· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Aogositra, 2011

Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”

  21 Aogositra 2011

“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka" io no hevi-dehibe nohindrahindraina tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizi. Afef Abrougui nijery ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera taorian'ilay famotsorana ireo minisitra roalahy sady namana akaiky an'ilay lehilahy matanjaka Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ary nahatonga antso hanaovana hetsi-panoherana maro hatrany ny famotsorana azy.

Tonizia: Mitohy Ny Hetsi-Panoherana, Mitohy Koa Ny Herisetran'ny Polisy

  18 Aogositra 2011

Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo “Mahery fon'ny Revolisiona”. Mamintina ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo fampahalalàm-baovaon'olon-tsotra i Afef Abrougui ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Maraoka: Vohikala Miaritra Fisomparana DDoS

GV Mpisolovava  15 Aogositra 2011

Niaritra fisomparana "distributed denial-of-service" (DDoS) na "tolotra voatsinjara nolavina" ny vohikalam-pitolomana maraokana Mamfakinch! ny andron'ny alahady 31 jolay 2011, ka nampikatso nandritra ny ora maromaro ny fidirana tao aminy. Efa miverina an-tserasera ankehitriny ny vohikala. Fa inona ny Mamfakinch! ary inona ny antony isomparana azy?