· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Avrily, 2012

Tonizia: Niteraka Fitroarana Ny Fanorohana ny Tanan'ny Filoha

  29 Avrily 2012

Fanafintohinana, fahatezerana, ary fahasosorana; izany no tsapan’ny mpiserasera Toniziana raha nahita ilay lahatsary tao amin’ny Youtube mampiseho lehilahy manoroka ny tananan’ny filoha Moncef Marzouki tamin’ny 26 Aprily. Ahitana an’i Marzouki mitsidika tampoka tsenam-bahoaka  ny lahatsary. Raha vao niditra tao an-tsena izy, nihiaka ny sasany tamin’ireo olona tao hoe “Ho ela...

Tonizia: Fifandonan'ny Mpitandro Filaminana Tamin'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'asa Tao Radès

  24 Avrily 2012

Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.

Tonizia: Eny An-dalambe Ny Mpamaky Boky!

  16 Avrily 2012

Taorian'ny herinandro vitsivitsy nisian'ny fihetsiketsehana tao Tunis, nambara indray ny fisiana hetsika vaovao, antsoina hoe "L'avenue ta9ra", na "Mamaky [boky] ny Lalambe". Antsoina amin'izany ny Toniziana hitondra ny bokiny ho eny amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, toerana ahafantarana indrindra ny renivohitra, sy handraisana anjara amin'ny fiarahana mamaky boky.

Tonizia: Fihetseham-po Samihafa Tamin'ny Fisovohana Ny Mailaky Ny Praiminisitra

  13 Avrily 2012

Niditra an-tsokosoko tamin'ny mailaky ny praiminisitra Toniziana Hamadi Jebali tamin'ny 8 Aprily teo ny Anonymous Tonizia (izay milaza fa sampan'ny vondrona mpisovoka (hackers) Anonymous). Hetsika   tafiditra amin'ilay hetsika goavana ” Operation Tunisia Back” (Miverina i Tonizia) io Hetsika Avelao i Toniziako “Operation Touche pas à ma Tunisie” io. Ny ampitson'ny revolisiona taona  2011, mpikambana ao...

Tonizia: Fahatezerana Noho Ny Fandraràna Tsy Hanao Fihetsiketsehana

  09 Avrily 2012

Naneho ny fahatezerany ny mpiserasera Toniziana noho ny fandraràna ny olona tsy hanao fihetsiketsehana ao amin'ny arabe midadasika Habib Bourguiba ao Tunis, arabe midadasika ao an-drenivohitra izay mitovy lanja amin'ny kianja Tahrir ao Kairo. Tamin'ny 28 Martsa, noraràn'ny Minisitry ny Atitany ny karazana fihetsiketsehana rehetra, noho ny fitarainana voaray avy amin'ny...