Global Voices teny Malagasy » Tunisia
Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?
Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy.
Tafavoaka tsara ihany koa ny antoko mitondra misy an'i Ben Ali dia ny Fivondronana ara-Dalampanorenana Demokratika. Nahazo toerana 161 amin'ny 214 ry zareo ao amin'ny parlemanta. Antoko enina no nifampizara ny toerana 53 ambiny: Hetsika ho an'ny Demokraty Sosialista, toerana16; Antoko Iraisam-Bahoaka, tarihin'i Mohamed Bouchiha, toerana12; Ny Firaisana  demokratika Inionista an'i Ahmed Inoubli, toerana 9; Antoko Sosialy Liberaly, toerana 8; Antoko Maitso ho amin'ny Fandrosoana, toerana 6 ary ny antokon'i Ahmed Brahim dia ny Antoko Ettajdid, toerana 2.
Nilaza ny antoko mitondra fa nadio sy tsy nitongilana ny fifidianana 2009. Saingy hafa kosa ny hevitry ny mpitarika ny antoko mpanohitra sy ny mpamaham-bolongana : Mihevitra izy ireo fa nampiavaka ity fifidianana  filoham-pirenena sy solombavambahoaka notontosaina tamin'ny 25 oktobra 2009 tany Tonizia iny ny fanakatsakanana sy ny fanemporana nandritra ny fampielezan-kevitra.
Tamin'eso no nanamarihan'i Arabasta fa :
مبروك عليكم ما عملتو
نتوجه بالشكر أولا إلى الشعب التونسي اللي قام بواجبو الإنتخابي في كنف الديموقراطية و الشفافية و الروح الرياضية البارح و إنتخب رئيس جديد للبلاد و مجلس نواب أخر لمدة خمسة سنين. الإختيار هذا كان محكم و مدروس و حتى واحد ما حاول يأثر على العباد و حتى من التلفزة و الصحافة كانو في المستوى و عطاو وقت متساوي لكل المترشحين و الأنصار متاعهم بقطع النظر عن
قربهم أو بعدهم عن السلطةنتوجه بالشكر زادة لسيادة رئيس الجمهورية (لمدة 5 سنوات أخرى) و نعتذر عن عدم الدعوة و التصويت ليه و نستنكر و نشجب
التصرفات المشينة هذي أما نذكر أنو عمري ما شككت في نزاهة الإنتخابات و حريتها، فمن المعروف أنو في حالة تزوير الإنتخابات النتائج تكون من نوع 99،98% لكن الملاحظ النزيه يعرف أنو نتيجة 2009 ما تبعدش برشة على النسبة اللي ربح بيها شيراك في 2002 في فرنسا و لذا فالإنتخابات هذي إرتقت بينا إلى مصاف الدول العظمى و المتقدمة
Arahabaina tamin'izay vitanareo e!
Mivantana any amin'ny olom-pirenena Toniziana ny fankasitrahako voalohany izay namita ny adidiny teo anatin'ny mangarahara sy tamim-pomba demokratika omaly. Nifidy ny filoha vaovao ho an'ny firenena sy parlemanta vaovao hiasa dimy taona hafa indray izy. Efa nolanjalanjaina sy natao tamim-phendrena tokoa iny safidy iny. Tsy nisy ny nanindry ny olona ary tsy nitongilana fa nizara tamim-pahitsiana ny fotoana ho an'ny kandidà rehetra sy ny mpanohana azy ny televiziona sy ny gazety fa tsy nojereny ny fifandraisany amin'ny goernemanta.
Mankany amin'ny filoha (izay voafidy hiasa dimy taona fanampiny indray) ihany koa ny fankasitrahako ary manao azafady aho raha tsy nanohana sy tsy nifidy azy. Melohiko mihitsy ny fihetsiko na dia tsaroako tsara aza fa tsy nanontany ny momba ny tsy fironana sy ny tsy fitongilanan'ny fifidianana mihitsy aza aho. Ary efa fantatra moa fa raha nisy ny hosoka nandritra ny fifidianana dia tokony ho 98.99% ny vato azo. Fa ny mpitazana tsy mitongilana dia mahita fa tsy mifanalavitra loatra noho ny valim-pifidianana tany Frantsa tamin'ny 2002 izay nandresen'i Chirac ity valim-pifidianana 2009 ity. Izany no ahafahantsika miteny fa miaka-tsanda kokoa hiara-milahatra amin'ny firenen-dehibe sy mandroso isika.
Nanoratra tamin'ny tenim-paritra Toniziana i Nakhlet Wed El Bey (Voanio eo amin'ny reniranon'i Bey) :
أنا لا أشكك في نزاهة التمثيلية الإنتخابية
آش كان عليه لو كان حلّينا اللعب شويّة
و نزعنا الأكمام من أفوه المعارضة الحقيقية
لإنتصر الرئيس بسبعة و سبعين في المية
و انتزعنا من قلوب الرعايا النفاق و السكيزوفرينية
Tsy manontany ny momba ny fahadiovana sy ny tsy fitongilanan'ny ankamantantra antsoinahoe fifidianana toniziana aho.
Fa ny amin'ny hoe raha mba mahalefitra kokoa isika
Ary mandray ny valanoranon'ny tena mpanohitra
Avy amin'izay dia mety ho nandresy tamin'ny isan-jato 77.7% ny filoha
Ary dia mety ho nahala sy fihatsarambelatsihy sy ny aretin-tsaina tamin'ny fon'ny olom-pirenena isika
Some Thoughts from Tunisia [eritreritra sasany avy any Tonizia] kosa indray, tamin'ny lafiny ilany no nitantara izay nitranga taminy raha nandeha nifidy tamin'ny ora faramparany tamin'io andro io izy :
كيما قلت سبقني مرافقي للقاعة متاع الانتخاب وكيف دخلت انا نلقا الدنيا داخلة بعضها والجماعة يتغامزو عليه ويتلفوا في الجرّة (ما فاقوش اللي احنا مع بعضنا). اكهو فهمت آش صار: ضهر السيّد مازال في دارو وهوما ريڨلولو اموروا وانتخبوا في بلاصتوا وصححوا في الدفتر في بلاصتوا… آيا قالولو ما صار شيء برّا للخلوة اختار وموش لازم تصحح (الورقة كلها مصححة وماعادش فمة بلايص)… هاذا كلّو صاير وانا واقف نتفرّج!! السيّد مشى للخلوة وانا نسمع فيهم يْوَشْوْشُو ويحكيو بالسرقة بالحرف الواحد:
“هذا العمدة انتخب في بلاصتوا…!!!!”
Araka ny nolazaiko, teo alohako ho any amin'ny efitra fisainana ny namako. Rehefa niditra ny efitrano aho dia hitako ny fikoropahan'olona sy ny pi-maso  nifanaovan'ny sasany sy ny hafa mody tsy mahita izany rehetra izany ka sahala ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga (Tsy fantatr'izy ireo fa niaraka izahay). Azoko avy hatrany ny zava-nitranga: Raha mbola tany an-trano izy dia efa nandrotsa-bato sy nanasonia teo amin'ny toerany ry zalahy.
Avy eo dia nilaza tamin'[ilay namako] ry zareo: “Tsy misy na inona na inona nitranga, mahazo mifidy izay tianao hofidiana ianao fa tsy mila manao sonia intsony. (Efa voasonia avokoa ny taratasy iray manontolo ary tsy misy intsony ny toerana azo anaovana sonia).
Nitranga avokoa izany rehetra izany nandritra ny nitsanganako teo. Nandeha nifidy ilay namako ary henoko ny bitsibitsika hoe:
Ny “Omda”  (ampanjakan'ny vondron'olona)  no nifidy teo amin'ny toerany.
Lina Ben Mhenni
Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404
Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety Kanadiana iray mampiseho ny fividianan'ny vinaton'ny filoha Toniziana antsoina hoe Mohamed Sakhr El Matri villa iray any Canada tamin'ny volabe tokoa - vaovao izay tian'ny fitondrana Toniziana afenina amin'ny vahoakany. Maro tamin'ny mpamaham-bolongana no niresakamomba ity sivana ity ary manameloka ihany koa.
Samsoum ohatra:
Le blog de 3amrouch a été censure car il a repris une information publique sur un journal canadien qui est accessible a tout le monde. Par solidarité je publie aussi le lien vers ce journal qui cite dans sa page 10 la transaction immobilière qu'on veut cacher a tout prix. Et qu'on censure ce blog aussi!!!
Tratran'ny sivana ny bolongan'i 3amrouch’s fa namoaka vaovao avy tamin'ny gazety Kanadiana iray izay azon'ny rehetra vidiana.Ho fiaraha-mientana dia navoakako ny rohin'ny gazety izay mamoaka ao amin'ny pejy fahafolo ny fifampiraharahana izay tadiavina afenina ny tetibidiny. Avelao koa hosivaniny ity bolongana ity!!!
Thoughts of an ex-Muslim (eritreritr'ilay miozolomana taloha) koa:
مادام لم يدع لكره أو عنف أو ارهاب ،
لا للحجب دون قرار قضائي واضح و علني و مسبب، لا للحجب بسبب نقد مظاهر الفساد ، الغبي الذي اتخذ القرار تقفيفا لسيدي بوحجر انما خدم عمروش و أضر سيده الصغير
Raha tsy miantsy fankahalana, herisetra na fampihorohoroana dia aoka tsy hosivanina raha tsy misy fanapahan-kevitra ara-pitsarana matotra sy mazava. Aza manivana izay mitsikera ireo trangan-kolikoly. Niasa ho an'i 3amrouch hanala baraka ny tompon-keliny ilay adala nandray ny fanapahan-kevitra hampihatra ny sivana hisolelafana amin'i Sidi Bouhjar (anarana omena an'i Sakhr El Materi).
Ordinary stories (tantara mahazatra) indray milaza fa:
المدونة متاع عمروش تم حجبها لأنها تناولت موضوع ما عجبش المسؤولين على أمننا وسلامتنا
قد ما قلنا ونددنا بهذه الممارسات، عمار ما فهمش، ما هوش فاهم وماهوش ناوي يفهم
هذاك علاش، تضامنا مع المدونة المحجوبة باش نعاود ننشر الموضوع إلي أغلب الظن أنه كان السبب وراء عملية الحجب
Niharan'ny sivana ny bolongan'i 3amrouch's satria niresaka lohahevitra tsy azoazon'ny mpiandraikitra ny fiarovana sy ny filaminantsika. Na dia melohintsika aza izany fomba izany, dia tsy azon'i Ammar. Efa tsy nahazo izy io ary mbola tsy mahazo ihany. Izay no antony amoahako io lohahevitra io izay mety ho anton'ny sivana.
Lina Ben Mhenni
Mpitoraka blaogy Maraokana, Toniziana, be no mampita ny zera baomba ao: ‘Ny tsy manantsiny no mandoa ny sarany [mitondra faisana]'
Manohy hatrany ny fampitam-baovao momba ny  zera baomba ataon'i Israely ao Gaza, ireo dikanteny avy amin'ny hafatra nosoratan'ireo mpitoraka blaogy ao Maraoka sy Tonizia dia samy mitantara momba ny herisetra nitranga tsy ela akory izay.
Avy any Tanger, Maraoka, baraka dia mampahatsiahy fa baomba amerikana daholo ary nalatsaka avy amina fiaramanidina amerikana ireo tao Gaza. Kianiny i Eraopa sy Etazonia  noho ny fanohanan'izy ireo an'i Israely, saingy mbola mavesatra sy mahakivy azy kokoa ny tsy fanehoan-kevitr'ireo governemanta arabo sasantsasany:
…c'est le silence embarrassé des régimes arabes « modérés » qui apparaît dans le triste éclat de son indignité. Pendant que des enfants arabes meurent, des mosquées sont détruites et des hôpitaux ciblés, l'on assiste à un curieux spectacle. Celui du régime qui se veut le gardien des lieux saints et celui qui prétend incarner l'arabité se livrant à des contorsions lamentables. Les atermoiements égyptiens quant à l'ouverture du passage de Rafah resteront dans l'histoire comme un moment difficile à surpasser en matière de couardise.
…Ny fahanginan'ireo mpitondra Arabo “tony fihetsika” izay [mahatonga itony fotoana matroka itony] ho ny tsy fahamendrehany [tsy fahamatorany]. Mandritra ny fotoana mahafaty ireo zanak'Arabo, mahapotika ireo toeram-pivavahana silamo [moske], fanaovana toeram-pitsaboana ho lasibatra, dia vavolombelon'ny zava-miseho hafahafa ihany isika. Ny fitondrana izay misora-tena ho mpiaro [mpiandry, mpiambina] ireo toerana masina [izany hoe, Arabia Saodita], izay milaza fa mijoro amin'ny maha-Arabo, miditra amina fiolakolahana mahamenatra. Ny fisalasalan'ny Ejyptiana momba ny hanokafana ny lala-manivaka ny Sisintany ao Rafah dia hitoetra ho rakitry ny tantara ho toy ny fotoan-tsarotra tsy maintsy lalovana raha havendranana sy hasarotan-tahotra no resahana.
Avy any Tonizia, Hou-Hou Blog no manoratra fa ny milin'ny fampielezan-kevitra israeliana arahana'ny fanohanana tsy misy fepetran'ireo tandrefana mpiara-dia aminy dia niteraka toe-javatra iray tsy ilàn'i Israely manao tatitra na amin'iza na amin'iza amin'izay ny anton'izay nataony.
Les stratèges en relations publiques, i.e. propagande militaro-diplomatique, israéliens reprennent le même refrain que celui qu'ils ont martelé lors de la dernière guerre du Liban : ce n'est pas notre faute, nous on est gentils et on veut la paix, c'est eux les méchants qui nous lancent de roquettes et menacent notre sécurité. Et bla bla bla, on connait très bien la chanson. Et ça fonctionne assez bien, du moins en occident où le message est allègrement repris par les gouvernements occidentaux, et notamment canadien.
La rhétorique israélienne est efficace, surtout pour un pays qui a les moyens militaires et le support des décideurs de ce Monde pour faire ce qu'il veut sans rendre de comptes à quiconque…
Ny mpamolavola teti-panorona Israeliana momba ny fifandraisana, izany hoe, ny fampielezan-kevitra ara-miaramila sy diplaomatika, doa mamerina indray ny didrany fahiny, dia ilay noventiventesiny nandritry ny ady tany Libanona: tsy tsininay mihitsy izao, tsara fanahy anie izahay e, ary mokatsaka ny handry fahalemana, ry zareo no devoly fisainana, midaroka anay amin'ny rokety [roquettes], manohintohina ny filaminanay. Dia bla bla bla, efa haintsika loatra izay hirahira izay. Ary dia mandaitra tokoa aloha ilay izy e, farahafa-ratsiny amin-dry zareo Tandrefana izay toa ampifaliana aza no andraisan'ireo governemanta tandrefana ilay hafatra, indrindra fa i Kanada.
Dia tafita tokaoa aloha ny fahaiza-mandresy lahatr'i Israely, indrindra ho ana firenena manana tanjaka ara-tafika sy mahazo fanohanana avy amin'ireo mpanapa-kevitra eto amin'izao tontolo izao ka afaka hanao izay tiany tsy ilam-panazavana na tatitra na amin'iza na amin'iza.
..Or, il suffit d'être un peu rationnel pour faire la part des choses. Simplement, enfermez des centaines de milliers de personnes en état de siège permanent, dans une petite bande de terre encerclée de toutes parts, coupez l'eau, la nourriture, les médicaments, le pétrole, et le financement, et laissez mijoter quelques mois…
…fa mba tokony hanana saina mahay mandinika kely ihany anefa mijery ny tena fandehan'ny raharaha. Mandraisa fotsiny olona an'arivony dia hidio amina faritra iray atao fehirano ry zareo, amina tany kely voahodidina amin'ny lafiny rehetra, tsy voavatsy rano, sakafo, fanafody, solika, famatsiam-bola, dia andraso volana vitsivitsy…
Au début était le Blog dia nisaina zavatra toy izany koa :
Quelle fierté peut-on tirer alors du fait de bombarder à l'aide de chars, hélicoptères et autres avions de chasse une population civile entassée dans la plus grande prison au monde à ciel ouvert?
Rehareha toy inona no mety ho azo amin'ny fandarohana baomba ireo mponina sivily navangongo anatin'ny fonja lehibe indrindra manao tafo lanitra eto amin'ity tany ity, miaraka amin'ny fanohanan'ny fiara mifono vy, helikoptera [angidim-by] sy fiaramanidina hafa?
Kiffe Grave [Fr] dia nilaza fa hatramin'ny 1967, dia nampiasa ny vato tsy azo ivalozana ananany eo anivon'ny Filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, efa ho in-39, i Etazonia ho fanoherana ny volavolam-pandaminana hanamelohana ani Israely.
Tsy dia hoe tsy manan-tsiny koa ny Hamas ao anatin'ity resaka ity, hoy i  Hou-Hou . Samy azo kianina daholo ny andaniny sy ny ankilany, ary araka ny mahazatra, dia ny olon-tsotra hatrany no mizaka ny jaly:
Il ne faut pas être naïf non plus. Les hommes du Hamas ne sont pas nés de la dernière pluie, le timing de l'arrêt “unilatéral” de la trêve coïncidant avec la campagne électorale en Israël, n'est certainement pas innocent. Politiquement, le Hamas n'avait pas le choix, il fallait qu'il provoque Israël, il fallait que ça bouge même si ça impliquait d'énormes sacrifices. De toute façon ils n'ont plus rien à perdre, à part leurs vies, et les vies des palestiniens on sait très bien ce que ça vaut. Encore une fois ce sont les innocents, les gens ordinaires qui payent cher le prix des guerres du pouvoir et des idéologies. La paix est morte et enterrée depuis longtemps.
Tsy tokony ho vendrana be koa isika na izany aza e. Tsy vao omaly akory ny   Hamas no teraka. ny fetram-potoana napetraka 'samirery' ho fampitsaharana ny fifandonana ary mifanandrify indrindra amin'ny resa-pifidianana any Israely,  dia tsy hoe tongatonga ho azy [tsy manan-tsiny]. Ara-pôlitika dia tsy manan-tsafidy ny Hamas, tsy maintsy nandranitra an'i Israely ry zareo, tsy maintsy natao izany na dia hitondrana sorona maro be tokoa aza. Amin'ny lafiny rehetra, tsy hisy fatiantoka ho azy, ankoatra ny ainy, ary ny fiainan'ireo Palestiniana (efa fantatsika loatra hoe ahoana ny ara-tsosialiny).  Amin'ity indray mitoraka ity,dia mbola ny tsy mana-tsiny ihany, ireo olon-tsotra no tsy maintsy  handoa be amin'izay lany amin'ny adin'ireao ao amin'ny fitondràna, noho ny foto-kevitra ijoroany. Efa maty sy nalevina ela  olona ny fandriana fahalemana.
Matoo no mitondra valin-teny ao anaty fanamarihana iray:
Ce qui m'effraie dans cette “histoire” c'est qu'au bout de 60 ans de conflits, avec des meurtres, des attentats, des martyrs, des bonnes volontés et des pacifistes des deux côtés, on ne sait vraiment plus à quel saint se vouer. C'est comme si les “méchants” et les “gentils” étaient des deux côtés de la frontière, et qu'il est impossible de voir une issue favorable.
Ny tena mampanahy ahy ao anatin'ity ‘tantara' ity dia ny hoe 60 taona aty aoriana nisian'ny fifandonana, nisian-pahafatesana maro, fifanafihana, maritiora betsaka, ny tsara sitra-po sy ireo mpandàla ny fandriam-pahalemana avy amin'ny roa tonta, tsy hay intsony hoe iza no hinoana sy azo ametrahana fanantenana. Toy ny hoe hita ao amin'ny andaniny sy ny ankilany avy ny “zanaky ny helo” sy ny  “tsara fanahy”, ary toy ny tsy azo saintsainina mihitsy ny hahita lalan-kivoahana tsaratsara kokoa.
Tonizìa : Ny silamo rehefa mamonjy fiara-manidina
Mizara ny tantara mahatsiravina nahazo azy i Tunisianbelle, ny nisavana azy sy ny nandrovitana ny akanjony, ary niafara tamin'ny fahatarany tamin'ny fiara-madinina novonjeny … izany rehetra izany noho ny fomba fiakanjony fotsiny.
