The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Turkey Tahiry Firenena

RSS ho an i Turkey

2008-01-31

Torkia : Nanamafy ny fanakanany ny vohikala YouTube

Again, a Turkish court has blocked access to the popular video-sharing site YouTube over a video clip allegedly insulting the country's founding father, Kemal Atatürk. “Nanamafy ny fanakanany ny vohikala fanapariahana lahatsary Youtube tsy ho tazan'ny mponina ao aminy ny fitsarana any Tòrkia, noho ny fitoriana ho fampiantranoana lahatsary manompa ny ...

2008-01-29

Diaspora ,
Ethnicity

Blogian no namoaka sary ahitana ny tsangambato najoro tany Bretainina lehibe tao Cardiff izay nisy nanimbazimba omaly. Tamin'ny fotoana hanomanana indrindra ny andro manokana ahatsiarovana ny fandripahana sy ho fanajana ilay mpanao gazety sy tonian-dahatsoratra Tiorka-Armeniana Hrant Dink nisy namono herintaona lasa izay tamin'ity volana ity tany Istanbul no nisy nanaisotra ny lakroa nipetaka tamin'io tsangambato io.

Diaspora ,
Tantara

Blogrel no manome ny heviny mikasika ilay fanimbazimbana nisy nanao omaly tany an-tanànan'i Cardiff tamin'ny mariky ny hazofijaliana najoro ho fahatsiarovana ireo Armeniana naripaka tamin'ny fotoan'androny. Nolazain'ny mpamaham-bolongana ary fa mahamenatra sady manamarika ny tsy fahatantesana ny fisian'ny Andro Fahatsiarovana ny Fandripahana nanjo ny Armeniana ary manantena izy mba tsy ho ny Tiorka no tafiditra lalina amin'ity raharaha ity.

2008-01-19

Diaspora ,
Ethnicity

Androany ny tsingerintaona voalohany namonoana tany Istambul any Torkia ilay tonian'ny fanaovan-gazety Armeniana sady mpanao gazety rahateo Hrant Dink. Marilisa Lorusso's blog no nahatsiaro ity mpanao gazety ity ka nanokana lahatsoratra ho azy.(voasoratra ao ary fa nifidy ny hipetraka tany Torkia ny lehilahy ho fanajana ireo olona an'arivony nanohana azy noho ny tolona nataony hampanjakana ny demokrasia)