo nampianjera ity fiaramanidina ity!
Ny tena marina dia tsy nisy nahalala izay zavatra tena niseho sy ny toerana nisehoany ary ny fomba fisehony, fa manam-pahaizana maro no mahafantatra fa ny lozam-piaramanidina tahaka izao dia tsy vokatry ny fisehoan-javatra tokana monja fa fitambarana zavatra maromaro.
Ho an'i Eu, Você e Todo Mundo [pt], dia olana koa ireo manam-pahaizana
Gente, que absurdo!
Eu como jornalista fico indignada mesmooo!!! Aqui no Futura recebemos o e-mail de uma assessoria de Campinas falando de uma terapeuta holística que analisou a catástrofe desse acidente pela numerologia, tarô. Enfim, de acordo com o texto dela que vou colocar abaixo, essa catástrofe é efeito da conjunção de uma série de números ruins, energias negativas… pra mim é demais querer explorar uma tragédia como essa dessa maneira. Que vergonha… e ainda dos jornalistas que se propõem a divulgar isso! Vejam o absurdo:
Detalhe: não estou julgando a numerologia, mas o uso que está se fazendo dela nesse caso!
O rey olona ô, tena tsy azoko inoana! Satria mpanao gazety aho dia mahatsiaro ho afa-baraka!!! Tao amin'ny Futura Channel no nahazoanay seramailaka avy amin'ny biraon'ny PR any Campinas, izay nilaza fa misy olona mpijery karatra sy mpandinika tarehimarika nanadihady ny loza. Araka ny volazan'ny vaovao nalefa taminay dia vokatry ny fifampitohizan'ny zavatra maromaro tahaka ny isa ratsy, fahatsapana zavatra ratsy… no nahatonga iny loza iny. Heveriko fa be izay fitrandrahana ity zava-nisehoity izay. Tena mahamenatra… Mahamenatra koa ho an'ireo mpanao gazety izay sahy namoaka iny zavatra iny. Tsy azoko inoana: tsy mitsara ilay mpijery karatra aho fa ny fombany amin'ny toe-javatra tahaka izao no tsy mety.
Miaraka amin'ny fanehoan-kevitra samy hafa dia voalaza koa fa olona ambony ny sasany amin'ireo niharan-doza ary vaovao mendrika tokony havoaka ho an'ny sokajin'olona tahaka izany no hitantsika ato amin'ny famintinana navoakan'i Bruno Nepumoceno, taorian'ny resaka nataony tamin'ny mpiasa:
Fui dar minha opinião sobre o assunto e nego ficou me criticando, dizendo que eu não tenho coração, que eu sou insensível e coisas do tipo. A vontade que deu e de dizer: VOCÊS QUE SÃO BURROS OS SUFICIENTE PARA NÃO ENXERGAR QUE O JORNALISMO GANHA DINHEIRO EXPLORANDO A DESGRAÇA ALHEIA! Se fosse um ônibus cheio de nordestinos com a mesma quantidade de pessoas, o caso já teria caido no esquecimento.
Centenas morrem de fome no nordeste Brasileiro. O que é um aviãozinho cair?
Manontany tena aho ny amin'ireo olona mitsikera ahy mikasika ity loza ity, ary milaza ahy ho tsy manana fo nofo ka tsy mba voakasika amin'ny vaovao tahaka itony. Ny tena marina dia te hilaza aminareo aho fa TENA VENDRANA IANAREO TSY MAHALALA FA ATAON'NY GAZETY FITADIAVAM-BOLA FOTSINY NY FAHORIAN'NY SASANY! Raha fiara mpitatitra feno olona tany avaratra atsinanan'i Brésil izay dia efa hadino tahaka izay. Olona aman'arivony no matin'ny hanohanana any Afrika, an-jatony no matin'ny hanohanana any avaratra atsinanan'i Brésil. Tsy zava-dehibe ve izany mitaha amin'ny fianjeran'ny fiaramanidina?
Sarin'ny Air France A330 avy amin'i Flickr nampiasa ny Caribb navoaka tamin'ny fahazoan-dalana nomen'i Creative Commons
Na dia eo aza izany dia tsapa fa voadona mafy sy malahelo izao tontolo izao, ary mazava ho azy fa tsy ny mpitoraka bilaogy breziliana ihany no miresaka ity loza ity. Avy any Kuwait dia maneho ny heviny ilay mpitoraka bilaogy ZDistrict.
Olona 228 avy any Brésil ho any Frantsa no tsy hita popoka tao amin'ny Ranomasimbe Atlantika taorian'ny fikorontanana teny an'habakabaka. Tsy nahita zava-doza tahaka izany aho efa elabe, sidina tahaka itony no midoboka any afovoan'ny Atlantika.
I Charles, ampanehohevitra ao amin'ny ZDistrict:
Tahotra, fahalemena, fotoana mampihorin-koditra - nitondra ranomaso sy aretim-po ny naheno fa nisy olona niatrika izany tamin'ny fotoana farany nahavelomany. Enga anie ka natory daholo izy rehetra nandritra izany fotoana izany.
Mpaneho hevitra ao amin'ny  Another Me :
Tena mampalahelo ahy ny fianakavian'izy ireo. Mpandeha fiaramanidina aho ary tsy azoko vinaniana ny zavatra niainan'ireo mpandeha ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny mahazo ny fianakaviany aho. Manana ankizy kely koa aho ary tena vaky ny foko mieritreritra fa zazakely tsy manan-tsiny izy, tsy nahafantatra izay zava-nitranga akory. Araka ny hevitro dia tokony ho feran'ny tompon'andraikitra momba ny fanamoriana fiaramanidina ihany ny fahafahan'ny mpanamory manidina rehefa mikotroka ny andro, ary takiana ny tsy handehanany rehefa misy rivotra sy avy ny orana. Ireny rivo-mahery miharo orana ireny dia manery ny mpanamory hanao fahasahiana goavana hanidina hihoatra ny 15 000 metatra any ambony any .
Matetika dia miaraka foana amin'ny “Bermuda Triangle” (Telolafin'i Bermudes) ny loza any amin'ny Ranomasimbe Atlantika, Telolafin'i Bermudes izay hita ao avaratry Brésil, anelanelan'i Florida (Etazonia, Puerto Rico ary Bermudes. Efa hatrany Kuwait dia milaza ireo mpikirakira twitter mampiasa ny @2Twenty fa tokony hanaovana fanadihadihana io Telolafin'i Bermudes io.
Nilaza i Cynthia Drescher, mpitoraka bilaogy ao amin'ny Britannica Blog fa ny tsy fahampian'ny vaovao manoloana ity loza ity no mahatonga ny tombatombana, ary maro no milaza sahady fa misy ifandraisany amin'ny Telolafin'i Bermudes ity fianjerana ity.
Aleon'ny be fanahiana ny mionona amin'ny fahafantarana fa misy ifandraisana amin'ny Telolafin'i Bermudes iny fanjavonana tsy mazava iny. Inona indray no manaraka - manambara indray fa ny Telolafy dia manjary efajoro? Angamba ity toerana mitahiry zava-miafina ity dia tonga hatrany amin'ny morontsirak'i Etazonia ka mahatonga izay rehetra mandalo ao hivahiny kely any Brésil aloha? Na dia mbola tsy nanamarina aza ny manam-pahefana fa nahitana seza nipitika avy tao amin'ity fiaramanidina ity dia hita mazava tsara kosa ao amin'ny sarintany fa ity fahapotehana ity dia tsy misy ifandraisany velively amin'ny faritra elektromanetika na amin'ny lolon'i Amelia Earthart. Fa kosa avy amin'ny loza sy ny tsy fahatomombanan'ny fiaramanidina.
