Tantara mikasika ny Tiorkia
Horohorontany tany Tiorkia : Herintaona lasa izay, fampanantenana poakaty, fiainana simba
Araka ny voalazan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fanajariana ny tany, 46 000 monja tamin'ireo trano fonenana 300 000 nampanantenaina no vita hatreto, ka mamela ireo sisa velona marobe tamin'ny horohorotany ho any anatin'ireo trano fialofana vonjimaika, kaontenera sy tranolay.
Fandresena lehibe no azon'ny mpanohitra tamin'ny fifidianana ifotony tao Torkia
Maro tamin'ireo faritany nitarihan'ny mpandala ny mahazatra AKP no nahavokaran'ny fandresena ho an'ny kandidàn'ny antoko mpanohitra.
Miroso amin'ny fifidianana ifotony i Torkia
Mitodika any amin'i Ekrem İmamoğlu an'ny CHP, izay efa niasa nandritra ny dimy taona sy amin'i Murat Kurum an'ny AKP, minisitry ny tontolo iainana, ny tanàn-dehibe ary ny fiovan'ny toetr'andro teo aloha, ny maso rehetra.
Tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana any Tiorkia tokoa ve ny filoha Erdoğan?
Volana maromaro taorian'ny fifidianana ankapobeny, sy herinandro vitsy mialoha ny fifidianana eo an-toerana, toa manjavozavo ny fanamarihan'ny filoha Erdoğan tsy hirotsaka hofidiana intsony.
Adivarotra F-16 mamin'i Torkia
Tamin'ny 26 Janoary, nankatoavin'i Etazonia ny fivarotana F-16 vaovao miisa 40 mitotaly 23 miliara dolara. Tafiditra ao anaty fifanarahana ihany koa ny fitaovana hanavaozana ny F-16 miisa 79 an'i Torkia.
Tiorka mpanamory sambon-danitra voalohany nisidina an'habakabaka
Amin'ny fotoana izay andiavan'ny firenena ny krizin'ny vidim-piainana, ny fiakaran'ny vidin'entana sy ny fitotonganan'ny volan'ny firenena, dia nampametra-panontaniana ireo sasany ny amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta handefa an'i Gezeravci ho eny an'habakabaka.
Soavaly atakalo fiara — angano iray amin'ny diplaomasia maoderina misy eo amin'i Torkia sy Hongria
Manana zavatra iraisina mihoatra noho ny fitiavany herin-tsoavaly ireto mpitarika roa ireto. Samy manohitra mahery vaika amin'ny fidiran'i Soeda ho ao amin'ny OTAN ary samy manana fironana tsirefesimandidy.
Fandaharana iray hafa anaty fahitalavitra ao Tiorkia tafiditra anaty raharaha mivaivay
Anaty firenena iray izay tena misara-bazana lalina ireo olompirenena laika sy ireo mpino silamo ao aminy, nanafintohina ilay seho. Fanontaniana mipetraka, amin'ity indray mitoraka ity, ny hoe mety hitondra fiovàna sa tsia eo anivona fiarahamonina midadasika ny seho iray
Nosakanan'i Torkia ny fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16
Milaza ireo manam-pahaizana fa ny tanjon'ny fandraràna dia ny hisakanana ny fidirana amin'ireo tranonkalam-baovao efa voasakana ao amin'ny firenena izay tsy azo nidirana afa-tsy tamin'ny fampiasana ny tolotra VPN.
Tiorkia : Sakanan'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra ny fidirana amin'ilay tranonkala Web malaza Ekşi Sözlük
Noho ny antony mitovy, tamin'ny 7 Febroary, nosakanan'ny manampahefana ny Twitter, sehatra media sosialy iray hafa malaza .