· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Septambra, 2011

Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??

  30 Septambra 2011

Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...

Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka

  26 Septambra 2011

Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, Andriamatoa Feriani, mpiasa-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, namoaka lahatsoratra roa tao amin'ny boky Al-Khabeer [Ar] (Ny Matihanina)...

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

  22 Septambra 2011

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.

Tonizia: Bilaogera Nirotsaka Hofidiana

  21 Septambra 2011

Hifidy ny Antenimieran-dalampanorenana izay hiandraikitra ny famolavolana ny Lalamoanorenana vaovao ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao . Hafa noho ny hatramin'izay ity fifidianana atao amin'ity taona ity izay matetika miafara amin'ny fahazoan'ny antokon'i  Ben Ali vato eo amin'ny 90 isan-jato eo foana. Ho henjana tokoa ny fifidianana amin'ity...

Global Voices Podcast 3: Fiantraikan'ny Fikomiana Arabo

  08 Septambra 2011

Miarahaba ny rehetra! Amin'ity andiany Global Voices Podcast ity no handrenesanareo ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-bahoaka Arabo sy ahitanao izany hoe ahoana izany mpitari-dalana nomerika izany ary hiresaka momba ireo hevitra miteraka ny fitsipi-pifehezana tsara. Voalohany, fampahatsiahivana izay nitranga vao haingana tamin'ity taona ity . Nahitana revolisiona tao Tonizia ary voaongan'ny mpanao fihetsiketsehana Ejypsiana...