Tsy adino akory ny Telolafin'i Bermudes, fa manontany tena kosa i Polish ao amin'ny bilaogy Tierra Incogita, ny amin'izay zava-nitranga marina, manamarina izy fa na dia eo aza ny loza mety hanjavonan'ny fiaramanidina dia tiany foana ny mandeha:
Uwielbiam latać samolotem. Podróż lotnicza nie wywołuje u mnie żadnego stresu, wręcz przeciwnie – działa uspokajająco i relaksująco. W chwili gdy maszyna odrywa się od ziemi wpadam w specyficzny błogostan, mam wrażenie że wszystkie moje problemy i zmartwienia pozostały tam na dole. Świadomość, że przez najbliższe kilka godzin podróży będę w zupełnie innym wymiarze, gdzie w sumie nic ode mnie nie zależy, sprawia mi wielką frajdę. Jak dziecko, godzinami mogę gapić się przez okienko, nawet jeśli to czarna noc i widać tylko gwiazdy.
Zastanawiam się dlaczego ten właśnie wypadek aż tak bardzo wlazł mi pod skórę? Złożyło się na to pewnie kilka czynników – Air France jest jednym z moich ulubionych przewoźników, dosłownie kilkanaście dni temu odprowadzałem bliską przyjaciółkę na samolot lecący z Caracas do Paryża, a ja sam też na trasie Ameryka Południowa – Europa latam dość często. No i jeszcze ta tajemniczość tej katastrofy – nie żadne „tradycyjne” kłopoty przy starcie, bądź lądowaniu, ale zaginięcie gdzieś na środku oceanu. Dobrze, że przynajmniej nie nad Trójkątem Bermudzkim…
Na szczęście nie sądzę aby ten wypadek zmienił mój stosunek do latania. Nadal się cieszę, że prawdopodobnie jeszcze w tym miesiącu będę musiał kilka razy wsiąść do samolotu. I wciąż mam nadzieję, że jeszcze w tym roku uda mi się dolecieć samolotem do Księżyca…
Tiako ny mandeha fiaramanidina. Tsy manderaka ahy mihitsy ny dia amin'ny fiaramanidina, ny mifanohitra amin'izany aza - tena mampilamina ahy ary manome fiadanana ho ahy. Amin'ny fotoana hiaingany ka tsi mitehaka amin'ny tany intsony dia mahazo filaminana aho, tsapako fa tavela eny ambany eny daholo ny olana sy ny ahiahy rehetra. Ny fieritreretana fa hoe mijanona eny ambony eny ahoo mandritra ny ora vitsivitsy dia mahafinaritra ahy. Tahaka ny ankizy kely dia tiako ny mijery eo ambaravarankely mandritra ny ora maro, ary na dia amin'ny alina aza ka tsy hahitako afa-tsy kintana. Manontany tena aho hoe nahoana no tsy mahakasika ny aty foko tanteraka iny lozam-piaramanidina iny? Satria misy antony 3 - ny Air France no zotra tiako indrindra, ary andro vitsivitsy lasa izay dia nanatitra ny namako akaiky ahy indrindra tamin'ny zotra avy any Caracas mankany Paris aho, ary na dia izaho koa aza dia mandeha matetika amin'ny zotra avy any atsimon'i Amerika mankany Eropa. Ary ny zava-miafina rehetra manodidina iny loza iny - tsy ny olana “mahazatra” amin'ny fiaingana sy ny fipetrahana, fa amin'ny fanjavonana any ampovoan'ny ranomasina any. Tsara raha tsy tao amin'ny Telolafin'i Bermudes izany no niseho… Tsara vintana aho satria tsy manova ny hevitro mikasika ny dia amin'ny fiara-manidina iny loza iny. Faly foana aho fa mbola afaka hipetraka any anaty fiaramanidina mandritra ny fotoana vitsivitsy amin'ity volana ity. Ary irariakofa amin'ity volana ity dia afaka hahatakatra ny volana ny fiaramanidina misy ahy.
Ady hevitra sy tsaho isan-karazany no manomboka mahazo vahana manodidina iny fianjeran'ny fiaramanidina iny, tsy noho ny toetr'andro hafahafa ihany izay misy any amin'iny faritry Atlantika iny, fa koa ny fiasan'ny solosaina tao amin'ny Airbus A330-203. Manadihady ny sasany fa toa fifanandrifian-javatra no nisy teo amin'ity zotra ity sy ilay zotra Quantas tamin'ny volana oktobra 2008 izay avy any Perth, Australie ary saika nidoboka raha vao niainga 200m  fotsiny ka voatery nipetraka haingana. Milaza kosa ny hafa fa tsy afaka hamaritana izay loza hitranga amin'ny ho avy iny zava-niseho iny. Avy ao amin'ny Plane Talking, nosoratan'i Ben Sandilands ao amin'ny Crikey Blogs any Australie:
Notaterin'ny Aviation Herald, filazam-baovao amin'ny internet any Eropa mitatitra ny vaovao rehetra mikasika ny tsy fetezana sy ny fanairana elektronika any anaty fiaramanidina. Nambarany fa izany fanairana elektronika izany dia miasa rehefa misy tsy fetezana ka atao mitondra tena irery (autopilote) ilay fiaramanidina, avy eo arahan'ny hafatra avy amin'ny ADIRU na ny hafatra milaza ny zava-misy eny am-panidinana, ary ny marika ao amin'ny PRIM na ny solosaina voalohany ampiasaina amin'ny famehezana ny sidina no mampahafantatra ny hafainganam-pandeha, ny hahavo sy ny momba ny fitaovana amin'ilay fiaramanidina alefan'ny ADIRU; Izay no niatombohan'ny fanembatsembanana nahazo ny sidina Quantas QF72 avy any Singapore ho any Perth ka nahatonga azy hipetraka haingana.
Nandeha tamin'ny fomba fanidinana tsy mahazatra ny PRIM izay nitarika ny fijerena ny momba ilay fiaramanidina ka nahatonga ny mpanamory tsy afaka niditra ka nitarika tany amin'ny fihoarana ny fetra farany nahatonga ilay fiaramanidina ho simba, jerena koa ny vesatra entiny, ny elany sy ny gouvernail.
Na izany aza dia afaka hidin'ny mpanamory koa izany famerana izany.
Any amin'ny hafa no hahafantarana fa ny hafatra “tsy misy fiandohana” dia miverina isaky ny 4 minitra, ary faranan'ny hafatra azo hamarinina amin'ny alalan'ny hafainganam-pandeha, izay mampidina hafainganam-pandeha teo aloha ka mahakely ny tahan'ny fianjerana.
Noho ny fahasimban'ny ADIRU tao amin'ny Quantas A330-300 dia nivily nankany Learmonth ilay fiaramanidina ary nijanona ho ivon'ny loza tsy misy farany mihatra amin'ny ATBS. Hita koa izany amin'ny ADIRU nitarika fahasimbana tao amin'ny Quantas A330.