Tonizia : Firenena faha-47 “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra”
zizou from Djerba no mitatitra fa laharana faha-47 amin'ireo firenena “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra”  manerana izao tontolo izao i Tonizia, araky ny filaharana napariaky ny Global Peace Index:
La Tunisie est malheureusement passe de la 39eme place en 2007 a la 47 eme en 2008… On reste quand meme parmi les pays les plus surs de la region arabe puisque nous sommes classe a la 5 eme position precede par Oman, Qatar, UAE et le Koweit… On est mieux classe au niveau africain puisqu'on est a la 4 eme place derriere le Ghana, Madagascar et le Botswana…
“Indrisy fa nihemotra avy tamin'ny laharana faha-39, tamin'ny taona 2007 ho amin'ny laharana faha-47, amin'ity taona 2008 ity i Tonizia … Na dia izany aza isan'ireo firenena izay anjakan'ny fandriam-pahalemana indrindra aty amin'ny faritra arabo misy antsika isika satria faha-5, ary ny Oman, sy Qatar, sy ireo Vondrom-Panjakana Arabo [UAE | EAU Emirats Arabes Unis] ary i Koweit ihany no eo alohantsika … Raha mikasika ny faritra Afrikana indray dia faha-4 isika, manarakaraka an'i Ghana, sy Madagasikara ary Botswana …”
Tonizia: Mitorajofo
“Taorian'ny herinandron'ny hatsiaka izay nitondra rivotra sy rotsak'orana tsindraindray ho antsika, dia narahin'ny roa andro tena nanevokevoka izany, ary androany, raha nifoha isika dia indreo hitantsika fa voahosotra fasika matevina ny arabe, ny fiara ary ny trano” hoy i Eman nanoratra avy any Tonizia.
Mpanao gazety Toniziana mitatitra ny fifidianana any Zimbaboe
Mpanao gazety Toniziana i Bassam Bounenni, izay miblaogy ao amin'ny Wherever I Roam, That's My Home [n'aiza n'aiza ivenjivenjeko dia tranoko any], mitantara izay fitaterany hoan'ny fantsona fampahalalam-baovao Silamo Al Jazeera ny fifidianana any Zimbaboe :
On a été arrêté à plusieurs reprises et notre hotel assiégé par des snipers, venus chercher des journalistes occidentaux, excerçant sans accréditation.
Le pays est beau et son peuple trop classe, en dépit de la misère.
“Najanona [hosavaina] matetika izahay ary hodidìnina mpitifitra ire tafontranon'ny hotely misy anay, izay tonga mba hikatsaka raha misy mpanao gazety tandrefana tsy manana fazahoan-dalana manokana [ny hitatitra ny fifidianana]. Na dia mahantra aza, dia tena kanto ny firenena sady tena mahafinaritra ireo mponina ao aminy.”
Tonizia: Ny finoan'i Obama
“Tokony hanahy ve aho amin'ny fanaovana ny Islam ho toy ny zavatra mampandositra ny olona? Tsy maintsy hieritreritra ve aho fa mety hahatonga ny olona ho azo fidîna na tsia ny fivavahana arahina olona iray?” hoy ny nosoratan'i Subzero Blue avy any Tonizia, rehefa avy namaky ny voasoratry ny  senatera Barack Obama namaly bontana (valim-panafihana) ny heverina fa lainga ataony momba ny finoana arahiny sy ny lalana politika nodiaviny.
Tonizia : Ireo aretin'ankizy dimy voalohany
Ny blaogy Subzero Blue monina any Tonizia dia manolotra ny listr'ireo aretina dimy voalohany izay manakana ny ankizy handeha any an-tsekoly :
« 1. Ireo aretina vokatry ny hatsiaka
2. Ny fivalanana
3. Ny aretin-tsofina
4. Ny areti-maso
5. Ny aretin-tenda »
Amira Al Hussaini
Masoarabo: Henakisoa Halal
Ny tena dikan’ny teny hoe masoarabo eto moa dia hoe “fomba fijery arabo”. Ny Silamo, tahaka ny Jodaisma dia mandrara ny mpikambana ao aminy tsy hihinana henakisoa. Saingy inona moa no hitranga raha misy tsahotsaho fa misy fanomezandalana ara-pivavahana na ‘Halal’ hita eny an-tsena? Ity misy adihevitra nataona mpamaham-bolongana sy mpandray anjara hafa avy any Bahrain hijerentsika azy.
