· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Etazonia tamin'ny Aogositra, 2012

Etazonia: Midika Inona Ho An'ny Olona Miteny Espaniola i Paul Ryan

  21 Aogositra 2012

Hatramin'ny andro nisafidianan'ilay Repoblikana mihazakazaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, Mitt Romney, an'i Paul Ryan mpikambana ao amin'ny Kaongresy ao Wisconsin, ho mpiray lisitra aminy, goavana tokoa ny fandrakofan'ireo mpampahalala vaovao an'izany, na mpomba, na mpanohitra ilay fanapahan-kevitra.. Vitsy no voalaza momba ny fiantraikany teo amin'ny vahoaka tao Etazonia ary indrindra indrindra fa ny vondrom-piarahamonin'ireo miteny Espaniola.

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

  11 Aogositra 2012

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana

  04 Aogositra 2012

Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy' tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.

Rosia : Resaka nifanaovana tamin’i Jesse Heath, mpanoratra ny bilaogy The Russia Monitor

Akon  04 Aogositra 2012

Ny bilaoginy The Russia Monitor izay mandinika ny fironana vaovao eo amin’ny toe-karena, politika  ary ny fanao ao amin'ny fanaovan-dalàna Rosiana. Ny  fomba filazany ny lafiny ara-teknika ireo toe-javatra sahanina no tena mampiavaka an’i Heath amin’ny bilaogera manoratra teny anglisy hafa momba an'i Rosia. Ohatra: nofotoriny amin'ny antsipiriany ny fanitsiana lalàna momba ny...