Ny ADIRU an'i Quantas dia namboarin'ny Northrop Grumman, fa ny an'yn Air France kosa namboarin'ny Honeywell. Marika 2 samy hafa ireo, samy manana ny mampiavaka azy kanefa manana tanjona mitovy ihany.
Frantsay ny ankamaroan'ireo niharan-doza: 61 tamin'ireo mpandeha sy 11 tamin'ireo mpanamory sy mpiara-miasa aminy dia Frantsay avokoa. Mitondra ny teny fampiononana i Charles Guy de Kerimel, mpanoratra ao amin'ny biloagy miresaka ny tantaran'ny fiaramanidina “Des avions et des hommes”:
L’annonce de cet accident me remplit de tristesse.
Le plus grave accident d’Air France, nous dit-on.
Indépendamment du nombre de victimes, pour chacun de ceux qui sont concernés la gravité est extrême, pour la victime bien sûr, mais aussi pour les parents, les amis, les collègues : ils se trouvent brutalement confrontés à une perte irrémédiable. Je m’associe à leur peine. Je songe au personnel d’Air France ; en premier lieu aux navigants, comme leurs aînés ils vont poursuivre leur tâche.
Mampalahelo ahy ny fanambarana iny loza iny. Iny no loza mahatsiravina indrindra nihatra tamin'ny Air France. Ankoatry ny isan'ny niharan-doza, dia tena faratampony ny fahavoazan'ireo voakasik'iny loza iny, ho an'ireo niharan-doza mazava hoazy, fa indrindra koa ho an'ny fianakaviany, ny namany, ny mpiara-miasa: nisedra tampoka  fisarahana izy ireo. Miombon,a alahelo amin'izy ireo aho. Mahatsiaro koa ireo mpiasan'ny Air France aho; ireompisidina indrindra indrindra, tahaka ireo zokiny teo aloha dia tsy maintsy hanohy ny asany izy ireo.
“Ho fahatsiarovana ireo mpandeha 228 tao amin'ny zotra AF447″ avy amin'i Flickr dit Eustaquio Santimano, nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons
John Liebhardt, Sylwia Presley arySarita Moreira no niara-niasa tamin'ity lahatsoratra ity
Thiana Biondo
Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina
Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny  Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity.
Ny lohahevitra raisin'ny andro iadiana amin'ny SIDA amin'ity taona ity dia mifantoka amin'ny “Mitarika – Mankahery – Manafaka,” izay mampivoitra ny paikam-pahaiza-mitarika ahafahana manohitra ny aretina. Na  dia tsy nihetsika firy intsony aza ny isanjaton'ny olon-dehibe mitondra ny Tsimok'aretina VIH hatramin'ny taona 2000, dia mbola misy hatramin'ny 33 000 000 nomitondra izany amin'izao fotoana izao ary manakaiky ny 7 500 isan'andro no tratrany koa isan'andro. Niakatra tokoa ny tahan'ny fifindran'ny VIH any amin'ny firenena maro tahaka an'i Shina, Indonezia, Kenya, Mozambika, Rosia, ary Vietnam. Manana ny antontan'isany koa ny SIDA — 2 000 000 ny olona matin'io aretina io tamin'ny herintaona.
nanehoizany antontan'isa izany ny bolongana manerantany, mizara ny tantaran'ireo mitondra ny VIH/SIDA, sy ny fiantraikan'ny aretina amin'ny fiainany andavanandro, sy ny henatra azo amin'ny fitondrana ny aretina. Izany atontan'isa izany dia mampiseho amintsika ny zavatra efa tontosa tamin'ny fiadiana ity aretina ity sy ny habetsaky ny asa mbola miandry.
Ao amin'ny Poz For Life i Russell 20 taona no mamaham-bolongana avy any Aostralia amin'ny fitondrany ny tsimok'aretina VIH mba hampirisihany ny hafa hanao fizahana sao mitondra aretina azo avy amin'ny firaisana ka hanaovana ny firaisana voaaro. Tamin'ny lahatsorany voalohany no nahatsiarovany ny nizahana azy raha mitondra ny VIH izy sy ny fitaintainana tao aminy nandritra ny fiandrasana ny valiny. izao no nataony rehefa fantany fa nitondra ny tsimok'aretina VIH izy:
“I got there [the doctor's office] around 10:30am and went straight in, it was like they where waiting for me ready to take my soul and toss it out the 4th story. I went into his office and I sat down, then I hear ‘Russell am sorry to say but the test for HIV is positive.' I froze for a few seconds and just looked amazed. What felt like a lifetime of silence was around 30 seconds. I said ‘I was thinking it might come back that way.' I can't believe that I said that, really the first words out of my mouth was I thought it might come back that way.”
Tonga tao amin'ny tobim-pahasalamana aho tokony ho tamin'ny 10:30 maraina teo ho eo ary nivantana avy hatrany, tahaka ny hoe niandry ahy ry zareo vonona handray ny fanahiko ary hanipy azy any amin'ny tantara fahaefatra.  Niditra tao amin'ny biraony aho ary nipetraka,  reko avy eo ny hoe ” Russell malahelo aho milaza aminao fa miabo ny valin'ny fitsapana ny fisian'ny VIH”. Tsy nahahetsika nandritra ny segondra vitsivitsy aho ary naneho fahagagana. Naharitra 30 segondra izany fotoam-panginako noheveriko ho maharitra dia maharitra izany. Niteny aho hoe ” Noheveriko fa mety hiverina amin'izany izy io”. Tsy nampino ahy hoe izany no teniko, ny teny voalohany nivoaka ny molotro dia hoe noheveriko fa mety hiverina amin'izany izy io.
Ao amin'ny bolongan'ny fikambanam-pampandrosoana AZUR mitondra ny anarana hoe AIDS Rights Congo, izay tetikasan'ny Rising Voices iray, no miaro ny zon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH. Asehon'ny takelaka maro ao aminy ary ny fanavakavahana sy ny henatra atrehin'ireo mitondra ny tsimok'aretina any  Congo. Misy lahatsoratra iray ao miresaka momba ny fiainan'i “Bernadette,” ramatoakely iray mpivarotra akanjo ao an-tsenan'i Tié-Tié any Pointe-Noire. Niova ny fiainany rehefa nolazain'ny namany (sipany?) tao an-tsena fa mitondra VIH i Bernadette.
“At the market, her neighbors immediately desert their tables; which even attract the attention of those responsible for managing the market, who, conscious of the fact that having a table at the market is a difficult thing, are surprised to find empty tables around her. The situation has put everyone on alert, and those passing from far away can hear the neighbor’s gossip on the fact that she is a woman infected with HIV. However there are no outward signs that Bernadette is sick, one cannot read it on her face. The illness is not at an advanced stage and she is not on ARV [Antiretroviral] treatment. She is simply a normal young woman.
In a setback, traumatized by the situation, she stops her little shop.”
Nandao ny latabany avy hatrany ny manodidina azy tao an-tsena; ary nanaitra ny tompon'andraikitry ny fandaminana ny tsena, izay mahalala tsara fa sarotra izany mahazo latabatra ao an-tsena izany nefa mahita iretolatabatra foana ireto manodidina azy. Nanaitra ny rehetra izany, ary na ny lavitra aza dia maheno ny fosafosan'ny manodidina fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy. Na izany aza tsy misy soritra ivelany mihitsy ahalalana fa marary i Bernadette, tsy hita eny amin'ny endriny izany. Mbola tsy lasa lavitra ny faharariana ary tsy mbola nandray fanafody  ARV [Antiretroviral] akory izy. Ramatoakely tahaka ny hafa tsotra fotsiny izy.Fa rehefa nandinika izy, ary tena nahatohina azy ny toe-javatra dia naleony najanony ny varotra keliny.
