· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Yemen tamin'ny Desambra, 2012

Voatafika ny Diaben'ny Fiainana Faharoa Tao Yemen

  29 Desambra 2012

Na dia nahahongana ny filoha tsy refesi-mandidy Ali Abdullah Saleh teo amin'ny fitondrana aza ny revolisiona Yemenita ary nanantena fa ho afaka amin'ny herisetrany ireo  mpanao fihetsiketsehana milamina, mbola naparitaky ny polisin'ny filoha Abd Rabbuh misahana ny rotaka tamin-kery indray ny Diaben'ny Fiainana Faharoa tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso sy kibay ka vokatr'izany naratra...

Ny Fanavaozana ny Tafik'i Yemen nandrasana efa ela

  28 Desambra 2012

Gaga sady faly ireo Yemenis omaly naheno ny momba ireo fanapahan-kevi-dehibe noraisin'ny Filoha Abd-Rabbu Mansour Hadi mba hanambatra ny tafika - ary hanala ireo havan'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, izay nitàna toerana ambony tamin'ny tafika sy ny fiarovana. Am-pitandremana ihany no hanehoan'ny mpampiasa aterineto hevitra, ary ny sasany manahy valifaty.

Diaben'ny Fiainana 270 km Faharoa Ao Yemen

  26 Desambra 2012

Tamin'ny taon-dasa, nanao diabe niainga tao Taiz nankany Sanaa ny tanora revolisionera nandritra ny dimy andro, ka nahavita dia an-tongotra 270km izay antsoin'izy ireo hoe Diaben'ny Fiainana. Ny tanjon'ny diabe dia ny hampavitrika ny fiainana amin'ny revolisiona manaraka ao Yemen. Tamin'ity taona ity, nankalaza ny fahatsiarovana ireo maritioran'ny Diaben'ny Fiainana tamin'ny...

“Drone” Amerikana Nidaroka Baomba in-droa tany Yemen Nandritra ny Noely

  26 Desambra 2012

Ny andron'i krismasy no andro nitifiran'ny 'drone' tany Yemen, namonoany 'ahiahiana' ho mpitolona dimy. Ny daroka voalohany nahafaty olona roa nandeha tanaty fiara iray tany amin'ny tanàna atsimo, faritanin'i al-Bayda tamin'ny alatsinainy. Tamin'ny fanafihana faharoa, izay nitranga tamin'ny alatsinainy ihany koa, Nitifitra tamin'ny balafomanga olona telo nandeha moto mamakivaky ny faritanin'i Hadramout.