· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Novambra, 2011

Etazonia : Fanesorana Tampoka Ny Hetsi-panoherana Bodoy ny “Wall Street”

  20 Novambra 2011

Ny marainan'ny 15 Novambra, Ireo mponina avy ao Etazonia dia taitra tamin'ilay vaovao nilaza fa ny polisy dia nandroaka ireo mpanao hetsi-panoherana bodoy ny "Wall Street" ao amin'ny Zuccotti Park tsy nisy fampandrenesana mialoha akory. Toy ny mahazatra, betsaka ny hevitra izay nifamahofaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tambazotra ara-sosialy.

Shina: Fahavalo An'eritreritr'i Japana

  16 Novambra 2011

Tatitra vao haingana avy amin'ireo mpampita vaovao Japone izay manondro an'i Shina ho ny fahavalo ao anatin'ilay fanazarantena an-dranomasina iarahan'i Japana sy Etazonia izay voalaza fa nokarakaraina hatao amin'ity herinandro ity no nitondra hatramin'ny fihenjanana amin'ny resaka ady sisintany eo amin'ireto firenena aziatika roa ireto. John Kennedy no mitatitra.

Taiwan: Maneho Hevitra Momba Ilay Diplaomaty Voaheloka Ho Nanararaotra Mpiasa An-trano Ireo Mpiondana Aterineto

  13 Novambra 2011

Noho ireo mpanao lalàna mitavozavoza sy motraka, ary ny "sasany"- sa tokony hoe "ny maro" no ho teneniko - amin'ireo mpampiasa tsy vanon-toetra, malaza ratsy amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra i Taiwan. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity ny tantara ratsy mahasadaikatra dia tsy tao Taiwan no nitranga, fa tao amin'ny toeram-ponenan'ny diplaomaty Taiwanais any Etazonia.

Hong Kong : Maninona No Bodoina Ny “Foibe”?

  10 Novambra 2011

Vondrona iray misy ireo mafàna fo ao Hong Kong no nibàhana ny rihana ambany amin'ilay trano avo lehibe malaza atao hoe HSBC tao amin'ny Distrika Foibe efa ho herinandro. Ilay fibodoana dia nanome toerana hisainana ho an'ny olona mba hijereny ny olana misy eo amin'ny sehatra ara-toekarena.

Sarimihetsika: Andro Iray Hiainana Ny Fiainan'ny Olona Iray Jamba

  03 Novambra 2011

Jamba hatrany an-kibon-dreny i Tommy Edison, ary amin'ny alàlan'ny lahatsary YouTube no anehoany amintsika ny fiatrehany ireo asa aman-draharaha sasantsasany izay mitaky fanamby avy aminy toy ny fampiasàna vola taratasy ohatra, ATM, famakiana DVD sy fiampitàna arabe. Izy koa dia mpanao kiana amin'ny sarimihetsika ary ny fomba fijeriny miharo vazivazy no manome antsika topimaso amin'ny fomba ankafizan'ireo manana olana ara-pahitàna ny fiainana.