Juan Carlos, 29 taona avy any Ekoatera,no mamaham-bolongana ny amin'ny atrehin'izay mitondra ny VIH. Ao amin'ny lahatsorany iray no iresahany any amin'ny mahazava-dehibe ny fandanjalanjana sy ny vokatsoa azo aminn'y firesahana aman'olona izay sedraina.
Hay mucha gente seropositiva que obvia la ayuda de los psicólogos a lo largo de sus vidas. Personalmente, si hay alguien que escuche o lea esto… yo creo que siempre es bueno conversar con un psicólogo cada cierto tiempo, hace que los días más sombríos se vuelvan más claros y nos ayuda a sobre llevar mejor nuestra vida con este virus y nuestros demás problemas.
“Maro amin'ny mitondra ny VIH no mitady fanampiana amin'ny mpahay toetsaina (psikôlôgy) mandritra ny fiainany. Izaho manokana aloha, raha misy ny mihaino na mamaky ity … dia heveriko fa tsara ny miresaka amin'ny psikôlôgy indraindray mba hampihiratra kokoa ny andro maizi-kitroka sy ahafahana mizaka ny fitondrana ny tsimok'aretina sy ny olana hafa mianjady.”
Pinoy Poz, izay mipetraka any Quezon any Philippines, no mamaham-bolongana ny amin'ny fitondrana ny VIH sy ny fahasarotan'ny ilazana fa mitondra izany izy. Nolazainy ary fa nitia olona nitovy fanahana aminy izy fony 21 taona, fa  “niverina nidiot” sivy taona tay aoriana rehefa hitany fa mitondra ny tsimok'aretina  izy. Ao amin' ity lahatsoratra ity no ilazany fa tsy tsy ratsy araka izay atahorany tsy akory ny filazana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy, nefa mbola tena sarotra izany.
“Honestly, I’ve been too chicken to tell some of my other contacts myself. And when I say contacts, I mean… okay, sexual contacts. So I did the next best thing. I backtracked through my sexual contacts up to more than a year ago, and had a friend contact them anonymously, to advise them to get tested for HIV. The reactions varied from asking who the sender was, replying to the anonymous number that they’d just gotten tested, sending foul messages to their alleged stalker, or most commonly, assuming that they did get the message, not replying. But I felt that was as decent a warning as I could manage.”
Amin'ny fo madio no ilazako fa tena mifarirotra aho milaza amin'ny efa nifaneraserako hafa. Ary rehefa miteny aho hoe nifanerasera ny tiako lazaina dia hoe… fifaneraserana ara-pananahana. Dia nataoko ny zavatra tena tsara. Nilazako mangingina (SMS?) avokoa, nisy tamin'ny alalan'ny namana ary nisy nanafenana anarana, izay efa nifanerasera tamiko hatramin'ny nihoatra ny herintaona ananako fomba ifandraisana hanoro hevitra azy hanao fizahana VIH ao aminy tsirairay avy. Miova araka ny mpandefa ny valinteny, raha miafina ny laharana dia valiany fa efa nanao fizahana  ry zareo, valiany amim-pahatezerana raha heveriny fa olona adala aminy no mandefa ny somisika (SMS), na amin'ny ankapobeny, heverina fa voarainy fotsiny ny hafatra satria tsy mamaly izy ireo. Izaho kosa mahatsapa ao anatiko ao fa izay no fomba mety hampitandremana azy ireo azoko natao.
Maro ny mitovitovy amin'ireo lahatsoratra maro ireo manerantany. Mampivoitra ny feon'ireo sahy miseho  fa mitondra ny tsimok'aretina VIH sy ny feon'ireo mpikarakara, ary ireo olo-tsotra te-hampahafantatra ny VIH/SIDA  ity Saritany Google anoritan'ny Global Voices ny toerana misy ireo mpamaham-bolongana mitondra ny tsimok'aretina VIH ity. koa tsidiho ary vakio ny tantaran'izy ireny. Azo atsofoka amin'ny vohikalanao moa ny saritany. koa na dia nifanandrify tamin'ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA aza ny sarintany, dia ho ankotrihina izany mandritra ny taona.
saripikan'ny  Riban SIDA mihantona amin'ny hazo avyamin'i ttfnrob.
Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany
Avy ao andrenivohitry Kolombia, Bogota, ny mpanao gazety Víctor Solano no nametraka antserasera lahatsary iray ahitana ny filaharan'ny olona maro, ary nahitana tampoka ihany koa ilay biby ankafizin'ny ankizy manerantany [ao anatin'izany ve ny malagasy?]. Misy sary sy lahatsary hafa ihany koa ao amin'ny bolongany [nohony tsy hfahazakan'ny milin'ny mpandika teny na ny sary na ny lahatsary dia tsara indrindra raha mba jerena ao amin'ny lahatsoratra nadika izany].
<object width="425" height="344"><param name="movie" value="http://www.youtube.com/v/7S2BsFYwMl0&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1"></param><param name="allowFullScreen" value="true"></param><embed src="http://www.youtube.com/v/7S2BsFYwMl0&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash" allowfullscreen="true" width="425" height="344"></embed></object>
<object width="425" height="344"><param name="movie" value="http://www.youtube.com/v/PEcJnBhGDeM&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1"></param><param name="allowFullScreen" value="true"></param><embed src="http://www.youtube.com/v/PEcJnBhGDeM&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash" allowfullscreen="true" width="425" height="344"></embed></object>
<object width="425" height="344"><param name="movie" value="http://www.youtube.com/v/QtQTrWYeSRE&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1"></param><param name="allowFullScreen" value="true"></param><embed src="http://www.youtube.com/v/QtQTrWYeSRE&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash" allowfullscreen="true" width="425" height="344"></embed></object>
<object width="425" height="344"><param name="movie" value="http://www.youtube.com/v/UmOwAKLtFMk&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1"></param><param name="allowFullScreen" value="true"></param><embed src="http://www.youtube.com/v/UmOwAKLtFMk&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash" allowfullscreen="true" width="425" height="344"></embed></object>
Samy milaza ny heviny handray anaja rana tsia amin'ny fihetsiketsehana avokoa ny mpamaham-bolongana Kolombiana.
Mauricio Duque Arrubla ohatra ny manazava tsara ny heviny:
Caminando, se cura la herida…
Mety ho sitrana ny ratra eny ampandehanana…
Naka sary nampitondrainy ny lohateny hoe “Flags” ihany koa ny vadiny.
Dianacats izay monina any amin'ny tanandehibe hafa ao Kolombia, Medellin, indray mijery ilay lafiny varotra tamin'ilay diabe ary gaga ihany raha nahazo dokambarotra avy amina mpivarotra pizza tonga tao amin'ny imailakany, ary mieritreritra fa lasa lavitra ihany ny mahita haivarotra na pizza miaraka amina diaben'ny fahafahana sy fahaleovantena izany. [nt: ny telma sy ny Kaominina Antananarivo koa ary mba toy izany koa]
Avy any amorontsiraky Kolombia ao Barranquilla i El Gerente no mamoaka ny sary nalainy nandritra ny andron'ny diabe nataony.
