GlobalVoices anaty

Oseania

Tahiry Faritra · 47 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Oseania

12/05/2013

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"

29/03/2013

Milina Coca Cola ‘Out of Order’ na Simba ao Aostralia

Tohin'ny lahatsoratra

Nisy fanentanana nahasehaka ny firenena manohitra ny Coca Cola taorian'ny fandresena teny anivon'ny Fitsarana momba ny lalàna mahasahana ny fonon'entana tao amin'ny Sisintany Avaratra (Northern Territory) ao Aostralia tamin'ny 4...

Aostralia: Hetsiky Ny Mponina Enti-manohitra Ny McDonald Any Amin'ny Vohitr'izy Ireo

Tohin'ny lahatsoratra

Nanana fifandraisana mivantana tamin'ny hetsi-panentanana anaty aterineto ny hetsika fanoheran'ireo mponina ny McDonald vaovao any amin'ny havoanan'i Melbourne any ivelan'ny tanànan'i Tecoma. Ho fanampin'ireo fanasàna atidoha, fivoriana sy fidinana an-dalam-be, nitondra zava-mahafinaritra ho an'ireo hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny famelàna olona kely an-jatony eo amin'ny tohotohotry ny birao foiben'ny McDonald ireo mafana fo.

22/02/2013

Senatera Aostraliana Voaraoka Fa ‘Nitsabaka’ Tamin'ny Raharaha Politika Ao Malezia

Tohin'ny lahatsoratra

Notànana nandritra ny 15 ora tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Kuala Lumpur, ao Malezia ilay Senatera Aostraliana Nick Xenophon alohan'ny nandroahana azy rehefa voampanga ho ‘fahavalom-pirenena izy.’ Nilaza ireo manampahefana Maleziana fa “mety...

08/02/2013

Aostralia: Mitaky Ny Zo Amin'ny Fampinonona Zaza Eny Imasom-bahoaka Ireo Mpomba Ny Fampinonoan-dreny

Tohin'ny lahatsoratra

Any Aostralia, naka ireo filazam-baovao sy ny arabe ireo mpomba ny fampinonoan-dreny mba hiarovana ny zo fahafahana mampinono ny zaza eny imasom-bahoaka. Fihetsiketsehana indroa miantaona no natao taorian'ny fandroahana an-dRamatoa Liana Webster, reny iray nampinono taminà toerana misy dobo filomanosana ho an'ny daholobe, ny 12 Janoary 2013.

06/01/2013

Aostralia: OVNI Miteraka Adin-teny

Tohin'ny lahatsoratra

Lahatsari-na OVNI iray tany Queensland, Aostralia niteraka sahoan-dresaka tao amin'ny tontolon'ny twitter hatramin'ny mpino ny fisiany ka hatramin'ny tsy manaiky resy lahatra.

25/12/2012

Aostralia: Fonon-tsigara Voalohany Erantany Tsotra Misy Hafatra Mazava – Tsy Misy Mari-Pamantarana

Tohin'ny lahatsoratra

Australia’s new plain cigarette packaging law, which began on December 1, 2012, was greeted with pleasure by most onliners. An-kafaliana no nandraisan'ny ankamaroan'ireo mpiserasera ny lalàna vao nivoaka tany Aostralia mikasika ny fonon-tsigara, izay nanomboka ny 1 Desambra 2012. Mandritra izany, ireo Indostria mpanodina sigara dia nihazona mafy fa io fonosana tsy misy loko io dia hampirongatra ny varo-maizina sy ny halatra. .

04/12/2012

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

Tohin'ny lahatsoratra

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray...

Aostralia: Ny Tenintsika Momba an'i India, Demokrasia Lehibe Indrindra Eran-tany

Tohin'ny lahatsoratra

Hoavy manao ahoana ny an'i India, izay tsy demokrasia lehibe indrindra eran-tany ihany fa hanana mponina betsaka ihany koa atsy ho atsy? Afaka mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny Demokrasia lehibe...

23/11/2012

Video Lahatsoratra
Diabe Lavitr'ezaka 300 Km Ho Fanoherana Ny Toby Fanadiovana Vovo-tany Ao Malezia

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny 13 Novambra 2012, noesorin'ny Fitsarana Ambony Maleziana ny fampiatoana roa volana ny fahazoan-dalana nomena ilay orinasa mpitrandraka Vovo-tany Tsy Fahita Firy, Lynas Corporation, mba ahafahany hitrandraka ny Vovo-tany Tsy Fahita...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny