· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Febroary, 2012

Tonizia: Nofoanan'ny Fitsarana Ny Didy Hanivana Ny Porno

  23 Febroary 2012

Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny 15 Aogositra 2011. Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly

Tonizia: Taona Iray Taorian'ny Revolisiona, Mbola Mitohy Ny Teritery Atao Amin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra

  22 Febroary 2012

Taona iray taorian’ny nanonganana ilay filoha teo aloha, mbola tandindonin-doza hatrany ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety ao Tonizia. Tamin'ity herinandro ity, lehilahy telo mpanao gazety avy amin'ny famoahan-gazety Toniziana "Ettounisia" no samy nosamborina noho ny namoahany sary nahabe resaka mikasika toniziana iray mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Sami Kedira sy ilay lasibika Lena Gercke miboridana..

Tonizia: Tatitra Momba Ny Fanapahan-kevitry Ny Fitsarana Momba Ny Fandàvana Ny Laharam-boninahitra hoe Filoha “Mpisolo Toerana Vonjimaika”

  09 Febroary 2012

Mandà ny honohono nalefan'ny gaety iray any an-toerana ny biraon'ny fiadidiana ny fitondram-panjakana, izay milaza hoe ny 13 Febroary, dia hamoaka didy ny fitsarana iray ao an-drenivohitra, mikasika ny fampiasàna ny teny hoe "mpisolo toerana" nataon'ny mpampahalala vaovao eo ambany fiahian'ny fanjakana rehefa nanondro ny filoha ankehitriny Moncef Marzouki sy ny governemantany.