· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Novambra, 2011

Tonizia : Noravan'ny Polisy Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Manohitra Ny Kapitalisma

  16 Novambra 2011

Ny 11 Novambra, ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny kapitalisma dia nidina an-dalàmbe tao Tonizia, tafiditra ao amin'ilay hetsika manerantany antsoina hoe ''Occupy the World on 11.11.11.'' na "bodoy izao tontolo izao ny 11.11.11."Nampiasa kibay, sy entona mandatsa-dranomaso ireo polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Tunis, izay nahatonga fampiakaram-peo teo amin'ireo mponina.

Tonizia: Fitsikerana Tafika Nampiditra Roa Volana An-tranomaizina

  16 Novambra 2011

Tamin'ny 9 Novembra, Nabil Hajlaoui, mpahay fambolena sy fiompiana avy ao Sidi Bouzid, voampanga higadra roa volana an-tranomaizina noho ny fitsikerany ny andrim-panjakana miaramila Toniziana. Araka ny voalazan'i Houssem Hajlaoui, mpanoratra ny bilaogy iombonana Nawaat, nosamborina i Nabil Hajlaoui taorian'ny lahatsoratra navoakany, izay nanomezany tsiny ny tafika noho ny fikomiana vao haingana...

Tonizia : Ny Andro Naha-Filoha An'i Ben Ali

  13 Novambra 2011

Ny 7 Novambra dia mampahatsiahy ny andro nanonganana an'ilay filoha teo aloha Zine El Abidine Ben Ali izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tsy nisy rà nandriaka ny taona 1987. Tamin'ity taona ity ny Toniziana dia nifampizara ny fomba fijeriny sy ny fihetsem-pony momba ny 7 Novambra tsy misy an'i Ben Ali.

Tonizia: Niverina Tao Amin'ny Facebook Hitsikera ny Islamista ny Mpiserasera

  05 Novambra 2011

Nanjary lohahevitra mafana ny resaka mikasika ny herin'ny hetsika Islamika hatramin'ny nanombohan'ny Lohataona Arabo tao Tonizia ny volana desambra farany teo. Niteraka adihevitra marobe ihany koa ny Salafista tao anatin'izay volana vitsivitsy taorian'ny revolisiona Tonizia izay. Araka ny tati-baovao, nanafika ny iray tamin'ireo toeram-pilalaovana sarimihetsika izy ireo noho ny fampisehoana sarimihetsika...

Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!

  04 Novambra 2011

Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Vondrona Facebook iray mandrisika ny lehilahy hitafy Hijab na voaly, ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy no vao avy nandom-baravarana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo Ejiptiana sy Toniziana mpampiasa aterineto.

Tonizia: Fenointsika Ny Valantserasera!

  04 Novambra 2011

Nisesisesy ny lahatsoratra nameno ny valantserasera maneran-tany raha nanapa-kevitra hibosesika ao amin'ny Facebook sy Twitter ny mpiserasera Toniziana amin'ny fanehoan-kevitra ataony. Nanomboka izany rehetra izany ilay mpiserasera naneho firaisankina sy fanohanana ny hetsika “Bodoy Wall Street” tao Amerika tamin'ny alalan'ny fandefasana hirahira sy hafatra tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Filohan'i Etazonia...