2007-11-07
Ezypta : Hanatrika ny fihaonamben’ny tanora Arabo ny mpibilaogy.
Araka ny notaterin’ny mpampidi-bolongana Toniziana Amin dia ekena ho vondrona iray afaka manatrika ny Fihaonamben’ny Tanora Arabo Voalohany hotontosaina any Egypta ny 19 ka hatramin’ny 22 novambra ho avy izao ny mpampidi-bolongana (mpibilaogy ho an’izay mety tsy mahazo). « Efa hikarakara ny kenokenona omanina (fanazavana, trakitra…) hampahalalana amin’ireo mpandray anjara, vahiny, ...
2007-11-03
Tonizìa : Voasakana koa ve i Youtube ?
Mpiblaogy Tonizìana maromaro no niara-nitatitra ny tsy fahafahan-dry zareo hijery ny vohikala mpanapariaka sarimihetsika maro mpankafy Youtube androany [2 Novambra 2007].
Raha toa ka misy tokoa ny fanamarinana izany fanakanana izany, dia i Youtube no vohikala mpanapariaka sarimihetsika faharoa voasakana tsy ho tazana avy any Tonizìa. Satria efa hatramin'ny faha-3 Septambra ...
2007-10-22
Tonizia : Raofina eo an-tseranana ny bokin’ny bilaogera
Raha niverina hody tany Tunis avy tany Le Caire tamin’ny herinandro teo ny bilaogera Zizou from Djerba dia nahazo nihoatra noho ny firariana tonga soa nandrasany.
Teo an-tseranam-piaramanidina tao Tunis dia nohodidinina mpiasan’ny Ladoany sy manamboninahitra I Zizou ka nosavaina tsara any entany, boky roa no notazonina tamin’izany. Tsy gaga loatra ...
2007-10-21
Topi-maso Arabo : Aorian'ny Facebook, Miala any ny Hatebook
Aorian'ny Facebook [bokin'ny endrik'ireo tapaka sy namana], miala any ny Hatebook [bokin'ny fankahalana]. Indreto blaogy roa avy any Tonizìa sy Omana mizara ny fomba fijeriny ireto vohikala vaovao - Hatebook.com sy Hatebook.org ireto.
Sarin'ny hatebook.com nindramina tamin'ny Sleepless in Muscat.
Tonizìa :
Ny blaogy Subzeroblue avy any Tonizìa dia manazava izay fampiasana ...
2007-10-20
Tonizìa : Saintsaina mikasika ny tontolo iainana
Ny blaogy AquaCool avy any Tonizìa dia mizara amintsika izay mba saintsainy mikasika ny tontolo iainany [Anglisy].
[...] 3 years ago, I looked really stupid when I used to separate my plastic waste from the rest of my garbage, since there were no recycling services provided to the public. Now the ...




