The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Turkey Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Turkey

2008-09-10

History ,
War & Conflict

Taorian'ny fitsidihana manantantara nataon'ny filoha Tiorika Abdullah Gul tany Yerevan tamin'ny faran'ny herinandro teo hanatrika ny lalao fifanintsanana ho amin'ny amboara erantany nifanaovan'i Arimenia sy  Torikiateo akaikin'ny filoha tompontany ; Serge Sargsyan, Security in the Caucasus no manadihady ny dingana manaraka eo amin'ireto firenena roa mifanakaiky nefa mifampihafahafa ireto.

2008-08-07

Freedom of Speech

Tsy voasokatra hatrany Torikia hatramin'ny faharoa aogositra 2008 lasa teo ilay tranonkala fifampizarandahatsary Firantsay Dailymotion.com. Tsy misy fanazavana ny antony nanakanana ny tranonkala  hoy i Erkan Saka, mpamaham-bolongana mipetraka any Istanboul.

2008-07-12

History ,
Sport

Unzipped no milaza ny heviny avy amin'ny tenin'ny filoha vaovaon”i Arimenia navoakan'ny  Wall Street Journal ahitana ny fanantenan'i Serge Sargsyan fa mety hiteraka fifandraisana eo amin'ny tany roa tonta ny fihaonan'i Arimenia sy Torikia amin'ny baolina fandaka hifanintsanana ho amin'nyfiadiana ny amboara erantany amin'ny volana septambra ho avy izao. Mikatona tanteraka manko ankehitriny ny sisitany iraisan'i Arimenia syTorikia.

2008-07-02

Israely : Tsy homeko voanjo intsony ianao !

Shalom Rav no manala sarona ao amin'ny Jewschool [sekoly Jiosy] fa Israely hono no firenena fatra-pihinana voanjo indrindra eran-tany, misy anefa tatitra nivoaka vao tsy ela manambara fa mety ho fanondranana voanjo an-tsokosoko avy any Iran no foto-pamatsiana voalohany izany tsena goavana any Israely izany : Anyone with even a passing knowledge of Israeli snacking ...

2008-04-07

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo iny, dia nanamarika io ...

2008-03-26

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao

Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny "Ezaka ho fanafàhana an'i Irak". "Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy " hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka" mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online ...

2008-01-31

Torkia : Nanamafy ny fanakanany ny vohikala YouTube

Again, a Turkish court has blocked access to the popular video-sharing site YouTube over a video clip allegedly insulting the country's founding father, Kemal Atatürk. “Nanamafy ny fanakanany ny vohikala fanapariahana lahatsary Youtube tsy ho tazan'ny mponina ao aminy ny fitsarana any Tòrkia, noho ny fitoriana ho fampiantranoana lahatsary manompa ny ...

2008-01-29

Diaspora ,
Ethnicity

Blogian no namoaka sary ahitana ny tsangambato najoro tany Bretainina lehibe tao Cardiff izay nisy nanimbazimba omaly. Tamin'ny fotoana hanomanana indrindra ny andro manokana ahatsiarovana ny fandripahana sy ho fanajana ilay mpanao gazety sy tonian-dahatsoratra Tiorka-Armeniana Hrant Dink nisy namono herintaona lasa izay tamin'ity volana ity tany Istanbul no nisy nanaisotra ny lakroa nipetaka tamin'io tsangambato io.

Diaspora ,
History

Blogrel no manome ny heviny mikasika ilay fanimbazimbana nisy nanao omaly tany an-tanànan'i Cardiff tamin'ny mariky ny hazofijaliana najoro ho fahatsiarovana ireo Armeniana naripaka tamin'ny fotoan'androny. Nolazain'ny mpamaham-bolongana ary fa mahamenatra sady manamarika ny tsy fahatantesana ny fisian'ny Andro Fahatsiarovana ny Fandripahana nanjo ny Armeniana ary manantena izy mba tsy ho ny Tiorka no tafiditra lalina amin'ity raharaha ity.

2008-01-19

Diaspora ,
Ethnicity

Androany ny tsingerintaona voalohany namonoana tany Istambul any Torkia ilay tonian'ny fanaovan-gazety Armeniana sady mpanao gazety rahateo Hrant Dink. Marilisa Lorusso's blog no nahatsiaro ity mpanao gazety ity ka nanokana lahatsoratra ho azy.(voasoratra ao ary fa nifidy ny hipetraka tany Torkia ny lehilahy ho fanajana ireo olona an'arivony nanohana azy noho ny tolona nataony hampanjakana ny demokrasia)