· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Etazonia tamin'ny Mey, 2013

Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto

GV Mpisolovava  19 Mey 2013

Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba ny fizaka-manana izay miteraka resabe izy io ary hametra ny fahafahan'ny Kôngresy Peroviana hiditra amin'ny fanovàna ny lalàna nasionaly mba hamaliana ny filàn'ireo IP izay miovaova sy ny zava-misy iainan'ireo olom-pirenena Peroviana ary ny sehatry ny teknolojian'izy ireo izay an-dàlam-pitomboana.

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

  12 Mey 2013

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"