Ny mpamaham-bolongana Arlovich Correa Manchola indray dia nanoratra ny hevitry ny teny hoe Firenena, ary nasehony fa nanakona ny famonoana ireo saindikalista eo ampelatanan'ny fitondrana ny fanantenana nateraky ny diabe.
La patria olvidará mañana al sindicalista del Polo que se entierra hoy, detenido y desaparecido por fuerzas oficiales, según éste comunicado. Guillermo Rivera llevó a su hija a la ruta del colegio y luego desapareció, después de ser abordado en plena vía pública de Bogotá, por sujetos que a la postre lo torturaron y asesinaron.
La patria ha asesinado a 29 sindicalistas como Rivera, en lo que va corrido del año.
La patria mata 5 sindicalistas al mes.
La patria mata un sindicalista a la semana.
La PATRIA está ensangrentada, tiene las manos y la boca y el alma sedienta de sangre.
Al final del día la patria reza el rosario. Y se lava las manos.
Rahampitso dia ho adinon'ny Firenena ny fandevenana natao androany ilay mpitolona saindikalisitra avy amin'ny antoko mpanohitra nosamborin'ny hery vondrotafiky ny fitondrana ary nanjavona, araka ny filazana ofisialy. Teny ampanaterana ny zanany vavy ho any an-tsekoly i Guillermo Rivera no nisy andian'olona nanakana azy teo andalamben'i Bogota, ka nidarodaroka sy namono azy.
Namono saindikalisitra 29 tahaka an'i Rivera ny Firenena tamin'ity taona ity fotsiny.
Namono saindikalisitra 5 isam-bolana ny Firenena.
Namono saindikalisitra iray isan-kerinandro ny Firenena.
Mandrika ny rà eto amin'ny FIRENENA, liandrà ,ny tanany sy ny molony ary ny fanahiny.
Rehefa mifarana ny andro dia mivavaka miaraka amin'ny rozery (vakana itanisana vavaka) ny firenena. Ary hanasa ny tanany.
Saribakoly avy amin'izao tontolo izao
Mpamaham-bolongana Aositraliana  Ange, avy ao amin'ny Hegab-Rehab, no manoratra momba ny saribakoly vitsivitsy voangona avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao, misy saribakoly Miozolomana amin'izy ireo ary ny hafa kosa mifototra amin'ny fiaviana (foko) tsotra fotsiny.
Iran: Aostralia sy ny filoha Iraniana
Niteny i Anthony Lowenstein fa “eo ampakana hevitra” hahazoana mitory ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad ankehitriny ny lehiben'ny fampanoavana Robert McClelland,ao Aostralia, noho ny resany mikasika ny “fandravana” an'Isiraely. Mizara ny heviny mikasika izany tantara izany i Anthony.
Aostralia: ny lisitra 100 voalohan'ny bolongana any!
Ny mpamaham-bolongana ao amin'ny Dipping into the Blogpond no nanangona sy nandahatra ny lisitry ny bolongana Aostraliana 100 voalohany araka ny fandaharan'ny Bolongana Alexa sy ny Technorati azy. (hita tamin'ny alalan'ny Endverse) Sambany vao nisy resaka tany teto an! Raha manindry ao ianao dia samy misy ny fandaharana araka ny isan'ny rohy amin'ny samy ao an-toerana, ny rohy ataon'ny manerantany amin'ny vohikala iray ka ireo no kajikajiana avy eo nahatonga io filaharana io.
Jordana : Mpiblaogy Aostraliana mahatratra 108 taona
Nisarika ny saintsika rehetra ny i Ola Eliwat avy any Jordania mba hamantatra fa mbola mampiditra bolongana (mibilaogy) ihany ny Olive Riley (izay vehivavy tompoko!) avy any Aostralia na dia efa mahatratra 108 be izao aza ny taonany! Tsy mampino ny maheno izany taona izany! Ary ianao io moa mba firy taona?
Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.
Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky
ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona mahery no nifampitadiavana sy niadian-kevitra vao neken’ny Firenena mikambana tamin’ity volana ity ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka Indizeny. Fifanarahana mazava, tsy manankery ho lalàna maneran-tany avy hatrany, miorina amin’ny Zo afa-mitandro ny kolontsaina manokana, ho afaka mizaka tena ary afa-miaro ny harena voajanahary eo aminy.
Namelona adi-hevitra teo amin’ny mpibilaogy manerantany ankehitriny ny toerana misy ny vahoaka Indizeny, ny lanja sy ny fetran’ny Fanambarana ary ny fanamelohana henjana ireo firenena efatra nitsipaka azy: Canada, Etazonia, Aostralia ary Neo Zealandy.
Nosoratan’I K ny hevi-dahibe navoitran’ny Fanambarana:
la Declaración consta de 46 artículos y establece parámetros mínimos de respeto a los derechos de los pueblos indígenas, que incluyen propiedad de la tierra, acceso a los recursos naturales de los territorios donde se asientan, respeto y preservación de sus tradiciones y autodeterminación…El texto también hace hincapié en la importancia de la educación bilingüe y alude a la implementación de medidas especiales para asegurar el mejoramiento continuo de las condiciones económicas y sociales de los ancianos, mujeres y menores, en particular. La Declaración no es jurídicamente vinculante, pero representa un instrumento dinámico en las normas internacionales, que ayudaría a proteger a los indígenas contra la discriminación y marginación.
Nametraka ny fenitra kely indrindra hanajana ny zon’ny vahoaka indizeny ny andininy miisa 46 ao amin’ny Fanambarana. Tafiditra ao anatin’izany ny Zon’ny vahoaka indizeny hizaka ny tany, ny fahafaha-maka ny harena voajanahary eo amin’ny toerana onenan’ireo vahoaka ireo, ny fanajana sy ny fitandroana ny fomba amam-panaony ary ny fahaleovantenan’izy ireo…Avoitran’ny lahatsoratra ao ihany koa ny mahazava-dehibe ny fianarana teny roa ary avela ihany koa ny tsirairay ho afa-manampy fepetra manokana hiarovana ny beantitra sy ny zaza amam-behivavy. Tsy mipetraka hanankery ny Fanambarana, fa ho fitaovam-piasana nanampy ny fiarovana ny vahoaka hafavolokoditra tsy hiharan’ny fanavakavahana sy ny fanositosehana an-tsisiny kosa.
Hoy Democracia Multicultural mikasika ny manjo ny vahoaka hafavolokoditra manerantany :
Democracia Multicultural:
Los pueblos indígenas afirman que sus tierras y territorios están siendo amenazados por la minería, tala, contaminación ambiental, proyectos de privatización y desarrollo, las designaciones de tierras como áreas protegidas o reservas y el uso de semillas genéticamente modificadas, entre otros.
Milaza ny vahoaka hafavolokoditra fa tandindomin’ny fitrandrahana, ny fikapana hazo, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, ny fanorenana goavana, ny fanakilasiana ny faritra ho voatokana na voaaro tsy ho azo onenan’olombelona ary ny fanandramana ambioka novana votoaty  (OGM) ny tany ipetrahan’izy ireo ankoatra izay mety ho tranga hafa tsy voatanisa.
Kenya Environmental & Political News Weblog dia nanoratra fa ao Kenya dia miatrika olam-pandroahana sy fandavana ny zony ho afa-mipetraka amin’ny ala ho fonenan-drazany mandrakariva ny Maasai sy ny Ogiekrg.
