· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Tiorkia tamin'ny Novambra, 2012

i Öcalan Ve No Fanalahidin'ny Fifampiraharahàna Amin'i Tiorkia?

  18 Novambra 2012

67 andro izao, gadra Kiorda an-jatony no nitokona tsy mety hisakafo any Tiorkia. Nangatahan-dry zareo ny hampitsaharana ny fanokana-monina ny mpikambana iray mpanorina ny Antokon'ny Mpiasa any Kiordistana (PKK), Abdullah Öcalan, sy hamelàna ny fampiasàna ny teny Kiorda eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe tsy asiana fanavakavahana. Tsy nisy tamin'ireny fangatahana ireny nahitana valiny, saingy hagagàna fa nisy fanambaràna iray avy amin'i Öcalan, izay niantsoany fampiatoana ny fitokonana tsy hihinan-kanina araka ny nambaran'ny rahalahiny Mehmet Öcalan.

Tiorkia: Mampiasa Entona Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Reny Manao Hetsi-panoherana Ny Polisy Tiorka

  07 Novambra 2012

Tonga tamin'ny andro faha-55 nanaovan-dry fitokonana tsy hihinan-kanina ireo Kiorda gadra noho ny politika. Misy an-jatony ireo gadra noho ny politika manao fitikonana tsy hihinan-kanina ao Tiorkia, ary io dia nitarika nankany aminà hetsi-panoherana ho firaisankina nanerana an'i Eoraopa, ary indrindra moa fa tao anatin'i Tiorkia. Vao marainan'ny 4 Novambra 2012, nikarakara fitorevahana ny renin'ny sasany tamin'ireo gadra noho ny politika ireo, ary dia nifanehatra tamin'ny entona mandatsa-dranomaso, hatramin'ny tifitra tafondro rano nalefa mivantana tany amin-dry zareo. Miresaka momba ny fahanginana manoloana ny fitarainan-dry zareo ny Kiorda manerana izao tontolo izao.