Tantara farany mikasika an'i Kanadà
01/06/2013
TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?

Hivory mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon’antoka manerana an’i Pasifika (Trans-Pacific Partnership-TPP) i Etazonia sy ireo fanjakana folo manodidina an’i Pasifika. Hatrany am-boalohany dia nafenina io fivoriana momba ny fifanarahana io, saingy mifototra amin’ilay taratasy niparitaka sy ny tsy maha-demokratika io rafitra io dia manana ny antony rehetra tokony hanairana ny mikasika ny zon’ny mpamorona voarakitra ao anatin’io fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena io ireo mpandray anjara rehetra.
17/01/2013
Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter
Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy.
11/01/2013
16/12/2012
Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika
Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny...
04/12/2012
Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana
Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray...
21/11/2012
Anaran-tsehatra: Fanehoan-kevitra Mendrika Ho Arovana

Ny Initiative for Freedom of Expression on Internet (iLEI, ho an'ny anarana Espaniola niaviany), fandaharanasa manokana an'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy ny Fidirana Hahazo Vaovao ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo ao Arzantina, dia manana asa vaovao ibanjinany ny fifandraisana misy eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny anaran-tsehatra, ary ireo karazany maro samihafa noraisin'ny firenen-tsamihafa hitantanana azy ireny.
20/11/2012
Kanadiana Miandry Fanamelohana Ho Faty Any Iran Hatramin'ny 2008
Voafonja ao Iran sy nohelohana ho faty noho ny fiampangàna azy ho nanao asa fitsikilovana ilay teratany Kanadiana Hamid Ghassemi tamin'ny 2008. Ny fianakaviany, namany ary mpiray vodirindrina aminy any Toronto sia mbola manohy manentana hatrany ho amin'ny famerenana azy.
31/08/2012
Québec : Fifidianana Solombavambahoaka Mafampàna Taorian'ny Lohataona “québécois”
Hatao amin'ny 4 Septambra 2012 izao ny fifidianana solombavam-bahoaka 2012 any Quebec. Hifidianana ireo solombavambahoaka andiany faha-40 ho ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Québec izy io. Ireo fitsapan-kevitra farany dia maneho fa ireo mpitaky fizakan-tena avy amin'ny antoko Parti Québécois (PQ) no mitarika. Ny adin'ny mpirahalahy eo amin'ny federalista sy ny mpitaky fizakan-tena no nandrafitra hatry ny fiainana ara-politikan'i Québec. Maneho hevitra momba ilay fitsapan-kevitra, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana Ireo mpikirakira aterineto ao Québec.
22/05/2012
Lahatsary: Misokatra Ny Latsabato Ho An'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards
Mampiseho ny asany avy amin'ny alalan'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards ireo tanora tsy ampy fivelomana mianatra ireo fitaovan'ny multimedia. Ao anatin'io fifaninanana io ny lahatsary fanadihaiana, rakikira an-tsary, tononkalo, raki-peo, fanomezana endrika, fitantàrana, sarimiaina ary saripika.
08/05/2012
Laahatsarin'ny Voalohan'ny May: Diabe, Fanehoan-kery Sy Hetsi-panoherana Nanerana Ny Tany
Manerana tanana maro eran'izao tontolo izao, nidina an-dalambe ny olona mba hanao diabe sy hankalaza ny Andro Erantany ho an'ny Mpiasa. Lahatsary avy amin'ny The Real News no hitondra antsika hitety ny fahitàna izany andro izany nanerana izao tontolo izao.






























RSS ho an i Kanadà
Karohy Wikipedia ny Kanadà





tena mampijaly vahoaka tokoa ity TGV ity , betsaka @zao no tsy misakafo afatsy...