Ever since colonial times, most of what used to be Maasai land has been taken over, for private farms and ranches, for government projects or for wildlife parks. Mostly they retain only the most arid and least fertile areas. The stress this causes to their herds has often been aggravated by attempts made by government of Kenya and Tanzania to ‘develop’ the Maasai.
Similarly, since colonial times, there have been persistent attempts to evict the Ogiek from their ancestral forest, usually on the pretext that they are degrading it. But when the Ogiek are removed, their forest is not protected but rather exploited by logging and tea plantations - some owned by government officials. In some parts of the Mau forest, groups of Ogiek are now resisting eviction, while in others they face influxes of settlers onto their land. The most serious threat currently facing them all comes from the government’s plan to open up around one tenth of Kenya’s forests - most of it in the Mau forest - to outsiders.
Hatramin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nalaina hanorenana tobim-pambolena na fiompiana goavana ho ana olo-tsotra ary novolavolaina ho valan-java-boahary ny tany onenan’ny Maasai. Tahaka izany koa, roadrohina hiala amin’ny tanindrazany ihany koa ny Ogiek, satria lazaina fa mpanimbanimba fotsiny. Nefa raha vao nesorina ny Ogiek dia tsy misy fiarovana ny ala nonenany akory fa fitrandrahan-kazo goavana sy fambolena dite ho ana mpikambana ao amin’ny governemanta no misolo azy ireo. Ankehitriny, misy tsy manaiky hiala amin’ny misy azy intsony ny Mau sasany, anatin’ny fokonolona Ogiek, raha miatrika ny fidiran’ny Voanjo eo amin’ny taniny kosa ny Mau hafa. Ny mahatonga izany toe-javatra izany dia niainga avy amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanokatra ampahafolon’ny ala any Keny ka mamela ny vahiny honina any nefa ireo faritra nosokafana ireo dia alan’ny Mau ny ankamaroany.
Nitatitra ny filazan’ny fiaraha-monim-pirenena momba ny manjo ny vahoaka indizeny hafa manerana an’i Afrika koa ny Censored News :
au moment ou des milliers de Batwa dans la région des grands lacs sont affectés par des guerres dont ils ne connaissent pas les raisons, des familles de San sont expropries de leur terre par des fermiers et des parks nationaux. Les forets qui constituent les ressources de survie des autochtones (Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek …etc.) d’Afrique centrale et de l’Est sont détruites, le peuple touareg entre l’Afrique du Nord et de l’Ouest est pris dans le feu d’un conflit d’intérêt d’exploitation de ressources naturelles et géopolitiques des Etats
Amin’izao fotoana izao dia iharan’ny ady tsy mikasika azy akory ny Batwa anarivony monina any amin’ny faritry ny Farihimaro Lehibe, endahina amin’ny taniny noho ny mpiompy sy ny fananganana valan-javaboarim-pirenena ny fokonolona San. Rava ny ala hany loharanom-piveloman’ny Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek sy ny hafa. Voatemitry ny ady tombotsoa amin’ny fitrandrahana harena voajanahary sy ny teti-panoron’ny firenena samihafa kosa ny Touareg any Afrika andrefana sy avaratra.
Hitany tao amin’ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ka nosoratan’i Pepitoritas fa any Amerika Latina, miaina anatin’ny fahantrana lalina ny 75-90%n’ny vahoaka indizeny no sady mora mora andairan’ny aretina noho hafanana ary mora tratry ny voina amin’ny loza voajanahary.
Nanao « Tsia » ny firenena voanjo
Azo lazaina ho fotoan-dehibe hanamarika ny tantaran’ny vahoaka indizeny ny fahalanian’ny Fanambarana, fa betsaka ny mpibilaogy no nanakiana dia nanakiana ny fitsipahan’ny “firenena voanjo” azy dia I Canada, I Etazonia, I Aostralia ary I Neo Zealandy.
Na dia tsy manankery ho lalàna avy hatrany aza, dia voamarika fa misy fifanoheran-kevitra ihany ny votoaty sasany ao anatin’ny taratasy. Nahita manko Democracia Multicultural (es) fa tsy tokony alaina mihitsy ny tanin’ny vahoaka indizeny“sin el consentimiento libre, previo e informado de los pueblos indígenas interesados, ni sin un acuerdo previo sobre una indemnización justa y equitativa”[ raha tsy efa misy fifanekena tsy antery, filazana mialoha ny vahoaka indizeny tratran’ny fakana ny tany, raha tsy efa misy fifanarahana mazava ny fomba hanonerana araka ny tokony ho izy] ny tanin’ny vahoaka indizeny ary amin’ny lafiny ilany indray dia voasoratra fa onerana na soloina fotsiny ny tany nalaina [izany hoe mety tsy hifanaraka amin’ny tokombidiny ary mety tsy hisy filazana mialoha ihany koa?]
Mahatsikaritra I Wampum fa ireo firenena nitsipaka ny Fanambarana dia zanatany anglisy tany Amerika sy Pasifika atsimo taloha avokoa ary ny firenena tena nazoto nanohana kosa dia zanatany Espaniola sy Portiogey any Amerika taloha avokoa.
Nandika ny tao amin’ny the sacred sites (hitany tao amin’ny Angry Indian) kosa I The MySpace blog:
I have prayed many times that the world would recognize the rights of Indigenous Peoples. I knew that the US & Canada and of course Australia, who have done to the Aborigines what the US & Canada have done to Natives, would vote no. The big surprise to me was that Mexico, with their horrible treatment of Indigenous People there, wasn't the 5th country voting against the UN resolution for Indigenous rights. Another amazing thing to me is that even the countries who decimated the Native populations on the Caribbean Islands voted for it. The world is changing. And the US, Canada, Australia, and New Zealand had better catch up.
Efa imbetsaka aho no nivavaka mba hanekena ny zon’ny vahoaka indizeny. Efa fantatro fa hitsipaka I Etazonia, I Canada ary I Aostralia indrindra indrindra, fa toy ny nataony tamin’ny Aborizeny no nataon’I Canada sy Etazonia tamin’ny menahoditra teratany. Ny nahatalanjona ahy dia I Meksika izay tena nampahory fatratra ny vahoaka indizeny tao aminy tsy mba fahadimy tamin’ny firenena nitsipaka ny zon’ny vahoaka indizeny. Ny nahagaga ahy koa dia na ireo firenena nandripaka ny mponina teratany tao aminy toa ny nosy Karaiba dia nandrotsa-bato nanaiky ny Zon’ny vahoaka indizeny. Tena niova izao tontolo izao, tokony ho  kaopy an’izany I Etazonia, Canada, Aostralia ary I Neo Zealand.
Nampiseho ny sarim-pihetsiketsehana  nokarakarain’ny Femmes Autochtones du Quebec tao Montreal I La Tribu du Verbe ary nanoratra ny nitsipahan’I Canada ny Fanambarana:
Mais voilà que depuis l’entrée des conservateurs au pouvoir en janvier 2006, le Canada est devenu un farouche opposant à cette déclaration. Dernièrement, à quelques semaines du vote final pour l’adoption de la déclaration, le Canada, appuyé par l’Australie, la Nouvelle-Zélande, la Russie, la Colombie, la Guyane et le Surinam, a demandé de reprendre les négociations, manoeuvre qui a pour but de paralyser l’adoption de la déclaration.
