· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Yemen tamin'ny Mey, 2013

Yemen: Tovolahy roa Maty Noho Ny Fisongonana Ireo Fiara Mpanotrona Ny Mariazin'i Sheikh

  31 Mey 2013

Tanora Yemenita roa no maty ny herinandro lasa teo vokatry ny fisongonana ny filaharana fiara mpanotrona ny mariazin'i Sheikh (filohanà foko) tany Sanaa renivohitr'i Yemen. Nitondra ny fiarany i Khalid Al-Khateeb sy ny namany Hassan Aman raha nisongona ny fiara mpanotrona ny mariazy ary maty vokatr'io fisongonana io. An'i Sheikh Ali Abd Rabo Al-Awadhi ny fiara mpanotrona mariazy, mpikambana iray ao amin'ny antoko Islah any Yemen sy mpikambana ao amin'ny Fihaonambem-pirenena. Nahatonga adihevitra teo amin'ny mpisehatra aterineto maro sy ireo mahery fò ny fahafatesan'izy ireo.

Yemen : Tsindrim-peo mikasika ny fampianarana!

  19 Mey 2013

Amin’ny firenena iray izay manakaiky ny 40 isan-jato ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin’ny lahy sy vavy (15 taona no miakatra), ny fampianarana sy ny fandrisihana ireo vehivavy sy ny tanora dia tsy maintsy ilaina mba hisian’ny fampandrosoana mivaingana ao Yemen. Milaza ireo mpikatroka mafàna fo ny amin’ny antony tokony haha-zo fa tsy tombontsoa ny fampianarana.