Sary avy amin’i SubZero Blue
Naneho ny heviny momba io entana amidy io tamina mpamaky iray i Mark, izay mpamaham-bolongana Libaney mipetraka any Kuwait:
Yeah, tsy mino an’io aho.
20 ny isan’ny fanehoan-kevitra tsara nipoitra avy tao ary misy aza moa fanehoan-kevitra hafa iasan’i Mark izay miasa ato. Hoy ny mpamaky iray:
Strong oxymoron [Fifanoheranteny ampiraisina manintona be]
Subzero Blue, avy any Tonizia kosa nieritreritra hoe inona koa ny sakafo voamarika ho Halal rehefa nahare ity vokatra ity avy tamin’ny bolongan’i Mark.
“Mahaliana. Nisy Aostraliana nikaro-kevitra mba hamoronana henakisoa halal ho an’ny Silamo. Mahafinaritra e! indrindra fa ny henakisoa no faratampon’ny sakafo tsy halal eto ambonin’ny tany. Hoy angamba ianao any an’eritreritra any hoe inona avy ny fangaro maha-halal ny zavatra hafa…” Hoy ny nosoratany.
Tonga tany amin’ny Bahrain Online, fanaovana karajia amin’ny teny arabo avy any Bahrain ny resaka.
متوفر في الاسواق
لحم خنزير حلال
مذبوح بالشريعة الاسلامية !!!
“Hitanao eny an-tsena. Henakisoa Halal novonoina araka ny fomba (lalàna) Silamo (Shariah) ,” hoy ny filazana izay mipetaka eo amin’ny sary eo ambony.
Nisarakevitra teo anelanelan’ireo nino fa tena nisy tokoa ilay karazan’entana amidy sy ireo nihazakazaka nanazava ny antony ny mpamaky.
Nijabaka tao amin’ireto vondrona farany ireto i Free Writer:
يبين ان كلمة حلال موجودة على ملصق … يعني ممكن اذا عندي هالملصق ألصقه و اصور …
او انها مركبة بدليل أن كلمة حلال مغطية على الحجي المكتوب بالإنجليزي
في الحالتين اله ناشر الصورة فاضي
Mivandravandra be fa misy soratra Halal ny famantarana. Midika izany fa mety naka iny marika iny ilay olona dia nametaka azy teo amin’ny entana ary dia nakany sary na namboarina io. Mazava be satria mamehy izay voasoratra amin’ny teny anglisy ny teny hoe Halal. Na ahoana na ahoana dia tsy nahita zavatra hafa tsaratsara kokoa hapetaka ilay olona nametaka io sary io.
Nanaiky ny hevitry Free Writer i Araby ary nanampy hoe :
أعتقد انه مُجرد ملصق تم وضعه على المُنتَج …
و لا داعي لتكبير المسألة …
العملية مفبركة … و لا تدخل العقل أنه مجلس “إسلامي” يقوم بذلك …
خصوصاً انه أكل لحم الخنزير من الكبائر و ليس بأمر عادي
Mino aho fa famantarana mipetaka amin’ny fonon’ny entana amidy fotsiny io ka tsy dia tokony itarina be loatra ny adihevitra. Namboarina tsy nomen’ny filankevitra Islamika izay tsy hanaiky na oviana na oviana ny fihinanana azy satria anisan’ny fahotana lehibe tsy azo ekena velively.
Ho fampitahana dia mitaraina ny mpamaky iray hafa:
يتم تصدير هذه اللحوم الى بعض دول الخليج
ومن ضمنها البحرين
لا رقابة ولاهم يحزنون
الخمور واللحوم المحرمة تباع علناً في البحرين
Aondrana any amin’ny helodranon’i Arabia ny entana amidy sahala amin’itony, ary tafiditra amin’izany i Bahrain. Tsy misy fanavazavana. Efa amidy ao Bahrain aza moa izao ny toaka sy ny hena fady.
Amira Al Hussaini
[ny mpandika teny moa dia efa nanana ohampitenenana mampihomehy nanao hoe “rien n’est sale que le cochon, rien n’est pur que le porc” fa dia lalaonteny fotsiny io e!]