Jereo fa hatramin’ny nahazoan’ny mpandala ny nentin-drazana ny fahefana tamin’ny janoary 2006 dia lasa mpanohitra mavitrika ny Fanambarana I Canada. Herinandro vitsivitsy lasa mialoha ny fifidianana farany izay dia mbola niady varotra hanao fanitsiana vitsivitsy ihany  I Canada izay namporisihan’i Neo Zealand,  Russie,  Colombie, Guyane ary i Surinam. Ny tanjona nokendrena dia ny hampihatonana ny fandaniana ny Fanambarana.
Fahadisoam-paika lalim-paka ny nitsipahan’ireo “fanjakana voanjo” efatra ny Fanambarana araka an’I The CAC Review no tsy hampihena ny lanjany na oviana na oviana:
To be seen to act against the contents of the Declaration will be equate with acting against international public opinion. What stands out is not that “the liberal democracies with the most intense engagements with indigenous issues” voted against the Declaration, as some have said, since many other countries, with larger indigenous populations, and arguably more intense engagements, voted for it. What stands out instead is how settler states are still in the process of trying to settle themselves, how much “engagement” has really been disengagement, distance, friction, and conflict, and how much wishful thinking plays a part in reigning fantasies that, one day, Europe Part 2, will be as embedded in its foreign soil as Original Europe can claim to be on its soil.
The vote against the Declaration was a serious tactical error: these four states now sorely stand out as colonial, white states, anachronistic entitites in a world where “decolonization” has become part of the international vocabulary. They have also handed the Chinas of the world a powerful argument–that they too flout the will of “the international community,” that they too do not recognize the rights of disadvantaged minorities, and that liberal democracy is really little more than kleptocracy. If accepting the Declaration could have been symbolically binding (even if not legally so), then surely rejecting the Declaration will also come at a political cost. Some of us will see to it that it does.
Midika ho fanoherana ny hevi-bahoaka maneran-tany ny fahitana izay nitsipaka ny votoatin’ny Fanambarana. Tsy amin’ny maha “demokrasia liberaly manana adidy betsaka amin’ny vahoaka indizeny” , araka ny filazan’ny sasany azy, no nanohitra ny Fanambarana satria nisy firenena misy vahoaka indizeny betsaka -ananany andraikitra ifanarahana- ao aminy  nanaiky sy nisafidy ny Fanambarana. Ireo nanohitra dia ireo firenena voanjo mbola te-hamariparitra ny tany izay tiany araka ny fitenenana hoe ny anarana tanim-boanjo ihany, Firifiry moa ny “fandraisana andraikitra” no mbola fialana andraikitra, fanalavirana, fifandirana ary fifandonana. Ary hatramin’ny oviana ny saim-pahendrena, indray andro any ka efa anatin’ny fizaram-potoana faharoa i Eoropa, no mbola hampanjaka ny revirevin’ny fifikirana an-tanin’olona tahaka ilay Eoropa taloha mbola afa-mitaky ho toy ny mbola eo amin’ny taniny hatrany?Fahadisoan-tetika mampanahy ny tsanga-tanana nanohitra ny fanambarana. Mbola mijoro ho mpanjana-tany, firenen’ny fotsy hodotra, singa diso fotoana ao anatin’izao tontolo izao efa manana ny teny hoe “decolonization” (fanomezam-pahaleovan-tena) efa lasa teny iraisam-pirenena. Lasa manome fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina ho an’ny Shinoa, fa hay ry zareo manitsakitsaka ihany koa ny safidin’ny “fiaraha-monina iraisam-pirenena”; hay ry zareo tsy manaiky ho ara-dalàna ny zon’ny vitsy an’iasa zary voahilikilika ihany koa; ary asehon’izy ireo fa ny demokrasia liberaly dia mifanahatahaka amin’ny fanjakan’ny mpangalatra ihany. Raha singam-pamantarana mamatotra (na dia mbola tsy ara-dalàna aza) ny fanekena ny fanambarana, dia tena hovidian-dafo amin’ny sehatra politika ny fitsipahana ny fanambarana. Hahita ny fiantraikany moa ny maro amintsika.
soup is good food, blaogina mpianatra Kanadiana momba ny Hay Politika dia manoratra fa na tsy mamatotra aza ny fanambarana dia mety hampisy andraikitra ho an’ny governemanta momba ireo teratany ihany izany:
Some might point out that the declaration is non-binding. The Canadian government could have easily signed it to look good and then ignored it like we do with other declarations. I wouldn't use this excuse.
I think the Harper government knows exactly how dangerous declarations can be.
The Universal Declaration of Human Rights is/was non-binding. Now many parts of it are customary international law. It's not perfect and violations still occur, but it's there. It's a global rallying point for change and justice. And that's something.
Politicians have learned from this “mistake” of allowing non-binding seemingly harmless feel-good declarations in. It eventually causes problems. Which is why we now have four powerful countries with ongoing histories of disgusting abuses against indigenous populations having temper tantrums over the UN Declaration on the Rights of Indigenous People. Because heaven forbid we should sign onto something that would oblige us to do the right thing.
Mety hanitrikitrika ny sasany fa tsy manankery ho azy ny fanambarana. Mety ho afa-nanasonia io ny governemanta Kanadiana mba tsy ho ratsy eo imason’ny hafa nefa hody fanina avy eo tahaka ny natao tamin’ny fanambarana hafa. Tsy hanao io (fikafika f) ialan-tsiny io aho.
Mieriterritra aho fa fantatry ny governemanta Harper tsara ny loza mety ateraky ny fanambarana.
Tsy nanan-kery avy hatrany ny Fanambarana Erantany ny Zon’olombelona. Ankehitriny zary efa lalàna iraisam-pirenena ny andininy maro ao anatiny. Mbola tsy lavorary io ary mbola misy koa ny fandikan-dalàna, saingy efa mijoro izy io. Efa zava-dehibe izany.
Efa hitan’ny mpanao politika ny “fahadisoana” mamela ny fanambarana tsymanankery mody malemilemy sy manentohento tsara. Fa mety hiteraka olana izy. Izay no mahatonga ireo firenena efatra lehibe izay efa nanao tsy rariny e dia be tamin’ny vahoaka indizeny ao amin’ny tantarany somary miala-tosidra manoloana ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka indizeny. Satria mandrara anay ny lanitra hanasonia zavatra mety haningotra anay hanao ny zavatra ara-drariny.
Hatraiza ny fiantraikan’ny fanambarana?
Nilaza mialoha i le blog de [moi] ao Martinique fa hampikoraraika ireo mpitaky fahaleovantena indray ny Fanambarana.
Departemanta Frantsay ampitan-dranomasina I Martinique, I Frantsa izay nanohitra hatramin’ny ela ny fanambarana noho ny fifotorana amin’ny fotokevitra “Repoblika tsy azo zarazaraina tsy azo vakivakiana (zarazaraina) sy ny fndavany ny zo iraisana. Niova hevitra I France indrindra teo ambany fitarihan’I Jacques Chirac, izay nitodika manokana tamin’ny “vahoaka ntaolo”.
indigenouspeoplecongobrazza (Fr) kosa nanoratra fa na dia voapetraka ao amin’ny fanambarana aza, indrindra eo amin’ny fizarana mikasika ny tany sy ny harena voajanahary ny fisian’ny fanekena avy amin’izay hiala rehefa nampilazana mialoha, ka tokony ho fandresen’ny Pygmee ao Congo izany, “ny fahabangan’ny lalàm-pirenena mikasika ny vahoaka indizeny sy ny fahambanian’ny fari-pahaizan’ny vahoaka indizeny” no ho sakana lehibe hahalalan’izy ireo ny zony hiarony tombotsoany avy amin’ny fanambarana.
