· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Oktobra, 2011

Ejypta: Manaraka Akaiky ny Fifidianana ao Tonizia

  25 Oktobra 2011

Ny revolisiona Toniziana no nialoha ny revolisiona Ejypsiana, ary nanomboka tamin'izany, nanintona ny Ejypsiana ny tolona mankany amin'ny demokrasia nataon'i Tonizia. Ary ankehitriny ny Toniziana – na ao an-toerana na ivelan'i Tunisia – miomankomana amin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon'ny antenimieran-dalampanorenana izay hanendry ny governemanta vaovao ary hamolavola ny lalampanorenana vaovao...

Tonizia: Vokatra Vonjimaika Manome Tombony Ny Islamista

  25 Oktobra 2011

Ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana tamin'ny 23 Oktobra tao Tonizia dia sahala amin'ny manome tombom-bato betsaka ho an'ny Antoko Islamista Ennahdha. ny fanisàna ny vatom-pifidianana dia mbola mitohy, ary andrasana ho tafavoaka amin'ny Talata tolakandro izy ireny.

Tonizia: Fihetseham-po sy Filaharana Lava dia Lava Tamin'ny Fifidianana

  24 Oktobra 2011

Voasokitra ao amin'ny tsiaron'ny mpifidy Toniziana, izay nameno ny birao fandatsaham-bato hatry ny vao maraimbe, ny andro androany [alahady]. Nifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenan'ny Firenena ny Toniziana. Tsy nahakivy filaharambe rehefa vonona ny hanana izay tiana holazaina amin'ny fomba itondrana ny firenena.

Tontolo Arabo: Mifampiarahaba Amin'ny Fifidianana Ao Tonizia

  24 Oktobra 2011

Nahazo fihobiana tsara avy amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny Toniziana, amin'izao fotoana handehanany hifidy ireo mpikambana 218 ao amin'ny antenimieran-dalàm-panorenana izay hisahana ny famolavolana ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena, ary hanendry ny filoha sy ny governemanta vonjimaika. Manan-tantara ny fifidianana satria voalaza ho toy ny ‘fifidianana malalaka voalohany ao...

Tonizia: Fihaonana Amin'ny Tantara

  24 Oktobra 2011

Handeha hifidy ny Antenimieran-dalàmpanorenana ny Toniziana androany, solontena misahana ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fanendrena ny governemanta vaovaon'ny tetezamita. Tamim-kafaliana no nandatsahan'ireo Toniziana rehetra maneran-tany vato tao anaty vata tamin'ity andrana demokratika ao amin'ny firenena ity, izay arahin'ireo Arabo manerantany akaiky. Fotoana talohan'ny fifidianana, naneho ny fihetseham-pony ireo mpamaham-bolongana manoloana ity andro mana-tantara ity....

Tonizia: Andro fifidianana androany!

  23 Oktobra 2011

Mandia andro manan-tantara ireo Toniziana androany. Andro fifidianana izay handehanan-dry zareo any amin'ny birao fifidianana, hifidy "assemblée constituante" nasionaly, zay hisahana ny fanoratana lalàm-panorenana vaovao, sy ny famoronana governemanta vaovao. Indreto misy santionan-kevitra tamin'ny andro nialoha ny fifidianana.

Tonizia: Ny Fifidianana 23 oktobra Fitsapana Demokratika Lehibe

  21 Oktobra 2011

Andro vitsivitsy sisa no andrasana ka itsapana voalohany amim-pomba demokratika ny “Lohataona Arabo” izay nampianjera fitondrana jadona telo tany Tonizia, Ejipta ary Libya. Ny alahady 23 oktobra ho avy izao no hifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenana vaovao sy hanangana governemanta tetezamita ny Toniziana. Andrasana fatratra ny fifidianana any Tonizia, izay...

Frantsa: Rantsan-tànana Manga Sy Ranomasom-pifaliana Noho Ireo Toniziana Am-pielezana Afa-Mifidy

Nandeha nandatsa-bato ireo Toniziana monina ao Frantsa androany (20/10/2011) alohan'ny fifidianana izay hatao any amin'ny firenen-dry zareo ny 23 Oktobra. Diboky ny hafaliana sy nirehareha tokoa ireo mpifidy fa afaka nifidy malalaka sy ara-demaoratika, voalohany tao anatin'ny 50 taona ary sivy volana monja taorian'ny revolisiona Arabo - ary mampidera ny rantsan-tànany misy ranomainty izy tamim-pireharehana tokoa.