· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Febroary, 2009

Ezypta: Nanohina ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ny fakantahaka

  25 Febroary 2009

Misy ve ny tranga-javatra tahaka ny maka tahaka bolongana? samy manana ny heviny ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ao amin'ny fefin'ny Facebook sy any amin'ny bolongany rehefa hitany fa maka ampahan-dahatsoratra tsy nahazo alalana tamin-dry zareo ny gazety iray. Bella Shereef ohatra nanangana vondrona iray mitory ny gazety El Shorouk noho ny...

Mitsidika any Indonezia i Clinton

  25 Febroary 2009

Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana  Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny “andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny olana ara-toe-karena.” Indonezia no firenena silamo lehibe indrindra eran-tany ary fahatelo amin'ny demokrasia malalaka indrindra....

USA: Manambady noho ny Fitiavana sy ny Firenena

  17 Febroary 2009

Na ny fitiavana, na ny viza (visa), na ny fanapahan-kevitra ny hivady dia zavatra tsy moramora. Ao Etazonia izay isian’ny olona mpifindra monina “Tsy ara-dalana” miisa 12 lavitr’isa, dia ny firaiketam-pitia sy ny fampakaram-bady Amerikana no fomba iray ahafahana mamaha ny olana ho ara-dalana. Mitantara ireo mpitoraka blaogy mpifindra monina.

Etazonia: Amerikana (Mena Hoditra) “Eny, mahavita izahay”

  17 Febroary 2009

Rehefa tsy taza-maso nandritra taon-jato maro, dia miha-mitombo ny fampiasan’ny teratany Amerikana (Indiana) ao Etazonia ny blaogy sy ny gazetim-pirenena anterineto mba ampisehoana sy itehirizana ny zo sy ny fombafomba fiainan’izy ireo. Manana ny antony vaovao ho feno fanantenana ireo tompon-tany Indiana tamin’ny fifidianana an’I Filoha Awe Kooda Bilaxpak Kuuxshish (Anarana nomena an’I Barack obama avy amin’ny foko Crow).

Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”

  17 Febroary 2009

Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama ny dokam-barotry ny Televiziona Filipianina. Ilay olo-malaza ao anatin'ny dokam-barotra dia ny Indoneziana Ilham Anas Izay hita ankehitriny fa malaza satria ny fitovian-tarehy misy eo aminy sy Obama.