Tsikera momba ny Fanambarana
Polysocial (es)indray nanamarika fa nisy fanovana tamin’ny minitra farany ny Fanambarana, ankoatra ny fanampi-bolavola avy amina vondrona  indizeny iray, rehefa avy nidongian’ny mpanohana (nifanao andaniny sy ankilany) ny iray amin’ny fifanekena, dia nisy vondrona Afrikana sy Amerikana Latina toa an’I Perou, Guatemala ary Meksika saika hametraka fa tsy mamela na manaitaitra fihetsiketsehana hanozongozona ny fiandrianam-pirenena na hamakivaky ny firaisam-pirenena velively ny eritreritra iaingan’ny fanambarana.
Nihetsiketsika nanohitra ireo fanovana nosoratan’i Pylysocial ireo ny fikambanana maro avy ao Amerika afovoany sy atsimo, satria nino izy ireo fa “nisy fanovana nampihena ny votoatin-kevitra avy amin’ny foto-kevitra hanadala sy mametra ny fahatakarana” ny Fanambarana.
Filazan-kevitra iray ao amin’ny le blog de [moi], WK, mpamaky, dia manoratra toy izao:
il y a quelque chose qui me heurte profondément dans cette déclaration c’est que j’y trouve une sorte d’abdication à créer des sociétés multiculturelles et un encouragement à des replis identitaires. Par ailleurs, une déclaration aussi globale me paraît mal venue dans le sens ou elle est tellement vague qu’elle pourra rester lettre morte alors qu’il y a bien urgence dans certaines cas, je pense par exemple à l’Alaska où des ressources et des modes de vie sont menacées par l’avidité des compagnies pétrolières.
Ny tena nanohina ahy indrindra tamin’ity fanambarana ity dia ny fanekena hanjakan’ny fiaraha-monina marokolontsaina sy famporisihana ny olona hanavatena amin’ny mahaizy avy ny tsirairay. Ankoatra izany, tsy ao amin’ny ilako azy ny fanambarana ambangovangony  tahaka ity, manjavozavo loatra ka mety tsy hanana fiantraikany akory nefa misy ny ilana vonjy haingana amin’ny lafiny sasany toy ny Alaska fa fongorin’ny robaroban’ny orinasa mpitrandraka solitany ny fomba fiainana sy ny loharanon-karena ao.
Mamariparitra ny antsoina hoe vahoaka indizena kosa ny blaogy Japoney iray. Lava tokoa ny Fanambaran’ny Firenena mikambana mba samy hanana ny famariparitana ny isam-pirenena ary niniana hanjavozavo rahateo maodely arahina.
気になるのは、用語に関することです。宣言の英語表記ては「indigenous peoples」の諸権利に関する宣言となっていて、nationでもethnic groupでもありません。朝日も産経も記事の見出しは「先住民」ですが、本文では「先住民族」と「先住民」を併用しています。不統一で、あいまいです。
Ny mahaliana ahy dia ny fampiasana ilay teny manokana mihitsy. Amin’ny fanambarana azy amin’ny teny anglisy dia voasoratra fa mikasika ny zon’ny “indigenous people”[vahoaka indizena] ny resaka. Tsy misy fanamarihana ny teny hoe “nation”[firenena] na “ethnic group”[foko] ao. Amin’ny gazety Asahi sy Sankei ny lohateny dia ahitana soratra hoe “先住民” [senjuumin, dika tsotra “mponina taloha”], nefa ao anatin’ny lahatsoratra ataony afaka mifanolosolo tsara ny teny hoe “先住民族” [senjuuminzoku, “vahoaka indizena”] sy ny teny hoe “先住民” [senjuumin]. Tsy matotra sady manafangaro zavatra izany mampifanolosolo teny izany.
Nanoratra ilay mpibilaogy avy eo fa tsy fiaraha-monina miray volo araka izay dradraina tsy akory I Japana:
日本ではしばしば単一言語、単一民族などといわれがちですが、子細に見れば、多元的、多様な文化が伝わっていることが分かります。文化的な多元性、多様性をもっとも端的に示しているのは、民族宗教といわれる神社の祭りの多様さです。縄文の火祭りをいまに伝えるものもあれば、伊勢神宮のお膝元で東南アジアの畑作農耕文化と共通するお田植えが行われてさえいます。
Lazaina matetika eto Japana fa iray ihany ny fiteny, iray ny vahoaka, sy ny sisa, fa rehefa tena zohinao dia hita ihany ny fahamaroana sy fahasamihafana kolontsaina ekena. Manaporofo mazava izany fahasamihafana sy fahamaroan’ny kolontsaina izany indrindra ireo fihetsiketsehana lazaina fa karakaraina fivavaham-poko amin’ireny toerana manan-tantara ireny. Nandritra ny fotoam-pankalazana ny afo tao amin’ny vanim-potoana Jomon, dia mahita isika manodidina an’I Ise Shrine ny fomba fambolem-bary iraisan’ny mpamboly amin’ny faritra atsimo andrefan’I Azia.
Ary dia nanazava ny hevitry ny teny amin’ny vahoaka Ainu izay mitolona ny hanana zo ara-kolontsaina sy ny fiantraikan’ny fanambarana ho azy ireo ny mpibilaogy:
「民族」だといってしまえば、やれ「民族自決」だ、「独立」だ、ということになりかねません。日本でも、政府は、たとえばアイヌに対して、「先住民族」とは認めていません。萱野茂さんが尽力して10年前に成立した「アイヌ文化振興法」も「アイヌの人々」と表現しています。しかし、今回の採択を受けて、「アイヌ民族の尊厳確立」を目的に活動する北海道ウタリ協会はさっそく、「先住民族として認めることを要求していく」と表明しています。
Rah ampiasaina ny teny“民族” [Minzoku], Dia lasa [miaraka amin’ny] “民族自決” [minzoku jiketsu, “fahafahan’ny vahoaka manapa-kevitra ho azy”], na “独立”[dokuritsu, fahaleovan-tena (politika)]. Eto Japana, ohatra, dia lavin’ny governemanta ny teny hoe “senjuu minzoku” [ilay teny tena tokony ho dikan’ny vahoaka indizena]. Hita fa nahavita ezaka be tokoa raha izany I Kayano Shigeru, folo taona lasa izay ka niorina ny “ Lalàna hanondrotana avo ny kolontsaina Ainu”, afaka nampiasaina manko ny teny hoe “アイヌの人々” [vahoaka Ainu] .
Nefa, raha vao azon’ny Hokkaido Utari Asssociation, vondrona mitolona ho amin’ny “ Fanorenana ny fahamendrehan’ny vahoaka Ainu” [アイヌ民族の尊厳確立, “Ainu minzoku no songen kakuritsu”] jp, ity Fanambaran’ny firenena mikambana vaovao ity, dia nanambara avy hatrany ry zareo hoe: “Miangavy izahay mba ho ekena ho anisan’ny vahoaka indizeny”.
Japanese translations by Chris Salzberg.
Jennifer Brea