Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra

15 Janoary 2015

Mianatra Mandihy Amin'ny Skype Mampifandray an'i Baghdad sy i New York City

Miaina any amin'ny kaontinanta samihafa ilay mpampianatra mandihy Sean Scantlebury sy ny mpianany Aadel Qies, saingy tsy nanakana azy tsy hanao fianarana mandihy izany ary mamahana ny fitiavan'i Qies' handihy.

10 Janoary 2015

Avotsotry Ny Filoha Venezoelana Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Raha Afahan'i Etazonia i Oscar López Rivera

Any Am-ponjan'i Etazonia 33 taona izao ilay Poerto Rikana Oscar López Rivera. Antsoina ho gadra politika voatazona ela indrindra ao amin'ny Ilabolantany Andrefana izy.

03 Janoary 2015

Poerto Rikana no Nanoratra ny “Hiram-Bahoaka ara-Politikan'ny Taona 2014″

"Manantena aho fa hampody hery sy mahaolombelona ireo rehetra lasibatry ny herisetra sy ny fangejana ity hira ity," hoy ilay mpihira sady mpamoron-kira Alynda Lee Segarra.

31 Desambra 2014

Tantaran-drazan'ny Iñupiaq Nomena Aina Tamin'ny Alàlan'ny Lalao An-dahatsary

Rising Voices

Tantara iray nentin-drazan'ireo Indiana teratany Alaskan, antsoina hoe "Kunuuksaayuka" no tonga lalao an-dahatsary noho ny fandraisana andraikitra niarahana niasa izay mikatsaka ny hitehirizana ny kolontsainy sy ny teniny.

22 Desambra 2014

Tantaran'ny Tsonamia Nampivarahontsana Tao Tohoku, Voadika Ho Teny Anglisy

Niaraka tamin'ny fanohanan'ny Anjerimanontolon'i Harvard, namadika ho teny Anglisy ireo fitantaràna tsy manam-paharoa mikasika ireo "loza voajanahary telo" tamin'ny 11 Martsa 2011 ny Kahoku Shimpo, gazety iray goavana ao Tohoku.

20 Desambra 2014

Kiobà: Na Misy Na Tsia Fanavaozàm-panjakàna, Midika Teknolojia Bebe Kokoa Ny Vola Misimisy Kokoa

GV Mpisolovava

Inona no ho entin'ireny fiovàna tamin'ny Alarobia ireny ho an'ny fahafahana miditra aterineto sy ny telefôna finday ao Kiobà? Hatreto, kely ny finoana. Saingy misy zavatra vitsivitsy mba azontsika raisina avy amin'ny resak'ireo filoha roa ireo—sy ny tsy nolazainy—hatreto

Ny Vola 60 Tapitrisa Dolara avy any Washington Ho Fampiroboroboana ny Demokrasia Rosiana dia ‘Fandrisihana Amin'ny Ankapobeny’

Akon'ny RuNet

Niteny ny loharanom-baovao ao Washington,“Ny fitenin'ny fahazoan-dalana dia fandrisihana amin'ny ankapobeny, ary tsy manantena ny vokany ho fakana ho fananana vaovao ny seha-mpampitam-baovao Rosiana na ny firaisamonim-pirenena Rosiana.”

27 Novambra 2014

Fiovaovan'ny Toetrandro, Ebola, Okraina: Tsy Resaka Ara-toekarena Fotsiny No Natao Tamin'ny Fihaonana An-Tampon'Ireo G20 Tany Brisbane

"Hahatsiarovana ny #G20Brisbane ny tsy nahavitan'i Abbott nandresy lahatra ny firenena hafa mba tsy hieritreritra ny #fiovan'nytoetr'andro "

22 Novambra 2014

Videon'ny Hollaback! Maharitra Ora 10 : Izao Ve no Hamaritana Ny hoe Fanorisorenana?

Mafana dia mafana tokoa ny adihevitra nataon'ny mpiserasera tamin'ny lahatsarin'ny Hollaback! nifandresy lahatra ary matetika nifandramatra tamin'ny dikan'ny hoe fanorisorenana sy ny fanavakavahana.

Inona no Tokony Horesahan'ny Mpitondran'Izao Tontolo Izao Mandritra ny Zaikaben'ny G20 ao Brisbane

Nandray ny Zaikaben'ny G20 taona 2014 i Brisbane, Aostralia, tamin'ny 15-16 Novambra. Miady hevitra amin'izay tokony ho laharam-pahamehana ao anatin'ny fandaharam-potoana ny mpiserasera.