· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Yemen tamin'ny Marsa, 2011

Yemen: Nitaky ny fametraha-pialàn'i Saleh ao Sanaa ireo vahoaka maro be

  26 Marsa 2011

Fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Yemena taona 2011 ity lahatsoratra ity. Vahoaka an'arivony no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny Fiovana, tao an-drenivohitra Yemenita Sanaa, mba hitaky ny fialan'ny Filoha Ali Abdulla. Nihamafy ny fihetsiketsehana araka izay voafaritra hoe   Zomàn'ny Fialana ary nitifi-danitra ny miaramila mba hanajanonana ny mpanao fihetsiketsehana  manohana...

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

  25 Marsa 2011

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

Yemen: Vita koa ve i Ali Abdullah Saleh?

  23 Marsa 2011

Fanadihadina manokana ataonay mikasika ny  Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra ity. Andro nisiana rà mandrika ny 18 martsa hatramin'ny nisiana fihetsiketseham-panoherana tao Yemen, efa ho roa volana izay. Niantso mandrakariva ireo mpitandro ny filaminana i Ali Abdullah Saleh mba hiaro ny mpanohana sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta...

Yemen: Hafatra Fandrahonana Ho Faty Nahazo Ilay Mpitoraka Bilaogy, Afrah Nasser

  16 Marsa 2011

Mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Yemenita, Afrah Nasser, naharay hafatra fandrahonana tao amin'ny Facebook tamin'ny 13 Martsa ary nanapa-kevitra ny hamoaka izany tao amin'ny bilaoginy “mba ho izao tontolo izao no hamaky azy“. Ny hafatra fototra dia tamin'ny teny Arabo fa nadikany ho teny Anglisy, niteraka valinteny feno ahiahy avy amin'ireo namana maro tao amin'ny aterineto.

Yemen: Mpanao Fihetsiketsehana Marefo Amin'ny Fanafihana Feno Herisetra

  12 Marsa 2011

Mitohy miditra amin'ny herinandro faha efatra ankehitriny ireo mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fametraham-pialàn'ny Filoha Ali Abdullah Salehm ao Yemen.Saleh dia niantso ny hery ara-politika rehetra hifampidinika. Nolavin'ny mpanohitra ny fanasàna. Mandritra izany fotoana izany, nitohy ny fanafihana ataon'ireo herim-pamoretana sy mpandàla an'i Saleh an'ireo mpanao hetsika ampilaminana.

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

  11 Marsa 2011

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

Yemen: An'arivony ireo mihetsika amin'ny Androm-pahatezerana

  02 Marsa 2011

An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nilahatra tao Yemen androany, tao anatin'ilay Androm-Pahatezerana hanamelohana ireo fanafihana ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Zoma tao Aden, ary hitakiana ny fampitsaharana ny fitondran'ny Ali Abdullah Saleh. Saleh mandritra izany dia niampanga an'i Israely sy Etazonia ho ao ambadiky ny onjam-panoherana misy any amin'ny faritra.